Fifidianana Madagasikara: Sambany Aho Tsy Naharaka #mdg2013

“Mpamosavy mandalo fasam-poana ka tsy avelan'ny zava-panao” – Tsy zoviana amin'ireo namana sy tapaka io ohabolana io raha vao izaho sy ny fakantsary no mandalo tranga, na seho iray mbola azoko narahana.

Sambany tamin'ny fiainako aho no tsy afa-nihetsika nivoaka ny trano mba hanaraka akaiky raharaham-pirenena, toy ity fihodinana faharoa amin'ny hifidianana filoham-pirenena ity, no sady hifidianana izay ho solombavambahoaka. Resaka fahasalamana no antony, saingy kosa niezaka ny nanaraka ireo fanehoan-kevitra sy hadrohadro isan-karazany nivoaka tety anaty tambajotra sosialy ihany. Toy ny Facebook sy Twitter, ohatra. Teo ihany koa ny fandefasana mivantana nataon'ny #tvm Fahitalavi-panjakana Malagasy.

Ireto ary ny sombiny vitsivitsy tamin'izy ireny:

* Biraom-pifidianana LTC alarobia nisokatra tamin'ny 4h30 , mpifidy nilahatra nanomboka tamin'ny 5h 30. Mme Berthine no mpifidy voalohany nandatsabato tao. Faniriany ny hilaminan'ny fifidianana. Tonga teny i ramatoa Attalah Beatrice tamin'ny 6 ora nijery ny zava-misy.

* Amborompotsy, distrika Ambohidratrimo : tamin'ny 6 ora no efa nisy ny filaharana lavabe noho ny tahotra orana. efa nasian'ny mpikarakara pejy ny tao ambadiky ny kara-pifidianana ary tena nanamora ny fampandehanan-draharaha izany

* CEG Ankadikely: tamin'ny 4 ora 30 no nanomboka nilahatra ny mpifidy ary efa 40 mahery ny olona tonga nilahatra tamin'ny 5 ora 30 maraina

* Ambohimiandra: taraiky ny fahatongavan'ny badge ho an'ireo solontena mpanaramaso ka taraiky vao navela niditra birao ry zareo

* Matriatra Ambony: Fianarantsoa, nisy namaky ny biraom-pifidianana iray tany an-toerana.

*Ambodimita: eny ambavahady dia efa voalamina ny fandehan'ny raharaha rehetra, mba tsy hahataraiky sy hanahirana ny olona tonga hifidy.

* EASTA Ambatobe : nisy olana teny noho ny resaka badge tsy nisy sary sy ny fihoaram-pefy nataon'ireo SADC mpanaramaso. Tsy nionona tamin'ny fijerena ny zava-misy ilay ramose vahiny, fa dia nirotsaka mihitsy nampiaka-peo sy nandray an-tànana ny fakàna/fanakànana lehilahy iray tsy handray ny andraikiny tao amin'io birao tao Ambatobe io. Voarakitry ny #tvm an-tsary mihitsy moa izany tranga izany.

* 67ha : nisy olona tonga hifidy nefa gaga sy tezitra satria efa nisy nanao sonia ny tandrifin'ny anarany. Hatao ny fanadihadiana hoy ny lehiben'ny birao, ary navela nifidy ihany ranamana.

 

Ndeha hiverenantsika ireo fanehoan-kevitra tany anaty FBsy Twitter. Tsy hasiantsika fanazavana fa dia zaraina araka izay nanoratan'ny tompony azy.

 

A la Une: le bout du tunnel à Madagascar? – RFI http://bit.ly/1joRpmx

Lohateny lehibe: fivoahan'i Madagasikara anaty tonelina ve ?

Jour J pour #Madagascar ! J'espère que le peuple malgache fera le bon choix! Bon vote mes chers compatriotes…

Andro lehibe ho an'i #Madagascar ! Manantena aho fa ho tsara fisafidy ny vahoaka Malagasy! Mifidiana tsara daholo ry mpiray tanindrazana amiko

Mission du matin : retrouver où j'ai rangé ma carte électorale… #mdg2013

Asako vao maraina : mikaroka izay nametrahako ny kara-pifidianana

Après une heure et demi d'attente, a voté! Sacré #Analamahitsy #mdg2013 pic.twitter.com/kxv83Adk6Q

Nifidy ihany taorian'ny fiandrasana ora iray sy sasany!

