Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

22 Desambra 2013

Tantara tamin'ny 22 Desambra 2013

Hatsiaka, Orana ary Tondra-drano ao Gaza Amin'ity Ririnina ity

Manodidina ny 10 000 eo ho eo ireo vahoaka Palestiniana any amin'ny faritra avaratr'i Gaza no nafindra monina hiala ireo fonenany taorian'ny efatra andro niavian'ny oram-batravatra.

Antso an-dahatsary: Ny tsy fantatrareo mikasika ireo toerana izay niavianay

Ho an'ny hetsika famaranana ny taona 2013 dia nangataka ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Global Voices izahay mba hanome anareo ireo antsipirihany marina mikasika ny firenen'izy ireo.

“Tour Builder”, tolotra hafa an'ny Google tsy azo ampiasaina any Kiobà

Manamafy i Google fa ny fanapahankeviny dia mifototra amin'ny fandraràna ara-toekarena ataon'i Etazonia amin'i Kiobà.

‘Tsy Ao Tsara Isika !’ Afisy Mivezivezy Any Amin'ny Anjerimanontolo Koreana Tatsimo

Afisy sora-tànan'ny mpianatra iray ary nahantony teo amin'ny fàfana fametrahan'ny anjerimanontolony hafatra, nentiny nanehoana ny fiasàny loha mikasika ireo olana ara-tsosialy no niparitaka be tao Korea Atsimo ary nitondra aingam-panahy ho an'ireo hafa mba hanao toy izany koa.

SARIPIKA: Fanoherana Ny Fanodikodinana Ny Hevi-Bahoaka Tamin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena Koreana Tatsimo Natao Tao New York, Paris, London

Nanatontosa fiaretan-tory tao New York, Paris, London ary Berlin ny Koreana Tatsimo monina ampitan-dranomasina nandritra ny faran'ity herinandro ity, nanameloka ny fanodikodinana ny hevi-bahoaka nataon'ny sampan-draharaham-panjakana Koreana Tatsimo nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany.