- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Fanekena Ofisialy Ho Toy Ny Fanasokajiana Hafa Ny Hijras ao Bangladesh

Sokajy: Bangladesh, Fampandrosoana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

Hijras [1], teny iray ao Azia Atsimo hanasokajiana ho Vehivavy ireo olona teraka mitondra ny fananahana lehilahy na sady lahy no vavy kanefa miseho ho vehivavy, no hekena [2]manomboka izao fa sokajin'olona vaovao ao Bangladesh, izany dia ahafahan'izy ireo manasokajy ny tenany ho hijra any anatin'ireo taratasy ofisialy isan-karazany toy ny Pasipaoro.

Nanambara izany fanapahan-kevitry ny Governemanta izany ny Praiministra ao amin'ny firenena ny 11 Novambra 2013 teo, niaraka tamin'ny fanambaran'i Alemàna fa hanomboka hanome Sokajy fahatelo [3]ao amin'ny Kopiam-pahaterahana ihany koa izy ireo.

Mahatratra 10.000 farafahakeliny amin'izao ny hijras monina ao amin'ny firenena. Fandresena ho an'ireo hijras iny fanapahan-kevitra nivoaka iny, karazàna sokajy fahatelo hafa [4]izay manasokajy olona iray ho sady tsy lahy no tsy vavy, manerana ny firenena. Izy ireny dia olona iharan'ny tsy fanajàna ny zony avy amin'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny, toy ny fanerena azy ireny hiara-hiaina anaty vondrom-piarahamonina misintaka. Nangataka fanekena ofisialy [5]ho toy ny Sokajy fahatelo ireo fikambanana Hijra.

Hijras in beauty contest. Photo taken by Mohammad asad. Copywright: Demotix (18/11/2011) [6]

Hijra maro tao aminà fifaninanana hatsaran-tarehy iray. Sary nalain'i  Mohammad asad. Fizakàmanana : Demotix (18/11/2011)

Maro ireo mpisera anaty aterneto no nihoby izany fanapahan-kevitra izany.

Hazrat Binoy Bhodroe (@hazratb9bhodroe [7]) dia nanamafy tao amin'ny Twitter fa dingana lehibe iny fanapahan-kevitry ny Governemanta iny :

Nahazo ny fankatoavan'ny fanjakana ny Hijras. Tena fahombiazana goavana izany. Mandrosoa hatrany ry Bangladesh 

Sabrina Haque (@sab918 [9]) dia nanantena fa hitsahatra hatreo izany ny fanavakavahana :

Tsara. #Bangladesh [10] dia mampivelatra ny #fitoviana [11] sy ny famaritana ny #sokajy [12] ho an'ny vahoakany http://t.co/qaAmImxQsP [13] #fandrosoana [14] #hijras [15]

— Sabrina Haque (@sab918) 11 Novambra 2013 [16]

Smita Gaith (@smitagaith [17]) nandefa bitsika hoe :

Kay, goavana zany! RT @sepiamutiny [18]: #Hijras [19] izao dia #sokajy [12] mitokana any #Bangladesh [10] http://t.co/wjUBaZnR80 [20]

— Smita Gaith (@smitagaith) 11 Novambra 2013 [21]

Blaque Mamba (@Snoozfest [22]) dia nanamarika fa :

Mila maka lesona amin'i #Bangladesh [10] ireo Tandrefana. #Hijras [19] izao dia #sokajy [12] mitokana any Bangladesh | #Dhaka [23] Tribune http://t.co/SH8NIf8DpI [24]

— Blaque Mamba (@Snoozfest) 11 Novambra 2013 [25]

ireen sultana (@ireen_sl [26]) koa dia nankasitraka ilay fiovàna :

Miarahaba ny Governemanta amin'ny fanapahan-kevitra noraisiny, anatin'izao fotoana farany izao ( hitondran'izy ireo izao ).