- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shinoa 38 Tapitrisa Miala Amin'ny Fiantohana Fisotroan-dronono

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna

Manodidina ny 38 tapitrisa ireo Shinoa nampitsahatra ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny fiantohana ny fisotroan-drononony ny taona 2013, izay manome ny 10% mahery amin'ireo mpiasa izay nirotsaka tamin'ity programan'asa fiantohana fisotroan-dronono ity [1]. Mampibaribary olana gavana amin'ny rafitra fisotroan-dronono ao Shina io isa io.

Araka ny vaovao avy amin'ny mediam-panjakana Shinoa, manodidina ny 30 tapitrisa ireo olona niala tamin'ny fiantohana fisotroan-dronono isan-taona nanomboka tamin'ny 2011. Ny antony ao an-damosin'ity fihenana goavana ity dia ny rafitra fiahiana ara-tsosialy.

Araka ny ambaran'ny rafitra fiahiana ara-tsosialy ao Shina, tsy misy na iza na iza afaka mamindra fandrotsahany ny fiantohana fisotroan-drononony hiala aminà faritany na tanàna iray ho aminà iray hafa. Araka izany dia maro ireo mpila ravinahitra no tsy maintsy nanapaka ny fiantohana fisotroan-drononon'izy ireo rehefa miverina mody any aminy.

Ny sasany milaza fa atsahatr'izy ireo ny fandrotsahany fandraisana anjara satria efa nanao ny fandrotsahany nandritra ny 15 taona izy, fetra farany ambany indrindra ahazoana zo hitaky fisotroan-dronono.

Efa nampitaraina foana nandritry ny taona maro ny rafitra fisotroan-dronono tao Shina satria marobe ireo Shinoa no mahita azy io ho tsy rariny sy tsy mandeha amin'ny tokony ho izy. Ohatra, ireo izay miasa amin'ny seha-panjakana dia tsy mandoa fandraisana anjara ao anatin'ny rafitra fisotroan-dronono. Ireo rehetra mpandoa hetra no mandoa ny fisotroan-drononon'izy ireny raha tokony ho izay vola narotsany avy any am-paosiny. Ny vola aloa amin-dry zareo anefa no midangana indrindra mitaha amin'ny an'ny rafitra fisotroan-dronono sosialy.

About 38 million Chinese stopped contributing to their pension insurance in 2013. Picture from Sina Weibo

Manodidina ny 38 tapitrisa ireo Shinoa nampitsahatra ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny fiantohana ny fisotroan-drononony ny taona 2013. Sary: Sina Weibo [2]

Ny fahanteran'ny vahoaka ao Shina koa vao mainka manampy trotraka amin'ilay olana. Araka ny tatitry ny fikarohana iray nataon'ny Akademia Shinoa momba ny Siansa Sosialy, tany amin'ny faran'ny taona 2011 dia maherin'ny 2 lavitrisa RMB [3] ao amin'ny kitapom-bolan'ny fisotroan-drononon'olon-tsotra no nafindra mba handoavana ny an'ireo efa nitsahatra sy nandeha hisotro ronono. Tamin'ity taona ity, marobe no nandà ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanemotra ny taona handehanana misotro ronono [4] izay 60 ho lasa 65 taona mba hanentsenana ilay fahabangana ara-bola.

Niteraka ahiahy mikasika ny rafitra fisotroan-dronono teny anivon'ny vahoaka ilay isa 38 tapitrisa. Nalahelo [5] i “Chen Yuandao”, mpisera ety anaty aterineto:

说老实话我在一开始工作的时候就动过这念头。话说回来,还是对政府的不信任。现在老年人多,年轻人少,物价房价一直涨,贪污腐败就不说了。将来退休还指不定能活多少年,政府到是希望你短命。

