- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Iza No Mifehy Ny Aterineto?

Sokajy: Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava
Cloud cartoon from Fundacion Karisma video. [1]

Sariitatra “Rahona” avy amin'ny Fundacion Karisma (CC BY-SA)

Nivoaka tao amin'ny RedPaTodos [2] ny dika niandohan'ity lahatsoratra ity, tamin'ny teny Espaniola.

Fantantsika rehetra ny mahazava-dehibe ny Aterineto, saingy tsy dia fantantsika loatra ny fomba fifehezana azy, izay zavatra fototra amin'ny fiarovana azy. Ny dikan'ny filaza hoe “fitantanana ny Aterineto” dia mifototra manokana amin'ny fampivoarana sy fampiharana ireo fotokevitra, ireo lamina, politika, zotra, ary fandaharanasa izay nandray anjara tanatin'ny fivoaran'ny Aterineto sy ny fomba fampiasana azy. Ho fampianarana misimisy kokoa ireo mpampiasa mikasika ny Fitantanana ny Aterineto, ny Fikambanana Tsy Miankina Kolombiana iray atao hoe Fundación Karisma [3], miaraka amin'ny fanohanana ara-bolan'ny Mozilla, dia namorona ity lahatsary ity [4]. Nandika ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy ireo mpirotsaka antsitrapo avy ao amin'ny Fundación Karisma sy ny Global Voices.

Fanamarihana: Raha tahaka ny tsy mipoitra ho azy ireo dikanteny Anglisy, potsiro eo amin'ny sasa-joro misy ny fiteny eo amin'ny faritra ambany ankavian'ny fàfan'ny lahatsary ary safidio ny “Anglisy”.

Lahatsoratra nadikan'i Ellery Biddle.