#Antananarivo, voters lining up since 06AM to cast votes for 2nd round of presidential& parliament elections pic.twitter.com/yxBbIEmsUZ

Mpifidy mitandahatra efa hatamin'ny 6 ora maraina mba handatsaka ny vatony amin'izao fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoal& solombavambahoaka izao

#mdg2013 MADAGASCAR: Les Malgaches votent dans le calme pour élire leur futur président

MADAGASIKARA: Mifidy anaty filaminana izay ho filohany amin'ny hoavy ireo Malagasy

“A cet instant, heureusement pas de problème à signaler dans les bureaux de vote que la #MOEUE a observés” #mdg2013pic.twitter.com/55uBPbV4iV

Hatreto, mahafaly fa tsy misy olana voamarika tany anatin'ireo biraom-pifidianana izay narahan'ny #MOEUE maso” #mdg2013

Na ireo mahalàla an'i Madagasikara, na ireo zanany any am-pielezana, dia samy nahatsiaro avokoa ity andro androany ity, ary samy nanaraka izany araka ny fombany avy:

Exclusivité. Election du 20 déc. Madagascar 2013 : géopolitique de la crise. C. FOURNET-GUERIN (HDR) http://ow.ly/rUlco

Manokana. Fifidianana 20 des. Madagasikara 2013 : toerana ara-politikan'ny krizy

 

Zo_Randrianjafy 5:43pm via Tweet Button

#mgd2013 : neutral international media coverage has been well done especially by anglosaxon medias youtu.be/RQO9Zx5dkD8 via @YouTube

vitan'ireo media anglosaxon tsara ny manao fandrakofam-baovao iraisampirenena tsy mitanila

Pensée très forte pour mes amis malgaches qui élisent aujourd'hui leur Président : tourner la page de la crise et espoir renouveau #mdg2013

Any amin'ireo namako Malagasy rehetra mifidy izay ho filohany ny eritreritro : hamadika ny pejin'ny krizy sy ny fanantenana vaovao

Toutes mes pensées vont à mes compatriotes qui jouent aujourd'hui et une fois encore le destin de notre pays. Faites le bon choix #mdg2013

Mankany amin'ireo mpiray tanindrazana amiko ny saiko manontolo, eo an-tànan-dry zareo indray ny hoavin'ny firenenay. Mahaiza misafidy

 Fa tsy ilaozan'olana ny fikarakarana fifidianana hatrizay, ka hatramin'izao:

Kasahy Mahitsy@KasahyMahitsy 5 h

O_o RT“@orasamim: #Beriziky:'les bulletins présidentiels ne sont pas arrivés a Tuléar. CENIT prend les dispositions nécessaires’ #mdg2013

‘Tsy tonga tany Toaliary ny vatom-pifidianana. Efa mandray ny andraikitra sahaza azy ny CENIT

@Lemurland nisy tsy nanao sonia ny lisitry ny prezidà; Misy nitondra tshirt… La gaffe totale quoi.

 Isan'ireo fanehoan-kevitra ihany koa ny tsy fahafahan'ireo zanaka am-pielezana mifidy:

Fabiola Mikaly@fabiolamikaly 2 h

Il faudrait “revoir” le code électoral malgache un peu, non ? Vote diaspora non permis… #mdg2013 J'dis ça, j'dis rien !

Tokony “averina jerena” ny lalàm-pifidianana Malagasy, sa tsy izany ? Tsy afaka mifidy ireo any am-pielezana… #mdg2013 izay no lazaiko, tsy niteny na inona na inona aho an!

 Ireo MAHATSIKAIKY

Alisoa Rasoanaivo

Atallah sur KOLO:
Ikalamavony: nisy fanafihan-dahalo alina dia lasa nanara-dia daholo ny vatan-dehilahy, tsy mbola mivoha ny BVfa tokony nampidirina anaty fanentanaba koa ny dahalo mba tsy hanafika aloha
 

@bmuluu: Presidential elections in Madagascar? Isn't King Julien the island's supremo?” @lisettekjerolyn

@bmuluu: Fifidianana Filoham-Pirenena ao Madagasikara?  Tsy i King Julien ve no mpitondra ambony ao amin'io nosy io?” @lisettekjerolyn

#Toliara se résumerait presque à: “Zahay nga tsy ampy an-dra Vitamine sady mila protéine ka ho tambatambazinao margarine” #mdg2013

Lemurland 6:12pm via Twitter for iPad

Même si la vente d'alcool est prohibée aujourd'hui, #Robinson sera bourré car va fêter le #vendredijeanlouis #mdg2013 #Madagasikara

Na noraràna aza ny varotra toaka androany, ho dizina ihany i #Robinson hankalaza ny  #vendredijeanlouis #mdg2013 #Madagasikara

Lemurland 6:10pm via Twitter for iPad

#vendredijeanlouis Efa mendy tsara ny foza orana atao tsaky, fa tsisy toaka anefa #merde #pasprévoyant #mdg2013

