Aingam-panahy nanosika mpakasary marobe manerana ny tany mba hizara saripika sy tantaran'ireo olon-tsotra eny an-dalambe eny, any amin'ny firenena misy azy ireo tsirairay avy, ny Humans of New York, pejy Facebook noforonin'i Brandon Stanton. Ndeha hojerentsika ny hetsika mitovy amin'izany ao Azia Atsimo-Atsinanana.
Noforonina tamin'ny 17 May 2013 ny Humans of Brunei (Olombelon'i Brunei). Sarinà Brunei mpianatra ity ambany ity
Mifanindran-dàlana amin'izay, noforonina ny 16 Aogositra 2013 ny Humans of Indonesia, Olombelon'i Indonezia. Sarin'ireo Indoneziana tao amin'ny riandrano Harau ao amin'ny faritr'i Bukittinggi ity ambany ity :

“Tena zava-manokana niainana izy ity….ireny rano midabodaboka ambony vato ireny navadika ho karazana toerana filomanosana ho an'ny daholobe. Araka izany, raha afaka nanemotra ny fanalehibeazan-tsary aho dia mety ho hitanareo ireo ankizy milalao ganagàna plastika abontsin-drivotra, fahatsiarovana samihafa, olona mivarotra ‘paty’ & asa isan-karazany hafa…” Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Indonesia”

“Voanio tanora vao avy notazana?”
“Oh, azafady, mandraisa iray raha tianao”
“Misaotra betsaka. Maninona raha alatsakao avy eny fotsiny ireto izy? Tahàka ny mavesatra ilay fitondra azy toy izao”
“Tsy hitanao angaha fa misy ankizy vitsivitsy milalao eo ambanin'ireto hazo ireto? Ahiako hahavoa azy ireo ireto voanio ireto.” Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Indonesia”
Misy koa ny pejy Humans of Jakarta – Olombelon'i Jakarta. Jakarta no renivohitr'i Indonezia
Tsidiho ny pejy Humans of Bali – Olombelon'i Bali. Bali dia nosy iray malaza ao Indonezia.
Ao Malezia, hazavain'i Avinash ny hevitra nananganana ny pejy Humans of Malaysia – Olombelon'i Malezia:
…voalohany indrindra dia tiako ho fantatr'ireo olona ireo fa misy olona any ho any miasa loha amin'ny fomba fijeriny, ny tantarany, ny fotoanany, ny fifantohany, ny fomba fisainany, ny fahitàn-dry zareo ny fiainana, ny zavatra rehetra e, ary ireny olona ireny no mahatonga an'i Malezia ho firenena. Faharoa dia tiako ny mihaino, sy mametraka fanontaniana mazava loatra. Ary fahatelo, satria tonga indrindra ao anatin'ny teboka iray eo amin'ny fiainako ilàko ny mifampiresaka aman'olona aho, tsy olona ho ampiana fotsiny no nilaiko, fa hihaino, kanefa tsy nisy na iza na iza ho ahy tamin'izany fotoana. Mandrakariva dia io zavatra io no ao an-tsaiko, misaina ny hoe mety mbola hifanena aminà olona iray aho androany, izay tena mila olona afaka hihaino azy. Izay no antony nanaovako azy ity.

“Inona no tena mahatahotra anao indrindra?”
“ny ho mahantra. Tsy manam-bola. Vola daholo izao ny zavatra rehetra amin'izao androntsika izao. Hanohana ny fianakaviako, sakafo, fitaterana, faktiora. Izay jerena rehetra. Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Malaysia”
Misy pejy iray mitokana ho an'ny Humans of Kuala Lumpur – Olombelon'i Kuala Lumpur. Kuala Lumpur renivohitr'i Malezia.

“Abang (tenim-pirahalahiana ilazana ny namana) Hafiz manasa sy mandamina ireo trondro sy anana ao amin'ny toeram-pivarotana ny vokatry ny tany ao KL. Efa alina be ny andro fa mbola tonga ihany ny olona. Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Kuala Lumpur”
Tsy dia misy fanavaozana matetika ny pejy Humans of Thailand – Olombelon'i Thailand, saingy toa mavitrika kosa ny page Humans of Bangkok – Olombelon'i Bangkok. Bangkok dia renivohitr'i Thailand. Zon no manazava ilay tetikasa:
Tetikasa madinika eny an-tanan-dehibe ihany ilay pejy, natomboko fotsiny mikasika ireo olona sy ny andavanandrom-piainany ao Bangkok, izay lasa fiarahamonina mandray roa bebe kokoa noho ny taloha. Ny famoahana ny fiainan'ireo mponina eo an-tanàna dia mety hahatonga saina antsika tsara hoe mifamatotra ny tsirairay.

“Ny mitondra moto no fanambiko isanandro. Tsy maintsy mahavita mitaingina eny antsefantsefan'ireo fiara vaventy aho. Tena faran'izay zava-doza raha ny marina. Mpitondra moto-taxi aho efa ho herintaona izao saingy tsoriko fa tsy fantatro hoe mandra-pahoviana no mety mbola hanohizako ity asa ity, na izay tiako ho fizotry ny fiainako manaraka aza tsy fantatro.” Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Bangkok”
Raha miharatsy ny krizy politika ao Thailand, ireo mponin'i Bangkok kosa mangataka ‘Alahady tony’ iray.

“Fifandirana politika ao Thailand ankehitriny. Manantena izahay fa #peacefulsunday (Alahadytony) ary tsy hisy herisetra no hisy rahampitso.” Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Bangkok”
Tsidiho koa ny pejy Humans of Chiang Mai – Olombelon'i Chiang Mai. Chiang Mai dia any Avaratr'i Thailand.

“Tsy misy soratra, tsy misy fitakiana, tsy misy na inona na inona Satria misaintsaina monja momba ny Sary Hosodoko-ko aho!” Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Chiang Mai”
Ao Vietnam, tianay hasongadina ny Humans of Saigon -Olombelon'i Saigon, sy ny Humans of Hanoi – Olombelon'i Hanoi
Ao Laos, misy ny pejy Humans of Vientiane – Olombelon'i Vientiane. Vientiane no renivohitry ny firenena.

“any Luang Namtha, fampiharana ny lalàna ao an-toerana mamela ny filalaovana tsipy kanetibe.” Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Vientiane”
Ity ambany ity ny sarin'i Stacy avy ao Singapore makamaka aina eo amoron'ny Clarke Quay. Sary avy amin'ny pejy Humans of Singapore – Olombelon'i Singapore:

“Mipetrapetraka eto aho satria eto misy tsiotsio-drivotra. Sady afaka mijery ireo sambo mandalo koa ianao. Manatanteraka fihodidinana feno ny renirano ry zareo amin'io làlany io, hatrany Marina Bay Sands, toerana hitantaràn-dry zareo aminao ny tantaran'ireny toerana ireny sy Singapore. Somary mahaliana ihany, mandre ampahan-javatra izay tsy mbola fantatrao tany aloha ianao ary dia fahagagàna kely mandrakariva izany.” Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Singapore”
Tsidiho ny Humans of the Philippines – Olombelon'i Filipina sy ny Humans of Manila – Olombelon'i Manila. Manila dia renivohitr'i Filipina.

Ankizy tao Tondo ao Manila. Distrika ahitàna ireo mpiasa mpamokatra i Tondo. Sary avy amin'ny pejy Facebook “Humans of Manila”
Ny pejy People of Yangon – Olon'i Yangon – dia noforonin'i Chris James White ary aingam-panahy nateraky ny hevitra Humans of New York ihany koa. Yangon dia tanàna lehibe ao Myanmar.