Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

23 Desambra 2013

Tantara tamin'ny 23 Desambra 2013

#Lobbytweet, Hisian'ny Mangarahaha Kokoa Ao Amin'ny Politikan'i Alemaina

Maniry hitondra mangarahara kokoa eo amin'ny politika ny hetsika #Lobbytweet. Miaraka amin'ny tenifototra hoe #Lobbytweet, azon'ireo politisiana atao fanta-bahoaka ny fiahonan-dry zareo amin'ireo mpanisi-kevitra.

Tambajotran'i Kaokazy: Momba ny Fiteny

Tsy misy na dia tenin-teratany iray aza ka tsy teny Rosiana mba mahazo vahana any amin'ny sehatry ny famahanam-bilaogy ao Kaokazy Avaratra, eny fa na dia amin'ireo sehatra natokana ho fiadian-kevitra amin'ny raharahan-tokantrano ao amin'ny faritra aza dia atao amin'ny teny Rosiana.

Manameloka Ny Famonjàna An'i Le Quoc Quan,Ilay Vietnamiana Mpitoraka Bilaogy, ireo Manampahaizana Ao Amin'ny Firenena Mikambana

Voasambotra ny volana Desambra 2012 i Le Quoc Quan noho ny fiampangana azy ho nitsoaka hetra -- saingy miahiahy ireo manampahaizana fa "ny tena tanjona" amin'ny fihazonana sy ny fanamelohana azy dia ny mba hampanginana an'i Quan, Quan, izay mpiaro mafana fo ny zon'olombelona.

Shinoa 38 Tapitrisa Miala Amin'ny Fiantohana Fisotroan-dronono

Mampibaribary olana gavana amin'ny rafitra fisotroan-dronono ao Shina ny fihenan'ny isan'ny olona manao fiantohana.