“Je vote Robinson car Madagascar a les capacités de produire du beurre, alors qu'en ce moment je mange du beurre venant de Maurice” #mdg2013

“Nifidy Robinson aho satria Madagasikara afaka mamokatra dibera, nefa amin'izao fotoana izao dibera avy any Maorisy no haniko” #mdg2013

Le futur couple presidentiel… peut-etre?? avec lalao @drrobinsonjl #mdg2013 #Coliseum http://instagram.com/p/iD7uMrjCw1/

Ny mpivady vao hitondra firenena … angamba?? miaraka amin'i lalao @drrobinsonjl #Coliseum http://instagram.com/p/iD7uMrjCw1/

Izaho mivarotra ody vavony ho an'izay stressé manaraka valimpifidianana ô. Paiement à l'avance azafady #mdg2013

@KABOTABE @kizitina @ludomada9 possible que @DrRobinsonJL au 1er tour grace a #ravalomanana et perdu le 2nd a cause de ra8 #MDG2013

@KABOTABE @kizitina @ludomada9 mety hoe tamin'ny fihodinana 1 i @DrRobinsonJL noho ny nataon-d #ravalomanana ary resy tamin'ny fihodinana faha-2 noho ny nataon-dra8 #MDG2013

 

FAHAVITRIHANA

Tsy sakana ho an'ny hafa anefa ny orana nilatsaka:

ANTSIRABE : à Antsirabe I, la pluie ne fait pas reculer les électeurs, des files d'attente se forment toujours… http://fb.me/14GbdrzmJ

ANTSIRABE : Tao Antsirabe I, tsy nanakana ny mpifidy ny orana, mbola mitombo hatrany ny filaharana

 Tombana vonjimaika avy any amin'ny faritra:

Je sais pas dans les autres bureaux de vote, mais pour #Betania, on dirait que la coalition Robinson-Vital n'a pas marché #Toliara

Tsy haiko ny any amin'ny biraom-pifidianana hafa, fa ho an'i #Betania, toa tsy nandaitra ny fiarahan'i Robinson-Vital

Lemurland 6:32pm via Twitter for iPad

Rt “@vezo1: Visiblement, Vital n'a pas du tout été écouté … #HR tend à écraser #JLR dans ce BV de Toliara #mdg2013
VendrediVaovao

Apparement #VendrediJeanLouis sur #ANTANANARIVO mais #VendrediVaovao dans les autres provinces ? #mdg2013

Raha ny fahitàna azy, tsy nisy nihaino mihitsy i Vital … #HR mirona mankany amin'ny fandrotehana an'i #JLR ao amin'io biraom-pifidianana ao Toliara io #mdg2013
VendrediVaovao.. Tahaka ny hoe #VendrediJeanLouis eto #ANTANANARIVO fa #VendrediVaovao any amin'ny faritany hafa ve? #mdg2013

 
 Fiatrehana fanisàna vato:
 

rianasoa: Hop! Lasa izao, fanisàm-bato

Alisoa Rasoanaivo

mivantana @tv . EPP 67ha,,
be dia be ny olona milahatra hifidy fa ts mety ny mambra BV fa tapitra 17h ny baiko sady lany ny bulletin.,mivantana @zao.,efa hiroso @fanisam-bato

 Tsy sasatra koa anefa ireo mpikatroka mafàna fo fa manentana hatrany ny rehetra mba ho mailo sy handray andraikitra:

Alisoa Rasoanaivo

tsy ny fandatsaham-bato ihany, fa adidy koa ny manisa vato!
manara-maso, mandray note, mampita, maka sary, video mitsy aza sao oe photoshopé eo

 

Nanomboka ny fanisàna vatom-pifidianana

“HERY, HERY, HERY, HERY,…” Au bureau de vote de #Betania , ou je suis, Hery a 3/4 des voix pour l'instant #mdg2013 #toliara

“HERY, HERY, HERY, HERY,…” Aty amin'ny biraom-pifidianana #Betania , misy ahy, Hery no nahazo ny 3/4 amin'ny vato hatreto #mdg2013 #toliara

 

@Lemurland Hehe, tout n'est pas encore joué. Patienter car le SYSTEME est en marche. krkrkr

@Lemurland Hehe, tsy mbola vita ny lalao an. Mahandrasa kely satria mbola miasa ny RAFITRA.

 Nisy hosoka ve?

