Okraina: Ho Fanoherana Ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana, Nanakana Tranonkalan'ny Governemanta Ireo Mpijirika

Nisy andiam-panafihana anaty aterineto tao anatin'ireo vohikalan'ny governemanta Okrainiana taorian'ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana tamin-kerisetra ireo hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'ireo mpanohitra ny Euromaidan tany Kiev, ho fanohanana ny fitsofohan'i Okraina ao anaty vondrona Eoropeana ny 30 Novambra teo. Ny 1 Desambra, maro tamin'ireo vohikalan'ny governemantan'i Okraina no voajirika sy voasakana [uk], isan'izany ny vohikalan'ny Filohan'i Okraina, Ny Minisitry ny Atitanin'i Okraina ary ny Vavahady Ofisialy Fidirana ao amin'ny seraseran'ny Governemanta. Vao tamin'ny 10 ora maraina CET, ny 1 Desambra, dia mbola maty ireo vohikalan'ny Minisitry ny Atitany, raha toa ka efa nisokatra indray ny vavahadin-tseraseran'ny Governemanta.

Araka ny tatitry ny Global Voices, tsy voalohany izao no naneho ny tsy hafaliany amin'ny governemanta Okrainiana tamin'ny alalan'ny fanidiana ireo vohikalany na ny famoahana antsokosoko ny mombamomba ny governemanta ireo vahoaka Okrainiana mahafehy ny momba ny teknolojia.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.