- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: Rotaka Voalohany tao Singapore Tao Anatin'ny 40 Taona

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Tantara, Zon'olombelona

Nipoaka [1] tao afovoan'i Singapour ny fitroaram-bahoaka tamin'ny Alahady 8 Desambra lasa teo, rehefa maty tamin'ny lozam-pifamoivozana nateraky ny fiaram-pitateram-bahoaka iray ny mpiasa Indiana iray. Mpirotaka an-jatony no nanafika fiaran'ny polisy 16 sy nandoro fiara mpitatitra marary tao amin'ny faritra antsoina hoe Little India. Izany no rotaka ratsy indrindra [2]niseho tao Singapore hatramin'ny taona 1964.

Ny fahafatesan'i Sakthivel Kumaravelu izay nahatonga ny rotaka ihany koa no niteraka adihevitra mafana momba ny politikan'ny fandraisana mpiasa vahiny ao Singapour fa marobe ireo mponina ao an-toerana no mimenomenona amin'ny fitomboan'ny gidragidram-piarahamonina. Ahitana mpiasa vahiny maherin'ny 1,3 tapitrisa ao Singapour na 25 isan-jaton'ny mponina iray manontolo.

Niantso [3] ny vahoaka ho tony ny praiminisitra Lee Hsien Loong ary nikiry izy nilaza fa tranga maningana iny fitroarany iny:

This was an isolated incident caused by an unruly mob. The vast majority of foreign workers here obey our laws. We must not let this bad incident tarnish our views of foreigner workers here. Nor should we condone hateful or xenophobic comments, especially online.

Tranga maningana naterak'ireo olona tsy voafehy iny. Manaja ny lalànantsika ny ankamaroan'ireo mpiasa vahiny. Tsy tokony avelantsika handoto ny fijerintsika ireo mpiasa vahiny eto iny loza mahatsiravina iny. Tsy tokony hitazam-potsiny ireo fanehoan-kevitra mankahàla sy tsy tia vahiny ihany koa isika, indrindra ao amin'ny aterineto.

Mampiseho ilay fiara fitateram-bahoaka [4] nahafaty an'i Sakthivel ity lahatsary ity.

http://www.youtube.com/watch?v=S-ZK27Me76s [4]

Ity ambany ity lahatsary manadihady ny fandoroana ireo fiaran'ny governemanta [5]:

Lahatsary hafa ahitana fandoroana [6]fiara mpitatitra marary:

Tezitra [7]tamin'ny tati-baovao nanasongadina ny fahamamoan'ilay niharam-boina i Kirsten:

Revealing and dwelling on the fact of Kumaravelu's drunkenness in isolation suggests that he was somehow responsible for his own demise. He could very well be, but it also smacks of victim-blaming, and doesn’t explain anything about what really happened on Sunday night.

Focusing on Mr Kumaravelu’s drinking reveals a lack of concern for a man who met a tragic end, reducing him to little more than a random drunken Indian who was probably somehow responsible for all this trouble.

Ny fanambarana sy ny fisisihana amin'ny filazana mikasika ny fahamamoan'i Kumaravelu dia toa mampiseho fa tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesany izy. Mety hoe salama ara-batana tsara izy, saingy toa ahatsapana ny fiampangana ilay niharam-boina ihany koa izany, ary tsy manazava izay tena zava-nitranga tamin'iny alahady alina iny.
 
Ny fampifantohana amin'ny fisotroan'i Kumaravelu dia mampiseho tsy firaharahiana lehilahy iray namoy ny ainy tamin'ny fomba mahatsiravina, mampietry azy ho zara raha mihoatra noho ny Indiana mamo izay karazany tompon'andraikitra tamin'ity fikorontanana ity.

Nandrisika ireo fampahalalam-baovao vahiny mba tsy hamaritra ny zava-nitranga ho “rotaka ara-poko” [8]i Cherian George :

The instinct of some foreign media to frame the Little India Riot as race-related may reveal more about their own prejudices than about the reality of what happened on Sunday evening. It is of course true that ethnic minorities here occasionally face subtle and not-so-subtle discrimination, but it would be a stretch to assume that the riot had much to do with that. The existence of racism doesn’t mean that the racial lens is always the right one through which to view events. If the riot reveals any deeper divisions – and most reasonable Singaporeans know that it does – those divisions are probably ones of nationality and class, not race. Not that this would be a less serious social ill; but it is important to get the diagnosis right if we are to treat it effectively.

Urban geography, not race, explains why the riot was an all-South-Asian affair.

Ny fironan'ny fampahalalam-baovao vahiny mametraka ny rotaka tao Little India dia mety mampiseho kokoa ny fomba fitsaratsaran-dry zareo diso fa tsy mikasika izay zava-misy nitranga marina tamin'ny Alahady alina. Marina tokoa aloha fa indraindray miatrika fanavakavahana hita na tsy hita maso ny foko vitsy an'isa eto, saingy lasa fanitarana kosa ny fiheverena fa misy ifandraisana amin'izany ilay firotahana. Ny fisian'ny fanavakavahana dia tsy midika fa mety hatrany ny fijerena ny trangan-javatra ara-poko. Raha mampiseho fizarazarana lalina kokoa ny rotaka – ary mahafantatra ny ankamaroan'ireo Singapouriana malala-tsaina fa misy izany – dia mety ho resaka zom-pirenena sy ny saranga no isian'izany fizarazarana izany, fa tsy foko. Tsy midika izany fa olana ara-tsosialy tsy dia goavana, fa zava-dehibe ny mahazo ny valim-panadihadiana marina raha te-hahomby amin'ny fikarakarana izany isika.
 
