- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hatsiaka, Orana ary Tondra-drano ao Gaza Amin'ity Ririnina ity

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina

Fianakaviana Palestiniana ao #Gaza [1] novonjena tamin'ny sambo noho ny tondra-drano. Ankoatr'izay: http://t.co/3IlcwTUy40 [2] pic.twitter.com/kzUKdnNil4 [3]

— Yousef Munayyer (@YousefMunayyer) 13 Desambra 2013 [4]

Manodidina ny vahoaka Palestiniana 10 000 avy ao avaratr'i Gaza no nafindra niala ny fonenany taorian'ny efatr'andro nisian'ny orambe mivatravatra. Niha-henjana ny olan'izy ireo noho ny fikatonan'ilay tobina herinaratra tokana nandritra ny 50 andro, noho ny tsy fisian'ny solika tao an-toerana.

Mampiantrano Palestiniana 1.8 tapitrisa i Gaza, izay nisedra 14 ora tsy misy herinaratra isanandro, nandritra ireo herinandro fito farany. Taorian'ny tondra-drano nateraky ny rivodoza Alexa [5] izay nandalo tao amin'ny faritra, nambaran'ny Firenena Mikambana ho “faritra rava” i Gaza ary nandray anjara tamin'ny fividianan-tsolika i Qatar [6] hampandehanana ny tobina herinaratra.

Nilaza i Omar Ghraieb, avy amin'i Gaza, hoe:

#Gaza [1]: Niha-nihena ny olan'ny herinaratra rehefa niaina 50 andro tamina herinaratra zara raha nisy ! Ny fahatapahana herinaratra dia mahatratra 21 ora isan'andro ary indraindray aza mihoatra!— Omar Ghraieb (@Omar_Gaza) 16 Desambra 2013 [7]

Nanampy izy hoe:

Fandaharam-potoana vaovao ho an'ny herinaratra ao #Gaza [1]: 8 ora mandeha dia 8 ora tapaka isanandro! 

— Omar Ghraieb (@Omar_Gaza) 16 Desambra 2013 [8]

Mihoraka ny Vahoaka Palestiniana ao Nour Odeh hoe:

Safotry ny rano maloto ny avaratr'i #Gaza [1] tamin'ny 2007, izao i Gaza manontolo no tondraky ny orana & izao tontolo izao mbola miady hevitra hoe mbola misy #fanjanahana [9] ve! http://t.co/PnIGUQslOk [10]

— Nour Odeh (@nour_odeh) Desambra 15 2013 [11]

Mampiseho ny zava-misy mampihoron-koditra ireo lahatsary amin'ny aterineto.

Ity lahatsary [12] ity, avy amin'i Jehad Saftawi, nozarain'ny Institute for Middle East Understanding [13] (IMEU), dia manomboka amin'ny fakàna an-tsary ny zaza palestiniana iray mandeha an-tongotra amin'ny tany mangatsiaka be (Lahatsary nampiasaina araka ny CC BY):

Mivaky toa izao ny soratra niaraka tamin'ny lahatsary, izay mampiseho ireo fianakaviana anaty fialofana mangatsiaka:

Ireo mponin'i An Nafaq, Tanàna manodidina an'i Gaza, dia mitady fialofana any amin'izay mety hialofana, anisan'izany ny sekoly Abdel Rahman bin Auwf hita amin'ny lahatsary nalaina androany. Ny tranga sasany, tahaka ilay zazakely mangovitra ao amin'ilay efitrano simenitra tsy voafàna, dia mbola mampihoron-koditra kokoa satria tsy izy ireo no iangarana ao Gaza amin'izao, fa ny fitsipika. Tahaka ny ankabeazan'ireo tany manana halavana 25 miles, ravan'ireo tondra-drano izay nampian'ny fanjanahana manempotra ataon'Isiraely ny Nafaq iray. Tsy nihambahamba ny mpitondra tenin'ny Firenena Mikambana, Chris Gunness, rehefa nitaky ny fifaranan'io fanjanahana io izy: “Saingy ny fiaraha-monina niharan'ny fanjanahana lava indrindra tamin'ny tantaran'ny olombelona, ny rafi-pahasalaman'ny vahoaka rava ary efa midangana ny risika mety hisian'ny areti-mifindra, dia tsy maintsy hafahana amin'ireo figiazan'olombelona ireo”.

Ity lahatsary faharoa ity, izay nalain'i Saftawi ho an'ny IMEU ihany koa, mampiseho ireo faritra tondraka any amin'ny tany mihidy any Palestine, ary mampiseho ny sasantsasany amin'ireo mponina ao Gaza miaina anaty fahoriana ao amin'izao zava-misy miha-henjana izao: