- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Okraina: Ho Fanoherana Ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana, Nanakana Tranonkalan'ny Governemanta Ireo Mpijirika

Sokajy: Okraina, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Nisy andiam-panafihana anaty aterineto tao anatin'ireo vohikalan'ny governemanta Okrainiana taorian'ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana tamin-kerisetra ireo hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'ireo mpanohitra ny [1]Euromaidan [1] tany Kiev, ho fanohanana ny fitsofohan'i Okraina ao anaty vondrona Eoropeana ny 30 Novambra teo. Ny 1 Desambra, maro tamin'ireo vohikalan'ny governemantan'i Okraina no voajirika sy voasakana [2] [uk], isan'izany ny vohikalan'ny Filohan'i Okraina [3], Ny Minisitry ny Atitanin'i Okraina [4] ary ny Vavahady Ofisialy Fidirana ao amin'ny seraseran'ny Governemanta [5]. Vao tamin'ny 10 ora maraina CET, ny 1 Desambra, dia mbola maty ireo vohikalan'ny Minisitry ny Atitany, raha toa ka efa nisokatra indray ny vavahadin-tseraseran'ny Governemanta.

Araka ny tatitry [6] ny Global Voices, tsy voalohany izao no naneho ny tsy hafaliany amin'ny governemanta Okrainiana tamin'ny alalan'ny fanidiana ireo vohikalany na ny famoahana antsokosoko ny mombamomba ny governemanta ireo vahoaka Okrainiana mahafehy ny momba ny teknolojia.