- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lasa “Toerana Masina ho an'ireo Trozona sy Fesotse (Dauphin)” i Orogoay

Sokajy: Amerika Latina, Orogoay, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Fotos de [1]

Sary nozarain'ny @PaipoUruguay [2] tao amin'ny Twitter

 [Mandefa mankany aminà pejy amin'ny teny Espanola ireo rohy.]

Ny volana Septambra, nandany ny lalàna 19.128 [3] i Orogoay, izay nanondro ireo ranomasina manamorona ny firenena ho “toerana masina ho an'ireo trozona sy fesotse [dauphin].” Tsy amin'ny ranomasina manamorona ny firenena ihany no ampiharina izany lalàna izany, fa koa amin'ireo faritra ara-toekarena voatokana ho an'i Orogoay ary mandràra ny fihazàna, ny fanaratoana, ny fisamborana, ny jono, na fakàna ireo hazan-dranomasina rehetra amin'ny fomba rehetra mety azo hamadihana azy.

Ahitana ny fandràrana mikasika ny fitaterana sy fanondranana ireo trozona sy fesotse velona ihany koa izany, ary koa ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ireo sambo miantsona ao Orogoay na mitondra ny sainam-pireneny izany na ny an'ny hafa. Manome sazy ho an'ireo izay tsy manaraka izany ny lalàna. Singanina manokana ireo resaka ara-tsiansa sy ara-pahasalamana, raha toa izy ireo ka voamarin'ireo tompon'andraiki-panjakana. Raisin'io lalàna io ihany koa ny mikasika ny tranga fanaovana antsojay, herisetra, na fampijaliana hafa mety hiafara amin'ny famonoana ireo hazan-dranomasina.

Hita sy nankatoavin'ny antenimiera tsy nisy nandà ny lalàna ary navoakan'ny Filoha José Mujica hanan-kery ny 13 Septambra.

Manamafy ireo politika fitahirizana misy ao Orogoay io lalàna vaovao io, izay napetraky ny minisiteran'ny Fiompiana, ny Fambolena ary ny Jono (MGAP) ary ny Fitantanam-pirenena momba ny Harena Andranomasina (DINARA). Ny Talen'ny DINARA, Daniel Gilardoni, dia nanambara tamin'ny lahatsoratra Presidencia [4] navoakan'ny governemanta fa: “Ho an'ny firenen-tsika, ny loza lehibe mandrahona dia ny fanondranana, ny ampahany lehibe amin'ny fahafaesan'ireo biby eny amin'ny tora-pasika dia vokatry ny fifandonana misy eo amin'ireo trozona sy ireo sambo”.

Tombontsoa ara-toe-karena ny toerana masina vaovao ho an'ireo trozona sy fesotse anatin'ireo ranon'i Orogoay, araka ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Toerana masin'i Orogoay ho an'ireo trozona sy fesotse: Avelao hanantona ahy ireo hazan-dranomasina [5] [5] ao amin'ny bilaogy “Ballenas en Uruguay [Trozona any Orogoay]”.

Nazava ny tontolon'ny aterineto niaraka tamin'ireo fihetsika mankatoa ny fanekena io lalàna io. Naneho ireo fankatoavana niparitaka marobe manoloana ny toerana misy an'i Orogoay ho “toerana masina ho an'ireo trozona sy fesotse” ny media sosialy.

Tamin'ny herintaona, nandray anjara tamin'ny hetsi-panentanana hanandratana ilay volavolan-dalàna tao amin'ny Twitter ny mpampiasa izany, Jana (@Piper_uy [6]):

Potsiro mba hanohanana ny fametrahana toerana masina ho an'ireo trozona sy fetsotse any Orogoay http://t.co/N7x1uVMN [7]

Ny volana Oktobra tamin'io taona io ihany, araka ny voalazan'ilay mpanao gazety Lourdes Vitabar (@ louvitabar), dia vondrom-pianatra maro samy hafa no nitangorona teo ivelan'ny Lapan'ny Antenimiera:

Mandeha any amin'ny Lapan'ny Antenimiera ireo mpianatry avy any Maldonado sy Rocha (vatsian'i Paez Vilaró) amin'ny sivy ora ho fanandratana ilay volavolan-dalàna fanamasinana toerana ho an'ny trozona

Nilaza nialoha ny fahalavorarian'io volavolan-dalàna io i Gerardo Amarilla (@ GerardoAmarilla), solombavambahoakan'ny Antoko Nasionaly avy ao amin'ny departemantan'ny Rivera ny volana Martsa tamin'ity taona ity:

Nankatoavina tao amin'ny efitranon'ireo Solombavambahoaka ary hampandalovina eny amin'ny Antenimieran-doholona, mba ho tonga lalàna velona ny Toerana Masina ho an'ny Trozona sy ny Fesotse.

Nankalaza ireo vaovao ny Animales Sin Hogar (@ASHcomUY [12]) [Biby tsy manan-kialofana], rehefa nankatoavina ny lalàna ny volana Septambra teo, raha tamin'izany fotoana izany, anefa, dia sady nisaona ny fahafatesanà trozona iray lavo tany amin'ny faritr'i Kolonia:

Etsy andaniny, mankalaza ity vaovao mahafaly momba ny fijoroan'ny toerana masina ho an'ireo trozona sy fesotse izahay…. http://t.co/DTtyd0hXVQ [13]

Raha mila fanampim-baovao mikasika ny adihevitra mitohy mikasika ny zava-manan'aina anaty ranomasin'i Orogoay, dia afaka manaraka ny Fikambanana ho an'ny Fitahirizana ireo Hazan-dranomasina (OCC) ao amin'ny Facebook [15] sy Twitter [16] ianareo.