Raha tsoriko tsy misy olakolaka, fony nanomboka niasa aho, nanana hevitra (tsy handray anjara amin'ny resaka fisotroan-dronono). Sady izao koa, tsy itokisako ny governemanta. Betsaka ny olona antitra mitàha amin'ny tanora, miakatra be ny vidin-javatra, tsy resahana intsony ny kolikoly. Iza no mahalala hoe firy taona no mbola hananako aorian'ny fitsaharako amin'ny asa, ny hany fanirian'ny governemanta dia ny hahafohy andro anao

Mpisera iray hafa i  “Liu Daniang” mitaky [6][zh] hanovàna ny rafitra fisotroan-dronono :

3800万人退交社保,不是这3800万人的错。而是政府的错。是“延迟退休”一味地掏百姓掏腰包的错,是那么多财政资金没有造福于最广大的人民群众,而造福于少数体制内人错。3800万人退保正好倒逼“社会养老”问题的改革。

38 tapitrisa no nampiato ny fandraisany anjara amin'ny resaka fisotroan-dronono, tsy hadisoan-dry zareo izany fa an'ny governemanta. Andraman'ny governemanta ny hitaky amin'ny olon-sotra ny hamenoana ny banga amin'ny fanemorana ny taona itsaharana amin'ny asa. Tsy mitondra tombontsoa ho an'ny vahoaka mihitsy ny renivolan'ny governemanta, fa ireo vitsy an'isa ao anatin'ny rafitra ihany. Ny zava-misy hoe 38 tapitrisa no nampiato ny fandraisany anjara amin'ny fisotroan-dronono dia hanamora ny fanavaozana ny rafitra fisotroan-dronono sosialy.

Namorona [7] kisary ny “Sina news”  hampitahàny ny fandrotsahana fandraisana anjara amin'ny fisotroan-dronono sy ny fanaovana tahiry any amin'ny banky. Kanefa, ny Profesora Lang Xianping avy amin'ny Anjerimanontolon'i HK  dia mino amin'ny fanindriana fa tsy fomba tsara ny fanaovana tahiry any amin'ny banky. Nampiditra [8] ny rafitra fisotroan-dronono Amerikana izy ao amin'ny bilaoginy :

其实我一直在呼吁,我们的政府要正视老百姓的养老保险问题。我们不要只学到美国的皮毛,而要学习美国的灵魂。美国老百姓把他们一生的储蓄不是存在银行里,而是透过社保税、401K计划,还有个人退休账户三种途径“存进”股票市场里面,投入了多少钱呢?一共 17.9万亿美元,足足是美国2011年GDP的1.19倍。这个钱就是美国老百姓的存款,而且这个存款和股市形成了一个良性互动。养老金存得越多,股市越涨;股市越涨,养老金就越多。让美国人能够老有所终、老有所养。

Raha ny marina dia niantso ny governemantantsika aho mba hiatrika ireo olan'ny fisotroan-dronono. Tsy tokony ho ny ivelany fotsiny ihany no hianarantsika avy amin-dry zareo Amerikana, fa mba hanakatra ny fanahy Amerikana. Tsy mametraka ny tahiry hitsinjovany ny fiainany any amin'ny banky ny Amerikana, fa any anatin'ireo fiahiana ara-ketra sosialy, drafitra 401K, ary kaontin'ny isam-batan'olona ho fitsinjovana ny fisotroan-drononony. “Apetrany” any amin'ny tsenam-bola amin'ny endriny telo ny volany any. Ohatrinona? Mitontaly 17,9 lavitrisa dolara Amerikana, in-1,19 avo heny amin'ny harin-karena faoben'ny Etazonia tamin'ny 2011. Volan'ny vahoaka Amerikana ilay tahiry, ka miasa mifampidimpiditra eo ilay fampiasàm-bola ao amin'ny tsenam-bola sy ilay tahiry. Arakaraky ny vola napetraka ao amin'ilay fisotroan-dronono, mitombo koa ny ao amin'ny tsenam-bola, mitombo araka izay koa ny fisotroan-dronono. Amin'io fomba io dia tena manana fahatsapàna fitoniana tokoa ry zareo Amerikana mikasika ny kitapom-bola ho amin'ny fisotroan-drononony.