- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#Lobbytweet, Hisian'ny Mangarahaha Kokoa Ao Amin'ny Politikan'i Alemaina

Sokajy: Alemaina, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Any amin'ny firenena maro, nahatonga ny Twitter ho tambajotra sosialy faharoa manan-danja indrindra ny fitomboan'isan'ireo mpampiasa azy, aorian'ny Facebook. Na izany aza dia tsy mbola tonga amin'ny laza ananany any amin'ireo firenena toa an'i Brezila, Etazonia, Espaina ary Tiorkia ny lazan'ny Twitter ao Alemaina

Die Wirtschaftswundertüte. Ein Geschenk der Initiative Neue Soziale Marktwirtschaft an die gründe Bundestagsabgeordnete Tabes Rößner.

Ny Kitapo Majikan'ny Toekarena. Fanomezana iray avy amin'ny Initiative Neue Soziale Marktwirtschaft (Hetsika Ho amin'ny Toekarena Vaovaon'ny Tsena Sosialy) ho an'ilay Parlemanteran'ny Antoko Maitso, Tabes Rößner. Sary navoaka tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Tabes Rößner.

Ao Alemaina, mitovy amin'ny isan'ireo ao anatin'ny Pays-Bàs kely bilitika io no mba isan'ny mpampiasa Twitter—na dia in-dimy amin'ny mponina any aza no ananany. Bilaogin'ny gazetiboky “Economist” no efa nanandratra sahady fanontaniana hoe  “Why Do Germans Shun Twitter [Maninona no mandositra Twitter ny Alemana] [1]” ary tonga tamin'ny famintinana fa ny mangarahara ao amin'ny Twitter dia mifandona amin'ny filàn'ny Alemana mitàna ny fiainany manokana.

Amin'izao fotoana izao ny mangarahara ao amin'ny Twitter dia mety hitondra fomba iray hampahazava kokoa ny haizin'ny fanisihan-kevitra ao anatin'ny politika Alemana. Ao amin'ny bilaoginy Hamburger Wahlbeobachter [2] [de], vao haingana ilay mpanolotsaina ara-politika sady bilaogera , Martin Fuchs, no niantso ireo Alemana mpanao politika mba hamoaka ho fanta-bahoaka ny fivorian'izy ireo niaraka tamin'ireo mpanisi-kevitra (lobbyistes) ho ao amin'ny Twitter amin'ny fampiasàna ny tenifototra #Lobbytweet [3]. Efa nandefa sahady ireny fivoriana ireny tao amin'ny tranonkalan-dry zareo ny sasany tamin'ireo mpanao politika;  ao amin'ny pejiny Facebook [4] [de], ilay Parlemantera avy amin'ny Antoko Maitso, Tabea Rößner, dia mizara fantin-tsarim-panomezana hafahafa avy amin'ireo mpanisi-kevitra. Mety hisintona hampivondrona ireny karazana fivoriana ireny ny fandefasana ireny “lobbytweets” ireny ary hanome topimaso maika ho an'ny olon-tsotra, ny mpanao gazety ary ny ONG—raha tsy ho varavarankely—mitodika any amin'ny fidadasiky ny fanisihan-kevitra ao Alemaina.

Ilay hevitra natolotr'i Hamburger Wahlbeobachter dia teraka avy aminà bitsika iray nalefan'ilay Parlemanteran'ny Antoko Maitso, Agnieszka Brugger, izay efa zava-mandeha ho azy aminy ny mamerina any amin'izay nandefa azy ireo fanomezana alefan'ireo mpanisi-kevitra. Tamin'ny Oktobra, nalefan'i Brugger niverina ny fanomezana iray manokana avy amin'ny Initiative Neue Soziale Marktwirtschaft (INSM) – (Hetsika Ho amin'ny Toekarena Vaovaon'ny Tsena Sosialy), ary nibitsika izy hoe :

#INSM [5], nalefa niverina ny fanomezanao.

Ny “Hamburger Wahlbeobachter” dia mitàna lisitra iray ahitàna ireo Parlemantera rehetra, federaly sy avy amin'ny faritra, nanaiky hampiasa ilay tenifototra #Lobbytweet mba hitaterana ny fivorian-dry zareo miaraka amin'ireo mpanisi-kevitra. Hatreto, parlemantera fito no nanao sonia an'ilay hevitra naroso, ny sasany dia avy amin'ny parlemanta federaly, ny Bundestag, ary ny sasany avy amin'ny parlemantam-paritra. Mbola ho hita eo raha maro ireo politisiana ho avy hanatevina laharana.

Notoloran'i Fuchs fiarahabàna feno hafaliana tsy omby tratra ireo politisiana tonga voalohany naneho fahalinana tamin'ny fampiasàna ny #Lobbytweet. Fuchs, ilay lehilahy tao ambadik'ilay hetsika #LobbyTwee [8]t:

Fatratra loatra, politisiana voalohany mampiasa ny #LobbyTweet [8] i @marcobuelow sy [9]ireo parlemantera federaly @netnrd [10] @mmarsching [11]  http://t.co/Ke26ZF1w1c [12] #PIRATEN [13] #SPD [14]

Hatreto dia miabo avokoa ireo fenehoankevitra tao amin'ny Twitter. Nibitsika nanonona an'i Fuchs (@wahl_beobachter) i Jona Hölderle :

bitsika mangarahara tsotra izao fotsiny: http://t.co/q4pjQMgP4R [16] Milay #LobbyTweet [8] sisi-kevitra avy amin'i @wahl_beobachter [17]!

Hita ho nientanentana tamin'ilay soso-kevitra #Lobbytweet i Yannick Dillinger :

Hetsika milay! MT @wahl_beobachter [17]: “Niainga voalohany tamin'ilay sary iray avy amin'i  @agnieszka_mdb [19] izy ity. Mangarahara amin'ny resaka fanisihan-kevitra.-> http://t.co/Hnu5Ukaze7 [20] #LobbyTweet [8]

Claus Hesseling (@the_claus), mpanao gazety, dia nahita koa fa mendrika hampahafantarina ilay hevitra :

Tsy manala fatotra an-dry zareo politisiana eo anoloan'ny andraikiny amin'ny fandaniana lalàna hisian'ny mangarahara bebe kokoa ny hetsika #Lobbytweet [3]. Ilay fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa LobbyControl [24] sy ireo fikambanana hafa dia efa ela no nanao tsindry tamin'ireo politisiana mba hametraka rejisitra tsy maintsy fenoin'ny lobby sy handany lalàna iray hisorohana ny kolikoly eo amin'ireo parlemantera. Fa mety ho efa dingana kely mankany amin'ny tsara aloha ny #Lobbytweets.