- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nirotsaka Ny Oram-Panala Tao Ejipta Fa Hosoka Kosa Ny Sarin'ny Sphinx Feno Ranomandry

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Nalaza haingana ity sarin'ny Sphinx tao Giza, Kairo, ity, raha nandalo ny tafiotran-dranomandry lehibe indrindra tao Ejipta tao anatin'ny 100 taona mahery izay. Saingy misy ny olana amin'ity iray ity na izany aza – tsy nopihana tao Ejipta io.

Ity badabada (tweet) eto ambany ity, ohatra, dia efa saiky voampita in-7000 ary nisy nankafy nihoatra ny in-4.000:

Ity no ranomandry voalohany teto Ejipta tao anatin'ny 100 mihoatra mandrakotra ny Sphinx. Eritrereto izao: tahaka ity ny sary VOALOHANY hatramin'izay!

Ilay Ejiptiana Mona Eltahawy no nanaparitaka ny tsaramaso:

Ny sary Sphinx anaty ranomandry ry zareo dia tsy avy eto Ejipta. Avy amin'ny saha iray any Japana io.

Nanaiky [6] i Mother Jones fa sandoka tokoa ilay sary.

Ny tsy fahombiazan'ny sary sandoky ny Sphinx no niteraka ahiahy tao amin'ny tontolon'ny Twitter amin'ny sarin'ny ranomandry avy any Ejipta.

Tsy maintsy nandalo sedra ity sary avy amin'i Planet Earth photograph ity:

Sambany tao anatin'ny 112 taona, nirotsaka nanerana an'i Ejipta ny ranomandry

Tsia, tsy nisy. Hosoka.

Mbola ao Ejipta ihany, mpanao gazety avy any Etazonia Nicholas Kristof mailo amin'ity rameva ejipsiana ity:

Rameva mampalahelo @nycjim: Mahagaga: Sambany nandrakotra an'i Ejipta ny ranomandry tao anatin'ny zato taona.

Tsy mbola misy ny fitenenana raha tena nisy na tsia ny rameva – na raha nopihana tao Ejipta ny sary na tsia.