- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Teknolojia Ho An'ny Fanamafisana Ny Fandriampahalemana: Rakitra Anaty Aterineto

Sokajy: Fitaovana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Mikendry ny hampahafantatra ireo fihaonana eo amin'ny ‘ fanamafisana ny fandriampahalemana sy ireo teknolojia vaovao eran-tany ny Build Peace Database [1], amin'ny fifantohana amin'ny fifandraisana, ny tambajotra sosialy ary ireo teknolojian'ny  lalao.

Voatsinjara aminà fomba roa ny fampahafantarana: miaraka amina sarintany [2]misy ny lisitr'ireo fikambanana sy tetikasa, ary koa anaty tabilao midadasika be [3] misy fomba  fikarohana afaka manivana ny fampahafantarana.

Ireo tetikasa ireo dia voasokajy araka ny faritra isian'ny fandaharana fanamafisana ny fandriampahalemana izy ireo, ary ny fomba fampiasàny ny teknolojia anatin'ny asany. Tafiditra ao anatin'ireo sokajy ireo, ohatra ny [4]:

Ahitana ireto manaraka ireto ireo tetikasa vitsivitsy voatanisa:

PeaceTXT [5], tetikasa fanentanam-bahoaka any Kenya amin'ny SMS mba hanovana ny fitondrantena, fitambarana SMS fisorohana fifandirana izay nalefa tany amin'ireo lisitra midadasiky ny mpisoratra anarana, indrindra manodidina ireo fotoana heverina ho henjana.  

Crack in the Wall [6], sehatra fiadian-kevitra sy firotsahana an-tsehatra eo amin'ireo Palestiniana sy Israeliana mampiasa ny media sosialy. Amin'ny fidirana ao amin'ny Facebook-ny ”in the Wall” , afaka mifandray amin'ny alalan'ny sehatra fifanakalozan-kevitra, izay hisy dikanteny Hebreo sy Arabo, ireo mpampiasa aterineto.

Connect Program, [7] mampifandray ireo mpianatra avy aminà firenena 27 eran-tany amin'ny alalan'ny fampiasana rindrambaiko fihaonana an-tsary, izay mamela azy ireo hifandray amin'ny alalanà rindrambaiko fiadian-kevitra tsotra manomboka amin'ny firesahana ny fiainana andavanandro ary mizotra mankany amin'ireo fotokevitra mampiady hevitra kokoa.

Raha ohatra ka maniry ny handrotsaka tetikasa ianao, mampiasà ny fisoratana anarana ao amin'ny vohikalan'izy ireo [8] . Raha mila hevitra hafa momba ny momba teôrian'ny teknolojia fanamafisana ny fandriampahalemana, jereo ity tatitra [9] nalefan'ny fikambanana Swiss Peace Foundation ity.

Naverina navoaka teo ambany ny fanomezan-dàlana CC BY-SA 3.0 ny sary famantarana avy ao amin'ny vohikalan'ny Build Peace Database.