- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodana Atsimo No Foko Niaviako Ka Misafidy Ny Fandriampahalemana Aho

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna Atsimo, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika

Taorian'ireo krizy [1] izay nandentika ity firenena vaovao be eto an-tany ity, Sodana Atsimo, namorona ny tenifototra #MyTribeIsSouthSudan [2] sy #iChoosePeace [3] ireo Sodane Tatsimo sy ny sakaizan'ny vahoaka Sodane Tatsimo mba hiantsoana fandriampahalemana sy firaisam-pirenena ao an-toerana.

Lasa nahaleotena i Sodana Atsimo tamin'ny 19 Jolay 2011, taorian'ny fitsapankevi-bahoaka izay natao mba hamaritana raha tokony hanambara ny fahaleovantenana manoloana an'i Sodana i Sodana Atsimo.

A South Sudanese girl at independence festivities [4]

Ankizivavy Sodane Tatsimo tao amin'ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena. Sary hoan'ny daholobe – an'i Jonathan Morgenstein/USAID tao amin'ny flickr

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo hafatra tao amin'ny Twitter ho fanohanana ny fandriampahalemana sy firaisam-pirenena :

Tsy politisiana aho, tsy anatin'ny tafika, tsy miasa ho an'ny governemanta. Fa fotsiny #iChoosePeace [3] (misafidynyfandriampahalenana aho) ho an'ny tanindrazako #SouthSudan [5]

— إيڤا (@Evalopa) 20 Desambra 2013 [6]

Mivavaka mba hifarànan'ny hadalàna…hifarànan'ny foto-pisainana tia mizarazara #africa [7] mijoro miaraka amin'i sodane tatsimo #MTISS [8] #MyTribeIsSouthSudan [2]

— #♥♥♥♥|■| (@Gracetandeamara) 20 Desambra 2013 [9]

@zelalemkibret [10] @TameZKafir [11] ny hoe #MyTribeIsSouthSudan [2] tsy midika akory fa tsy manana endrika na Foko niaviana izahay, midika fotsiny izao io fa tokana / miray hina izahay, Sodane Tatsimo

— إيڤا (@Evalopa) 20 Desambra 2013 [12]

Manan-danja lavitra noho ny fitiavana ny tena manokana, ny hambo diso toerana ary ny politika ny fireneko & ny vahoakany & ny fitonian'izy ireo. #MyTribeIsSouthSudan [2] #Ichoosepeace [13]

— Aguil Lual Blunt (@AguilB) 20 Desambra 2013 [14]

#MyTribeIsSouthSudan [2] io no tokony ho hafatra. Atsaharo ny mifanandrina amin'ny rahalahinao noho ny tombontsoa politikan'olon-kafa

— It's Theö™ (@theoScouse) 20 Desambra 2013 [15]

South Sudan's Vice-President Riek Machar is seated in his office, June 30, 2012 [16]

Filoha lefitra teo aloha tao Sodana Atsimo i Riek Machar, voampanga ho mikotrika fanonganam-panjakana. Sary ho an'ny daholobe – Voice of America.

Laviko ny hihazakazaka indray, amin'ny fitenenana hoe TSIA amin'ny ady iray hafa indray #Ichoosepeace [13] #MyTribeIsSouthSudan [2] pic.twitter.com/RLJBB3KihN [17]

— إيڤا (@Evalopa) 20 Desambra 2013 [18]

Tokony hotsaroantsika lalandava fa ny governemanta dia miasa ho antsika, fa tsy ny mifanohitra amin'izay no izy. Mitolòma ho amin'ny fandriampahalemana #MyTribeIsSouthSudan [2]

— Atima (@missalier) 20 Desambra 2013 [19]

taorian'ireo taona maro nifamelezana, nahoana isika no tsy maintsy mbola hanohy izany ihany ? #iChoosePeace [3] #MyTribeIsSouthSudan [2] http://t.co/JN4mvOVaRc [20]

— amanie illfated (@AmanieIllfated)  20 Desambra 2013 [21]

Ny ady no nampizarazara ilay Sodana-ko, tsy ilainay hisy aty amin'ny Atsimo izany amin'izao fotoana izao. Izaho manohana ny #MyTribeIsSouthSudan [2] #ichoosePeace [22]

— M.Hamror (@MHamror) 20 Desambra 2013 [23]

Eo amin'ny foko 64 eo no miantso an'i #SouthSudan [5] ho tanindrazany / tranony. #MyTribeIsSouthSudan [2] sy #iChoosePeace [3] #Juba [24] #SouthSudan [5]

— CHRIS KWOJI (@KWOJI) 21 Desambra 2013 [25]