Nankalaza am-pilaminana ny Krismasy ireo Siriana Kristiana raha miditra amin'ny faha-efatra taonany kosa ny ady an-trano, manamarika ny fahafatesan'olona maherin'ny 100.000 sy fikisahan-toeran'ireo an-tapitrisany mba hikaroka fialokalofana any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina.
Miara-tonga amin'ny fialokalofana ny ririnina mamirifiry sy ny vavaka hodiana an-tanindrazana, araka ny fanazavan'ity tatitry ny Al Jazeera ity [1].
Tamin'ity taona ity i Syria dia vavolombelona nanatri-maso faharavàna tsy hitanoanoa, fahafatesana [2], ary taha ambony be tamin'ny resaka fakàna an-keriny [3] izay mahavery fanantenana ireo vahoakany. Io fahaverezam-panantenana io [4] dia azo jerena anatin'ny asan'ireo artista izay, amin'ny fotoana sasantsasany, mampiseho ny horohoron'ny firenena, anaty taokanto iray monja fa tsara lavitra noho ny teny an-tapitrisa.
Fanehoana an-tsary an'i Santa anaty Taokanto Siriana
Tamin'ny fakàna tàhaka ny fakàna an-keriny ao Syria, nanao sary ahitàna an'i Santa nisy naka an-keriny miaraka amin'ny akanjobeny midorehitra, mandohalika ary voaambana basy i Jawad [5] :
Anaty taokanto iray hafa nataon'i Anas Salameh [6], nolanjaina niala ny Toby Al Yarmouk misy an'ireo Palestiniana mpialokaloka ao Syria ny vatana mangatsiakan'i Santa : Hita nitomany ihany koa i Santa satria tara kely vao tonga ireo fanomezana nentiny ho an'ireo ankizy maritiora tao Syria: Eto, mitorevaka misaona eo anilan'ny fasan'izy ireo izy :Ny Fanahin'ny Fety: Lakolosy , Hazo Krismasy, ary Haingo isankarazany
Kisangisangy nihiràna ilay hiran'ny Krismasy hoe “Jingle bells” no mitaky fahafahana sy fanesorana an'i Bashar El-Assad. Maty noho ny fampijaliana nanjo azy ilay mpanoratra azy io, fantatra amin'ny hoe Mogwli Mowgli:
Taokanto iray maneho ho hita maso ny kibolabola iray natsoboka tanaty rà ary nahantona tanaty vata fampangatsiahana no nataon'i Anwar Al Eissa, tahaka ny maneho an-tsary ny toe-draharaha mamirifiry diavin'ireo Siriana maro tamin'ity Krismasy ity :
Sarinà hazo Krismasy iray taorian'ny fipoahana no avy amin'i Amjad Wardeh [7] :Merry Christmas and well wishes from Bashar! #Syria [8] pic.twitter.com/ZC3wuM0lp7 [9]
— رهام (@Rehambo) December 24, 2013 [10]
ZZZZZZZZFirariana Krismasy sambatra ary ny tsara rehetra avy amin'i Bashar! #Syria [8] pic.twitter.com/ZC3wuM0lp7 [9]
- رهام ( @ Rehambo ) 24 Desambra 2013
Raha etsy ankilan'izay i Hani Abbas kosa manamboatra azy niainga avy tamin'ny tranolain'ireo mpialokaloka :
Mohamad Alweis, artista Aleppoiana, manoratra ny “Mirary Krismasy Sambatra” aminà vovo-dranomandry natao balan-tafondro, tamin'ny fametahana soratra momba ireo balan-tafondro 100 nilatsaka tao Aleppo tamin'ny herinandro lasa : Kanefa, ao anatin'ny haizina no miakatra ny tsirim-panantenana kely sy finoana hisian'ny ampitso tsaratsara kokoa. Jereo ny sarimihetsik'i Eyad Aljarod, ilay Siriana mpamokatra sarimihetsika, ny ankizin'i Saraqeb, Silamo sy Kristiana, mankalaza Krismasy sy mifampizara ny nofinofin-dry zareo :Bells 2013 – أجراس 2013 [11] avy amin'i eyad aljarod [12] ao amin'ny Vimeo [13].