#Madagascar : des accusations de fraudes non confirmées à la mi-journée http://jafri.co/192fYz2

#Madagascar : misy fiampangàna fisianà hosoka saingy tsy mbola voamarina tamin'ny mitatao vovonana

 Fijery hafa:

Les votes c'est comme les putes, avec l'argent qu'ils faut, ils font ce que tu veux ! #mdg2013

Toy ny mpivarotena ny fifidianana, rehefa mahaloa ny vola mifanaraka amin'izay ilaina, dia ataon-dry zareo izay tianao hataony!

Fa rehefa miresaka fanisàna vato moa dia matetika ampiasaina ny teny hoe ‘dépouillement’. ‘Halatra’ no fonosin'io teny io hoy i :

Ils veulent dépouiller les votes. “Dépouiller”, synonyme de “voler”. #mdg2013

Haboridan-dry zareo hono ny vato. “Manaboridana”, midihka hoe “mangalatra”

Fa ilay Soisa vavy, mpitia sy mpandàla fatratra an'i Madagasikara sy ny mponina aman-karena ananany kosa dia nilaza hoe:

Martina Lippuner

Just been to a “bureau de vote” and happy to see many people vote despite the general political fatigue. My modest contribution for today's big day is a portrait of Jaofaralahy, a Mikea who keeps Ravalomanana very close to his heart without knowing who he is.

Have a good and calm election day Madagascar! I hope things get better from now on!

https://darkgreenlight.wordpress.com/2013/12/20/jaofaralahy-and-marc-ravalomanana-or-how-propaganda-t-shirts-are-just-a-t-shirt-to-the-people-of-the-forest/

mba tany aminà “biraom-pifidianana” iray aho ary faly nahita olona marobe na teo aza ny hoe mankaleo ny politika ankapobeny. Ny fandraisako anjara kely amin'ity andro iray lehibe ity dia ny fanolorako an'i Jaofaralahy, Mikea iray izay mitrotro eny an-tratarny ny sarin'i Ravalomanana na dia tsy mahalàlala azy akory aza izy.

Mirary fifidianana tsara sy milamina ho an'i Madagasikara. Antenaiko fa handeha tsara daholo ny zavatra rehetra manomboka eto!

 AHIAHY

Antsirabe : coupure de courant
20/12/2013 L’electricite a ete coupee depuis hier soir sur antsirabe jusqu’a maintenant. Prélude à des malversations en tout genre ? http://www.tananews.com/asides/antsirabe-coupure-de-courant/

Antsirabe : fahatapahan'ny herinaratra 20/12/2013 Tapaka ny herinaratra efa hatry ny omaly ary tsy mbola miverina hatramin'izao. Fialohavanà zavatra malotloto isan-karazany ve?

 FANEKENA VOKA-PIFIDIANANA

Alisoa Rasoanaivo a partagé sa photo.

Izaho RASOANAIVO Alisoa, sady tsy pro JLR no tsy pro HERY, no sady tsy afaka nifidy, dia manaiky fa izay lanin'ny maro an'isa eo dia Filohan'i Madagasikara sy ny Malagasy rehetra.,
N’ inona n'inona firehana sy tsy fitovian-kevitra dia tokony manaiky.
Zay tsy faly @voka pifidianana d aoka hiandry 5taona fa mba tsy hisy intsony fanonganam-panjakana.,zaho manokana dia hiarahaba zay lany eo sy ny mpomba azy.
 

Jean Louis Robinson : “J’accepterai le résultat de cette élection” (Audio) #MDG2013 http://www.orange.mg/actualite/jaccepterai-resultat-cette-election-audio …

Jean Louis Robinson : “Hanaiki izay valin'ity fifidianana ity aho” (feo) #MDG2013 http://www.orange.mg/actualite/jaccepterai-resultat-cette-election-audio

NY FANIRIAN'NY REHETRA

#Malagasys hope presidential polls will end 5 year crisis. @guyhendersonsa reports http://ow.ly/rX4BN  #mdg2013 #mdg2013live

Manantena ireo #Malagasys fa hamarana ny krizy efa nandritry ny 5 taona ny fifidianana filoham-pirenena. Mitatitra i  @guyhendersonsa http://ow.ly/rX4BN

Fa hoy i Attalah Beactrice hoe ny CENIT irery ihany no mamoaka ny vokatra vonjimaika, CSE no manome ny vokatra raikitra. Sarimihetsika efa nandeha nentina nanampenam-bava ny olom-pirenena

Toy ny voalazan'i Alisoa Rasoanaivo, dia manaiky izay valim-pifidianana eo ny tena satria tsy mba nandeha nifidy toy ny rehetra tamin'ity fiodinana faharoa ity

 Rohy tsara arahana avy amin'i Lova Rakotomalala: SuiviElections2013Mdg

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.