- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Saripika 7 Rakitry Ny Ela Mahavariana Tamin'ny Taonjato Faha-19 Tao Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Tamin'ity herinandro ity, nandefa [1] andian-tsaripika nosasàna tànana ary nampiasàna ny ‘albumine’ tany amin'ny taonjato faha-19 tao Japana ny Public Domain Review (PDR). Ny Albumine dia fomba fikarakaràna nampiasàna ny tapotsin'atody mba hitazonana ireo akora simikan'ny fakantsary hiraikitra amin'ny taratasy.

Ireo sary, nakarin'ny Dutch National Archieff, dia manome topimaso amin'ny fiainana tao Japana 150 taona lasa izay. Jereo ary :

Samurai with bow and arrow, helmets, swords, spears and coats of mail.

Samurai miaraka aminà zanatsipika, aroloha, sabatra, lefona ary akanjo vy voarandrana. Sary ho an'ny daholobe

the photo of Japanese women styling hair, taken around 1880. Public Domain

Vehivavy Japone telo mikolo volo, nalaina tany amin'ny manodidina ny 1880. Sary ho an'ny daholobe.

Fishermen on a boat. Japan, around 1870-1890.

Mpanjono ambony lakana. Japana tany amin'ny 1870-1890 any ho any. Sary ho an'ny daholobe.

Two women sleeping under a padded coat / blanket in a room with painted screen, scrolled painting and paper lantern. The cushion is a small wooden box

Vehivavy roa matory ambany lamba fitafy nohatevenina ho kidoro / bodofotsy ao anaty efitrano iray mitemitra sary, sy arendrina taratasy. Vatahazo kely no ondana. Sary ho an'ny daholobe.

Messenger or postman delivering the mail clasped in the end of a split bamboo pole. Japan, around 1868-1895

Mpampita hafatra na mpiasan'ny paositra nizara taratasy noterena tery an-tendron'ny volobe nosimàhana. Japana tany amin'ny 1868-1895 tany ho any. Sary ho an'ny daholobe

Garden view from the open porch of a Japanese tearoom

Zaridaina jerena avy eny an-davarangan'ny trano iray fisotroana dite Japone . Sary ho an'ny daholobe

Mendicant with staff, begging bowl and pointed hat.

Mpangataka miaraka amin”ny forongony, kapoaka fitondra mangataka ary satroka marani-doha. Sary ho an'ny daholobe

Jereo ny maro amin'ireo andian-tsaripika 42 [2] nosasàna tànana sy nampiasàna albumine avy amin'ny Spaarnestad Photo an'i Felice Beato, Kusakabe Kimbei na Raimund baron von Stillfried.