- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antso an-dahatsary: Ny tsy fantatrareo mikasika ireo toerana izay niavianay

Sokajy: Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina

Efa nanao zipo ravin-kazo mihintsy aho na niaina tany anaty hazo ve aho? Nahoana aho no miteny anglisy tsara? Tsy nanontaniana ahy ireo roa voalohany ireo nandritra ireo andro valohandohany nianarako tao amin'ny anjerimanontolon'i Etazonia, saingy indraindray misy olona tsy mihevi-dratsy manontany ahy io fanontaniana fahatelo io. Anisany tamin'izy ireo, mpitondra fiarakaretsaka – teratany Karaiba iray! – tranga iray mampahatsiahy fa tsy misy firenena mahafehy ny fihevitra diso atao amin'ireo hafa fiaviana .

Maro amintsika ato amin'ny Global Voices, mety ho fialam-boly andavanandro ny fanitsiana ireo fihevitra diso momba ny firenentsika na fiaraha-monintsika. Anisan'ny asan'ny Global Voices koa izany, mazava ho azy, ka ho an'ny hetsika famaranana ny taona 2013 dia nangataka ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Global Voices izahay mba hanome anareo ireo antsipirihany marina mikasika ny firenen'izy ireo. Jereo ireo valiny amin'ity lahatsary ity:

Inona avy ireo fiheverana diso mahazatra na ireo fanao tsy dia fantatra loatra mikasika ny kolotsaina na ny firenenareo? Manorata aminay ao anatin'ireo tsikera na amin'ny Twitter mampiasa hashtag #GVNowYouKnow!

Ary raha te-hanohana ny ezakay mba hitantarĂ na feno ireo mitranga manrean-tany ianao, dia afaka manao fanampiana ara-bola [1].

Maherin'ny 800 izahay no miara-miasa amin'ny fitondrana ho anareo ireo tantara izay tsy ho hitanareo samirery. Ny fandraisanareo anjara dia manampy amin'ny fanohanana ireo mpanoratra ato aminay, ny teknolojia, ireo tetikasa fanairana ary fiarovana, ary ireo hetsika eo amin'ny vondrom-piarahamonina misy anay.

Misaotra anareo, ary mirary fialantsasatra soa!

Ireo niseho tato amin'ny lahatsary:

Diana Lungu [2] | Moldavie
Firuzeh Shokooh Valle [3] | Porto Rico
Hisham Almiraat [4] | Maroc
Maria Sidiropoulou [5] | Grèce
Mong Palatino [6] | Philippines
Janine Mendes-Franco [7] | Trinidad et Tobago
Ashish Bohora | India
Jane Ellis [8] | Panama
Nwachukwu Egbunike [9] | Nizeria
Yoo Eun Lee [10] | Korea Atsimo
Ruslan Trad [11] | Bulgarie
Chris Moya [12] | Espana
Solana Larsen [13] | Izao tontolo izao