Jeografia an-tanàndehibe io, tsy foko, izany no manazava ny antony mahatonga ilay rotaka ho raharahan'i Azia-Atsimo iray manontolo.

 .

Nanamarika i Alisa Writes fa ratsy kokoa ny rotaka any amin'ny firenen-kafa ary tsy tokony sokajiana mankany amin'ny resaka zom-pirenena [9]na toerana nahaterahana ny rotaka tao Little India:

People also riot over soccer, apparently. Any human being who feels discontentment, frustration and anger has the ability to express it if given the right stimulants and conditions. What happened in Little India is simply a result of human behavior, and can’t be attributed to nationality or birthplace.

Toa mirotaka amin'ny resaka lalao baolina kitra ihany koa ny olona an! Ny olona rehetra izay mahatsiaro hasosorana, fahadisoam-panantenana ary fahatezerana dia mahavita mampiseho izany raha omena ny fandrisihana sy fepetra ilaina amin'izany izy ireo. Vokatry ny fitondran-tena maha-olombelona ihany ny zava-nitranga tao Little India, ary tsy tokony sokajiana any amin'ny resaka zom-pirenena na toerana nahaterahana.

anyhowonly nidera [10] ny nidera ny famerenan'ny polisy haingana ny filaminana tao amin'ny fiarahamonina:

…I am especially proud of those troopers who demonstrated not only their specialist training but also their discernment and restraint! No shots were fired despite the chaos. The mob was dispersed with nary a shot or tear gas fired.

Afa-mirehareha manokana ireo avy amin'ny andiam-pitandro ny filaminana izay tsy vitan'ny nampiseho ny fiofanana manokana azon'izy ireo ihany aho fa mahay ny manavaka sy mahafehy tsara ihany koa! Tsy nisy ny tifitifitra na dia teo aza ny korontana. Naparitaka tamin'ny fandefasana na tifitra baomba mandatsa-dranomaso ny olona.

yawning bread nanadihady anton-javatra [11] sasany izay nahatonga ny fitroarana:

These three factors likely came together Sunday night: Brooding frustration from perceived injustices at work creating hostility to authority, resentment at auxiliary police patrols in Little India, and congestion on a damp night with nowhere to sit.

Toa tafaraka ireto anton-javatra telo ireto tamin'ny Alahady alina: Fahadisoam-panantenana noho ny tsy rariny hita taratra ao am-piasàna ka miteraka fankahalàna amin'ny manampahefana, lolom-pò tamin'ireo mpiara-miasan'ny polisy mpanao fisafoana tao Little India, ary fahateren'ny toerana tsy ahitana toerana hipetrahana

Nanoro hevitra ny governemanta i Vernon Chan mba hanatsara ny fari-piainan'ireo mpiasa vahiny, indrindra amin'ny  fanatsarana ny fitateram-bahoaka [12] fampiasan'ireo mpiasa: 

…increase the fleet of public buses servicing Little India, and most importantly, institute heavily subsidised rail and bus passes for the more than 300,000 migrant workers in Singapore’s construction industry.

…ampitomboina ny isan'ireo fiara fitateram-bahoaka miasa ao Little India, ary indrindra indrindra, mametraka fanohanana ara-bola matanjaka amin'ny alalan'ny fiara fitateram-bahoaka sy fiaran-dalamby hoan'ireo mpiasa mpifindra-monina maherin'ny 300 000 eo amin'ny sehatry ny fanorenana.

Yan Naung Oak, Birmana ao Singapour, namotopototra lalina mikasika ny zava-iainan’ [13] ireo mpiasa vahiny ao amin'ny firenena:

The alienating forces that keep people in their shells of political correctness and civility are the same forces that make people violently break out of them. When the disenfranchised are confronted with something that violates their already narrowed turf, like the death of one of their own, the pent-up anger congeals into a mob.

Ireo hery manandevo miambina ny olona ao amin'ny akorandriakan'ny fahitsiana ara-politika sy ny maha-olom-pirenena ihany no hery mahatonga ny olona mamaly bontana amin'ny herisetra ataon'izy ireo. Rehefa voahitsakitsaka ny zaratanin'ny efa tsy manana na inona na inona, toy ny fahafatesan'ny iray amin-dry zareo ohatra, dia mivadika ao amin'ny andian'olona ny fahatezerana nofihinina tao anaty.

Jentrified Citizen nangataka tamin'ny governmanta mba hamolavola drafitra tsara kokoa [14] ho fanatsarana ny fari-piainan'ireo mpiasa vahiny:

When you have such a large number of lowly paid and over worked transient workers here, you must plan for them as human beings and not as mere digits to fulfill an economical need. Did the government work to ensure that their well-being and welfare is taken care of? Are these poor and powerless workers housed in decent lodgings, fed decent food, and given enough time to rest? Did our government plan for sufficient recreational outlets and facilities to cater to the workers’ interests and different needs?

Raha manana mpiasa marobe vahiny (mifindra-monina) ambany karama sy tototry ny asa ianao, dia tokony hitondra ho azy ireo tahaka ny olombelona ianao fa tsy tarehimarika (vola) hamaliana ny filàna ara-toekarena fotsiny. Efa mba niasa hiantoka ny hatsaram-piainana sy ny fahasalaman'izy ireo ve ny governemanta? Mba mipetraka amin'ny fonenana mendrika sy ampy sakafo ary manana fotoana hialàna sasatra ve ireo mpiasa mahantra sy tsy manam-piahy ireo? Efa nijery ireo toerana sy fotodrafitrasa fialàna sasatra sy fialam-boly mahafa-po y ireo filàn'ny mpiasa ve ny governemantantsika?