Na fotoana inona na fotoana inona ao Espaina, olona an'arivorivony no miserasera amin'ny aterineto. Saingy mihamaro hatrany ireo Espaniola misafidy ny karazam-pitaovana mirazotra amin'ny aterineto, mba hialàna amin'ny sarany lafo avy amin'ireo tsena mpamatsy tolotra aterineto sy hanotofana ny hantsana nateraky ny fitaovana nomerika.
Ny guifi.net [es] dia ny mpiserasera tsirairay no tompony, tambajotra misokatra sy tsy mitanila ka mampitohy ny solosainany ao anatina karazana intraneto sady mizara ny fidirana aterineto ity fikambanan'ny mpilatsaka an-tsitrapo tsy mitsaha-mitombo ity. Maimai-poana ny tambajotra tsy mitady tombombarotra, mora dia mora ny vola alòan'ny tsirairay noho ny fampitaovana ny tambajotra, ary afaka miditra sy mampiasa azy araka izay ilainy ny rehetra.
Manana vona mpampitohy 22 000 [es] ankehitriny ny guifi.net, ny ankamaroan'izany dia mivangongo ao amin'ny ny faritr'i Katalonia manamorona ny Mediteraneana ao Espaina ary ny ambiny kosa manerana ny Saikinosy Iberiana, na dia maro aza ireo lavitra tahaka an'i Arzantina, Shina, India, Nizeria, Etazonia ary Yémen.

Fangon'ny (logo) guifi.net. Hoy ny vakin'ny soratra amin'ny teny Katalàna, “Tapaho ny kofehy mamatotra anareo. Azo tanterahina ny tambajotra maimaipoana hoan'ny rehetra.”
Voafariparitra ho tambatambajotra lehibe indrindra manerantany eo amin'ny karazany ny guifi.net, izay fomba nitondrana ny aterineto haingam-pandeha tany ambanivohitr'i Katalonina, faritra tsy mba nitondran'ny FAI (Orinasa mpamatsy ny aterineto) serasera, tamin'ny taona 2000. Tsy te-ho lany andro hankany Barcelona mba hidirana aterineto fotsiny i Ramon Roca ilay mpiara-manorina sady mpiasan'ny Oracle tamin'izany fotoana izany.
Ninamana tamin'ireo manampahefana tao amin'ny faritra i Roca sy ireo olona nitovy hevitra taminy mikasika ity ezaka tantanin'ny fiarahamonina ity, izay nahafahan'izy ireo nametraka fitaovan-tserasera teny amin'ireo toerana avoavo, tahaka ny eny amin'ny tilikambom-piangonana, ary nihitatra tsikelikely hatrany ny guifi.net avy eo.
Na dia efa taom-polo aza hatrizay ny nahaterahan'ny guifi.net, tambajotran'ny (Ianao Ihany no Manao azy) tsy mila kofehy izay fomba iray hitondrana ny aterineto eny amin'ireo toerana tsy ahitana ny tsenan'ny (FAI) Mpamatsy tolotra Aterineto, tsy dia nivoatra be tahaka izao ny zava-misy, araka ny fanazavan’ [es] i Roca tamin'ny tafatafa niarahana tamin'ny tranokalam-baovao Eroski Consumer tamin'ny taona 2010:
No comparto en absoluto la idea de “ofertas variadas”. Es lo que algunos quieren hacer creer a la ciudadanía para disuadir a nuevos competidores, pero la realidad es que hay poca oferta, de mala calidad y casi obsoleta.
Tsy miombo-kevitra amin'ny filazana aho fa misy ireo “karazan-tsafidy”. Izay tian'ny sasany handresena lahatra ireo olom-pirenena mba hanakanana ireo mpifaninana vaovao, saingy ny zava-misy dia vitsy ireo safidy ary ratsy kalitao sy somary efa lany andro aza ny ankamaroany.
Mbola ilaina ny safidy hafa ao Espaina, firenena manana taham-pidirana ambany amin'ny aterineto raha oharina amin'ny salanisa ankapobeny ao Eoropa. Araka ny tahiry avy amin'ny Eurostat, 68 isan-jaton'ny tokantrano ao Espaina no nanana aterineto tamin'ny taona 2012, mbola ambany amin'ny salanisan'ny Vondrona Eoropeana izay 76 isan-jato ary mametraka an'i Espaina ho naman'ireo firenena tahaka an'i Repoblika tsheky, Kroasia ary Italia. Espaina ihany koa no manana ny aterineto haingam-pandeha lafo indrindra ao Eoropa, araka ny fikarohana avy amin'ny mpanaramason'ny fifandraisandavitra Ofco.
Ny guifi.net no manampy ireo mpiserasera hifampizara ny sarany lafo amin'ny aterineto haingam-pandeha hahafahan'ireo vondrom-pianakaviana, ohatra, hanao fifanekena amin'ny FAI, mametraka tambajotra virtoaly manokana (VPN), ary hizara ny aterineto amin'ny alalan'ny guifi.net.
Milahatra ihany koa ny governemantam-paritra maromaro manararaotra [es] ity tambajotra ity. Ny fiadidian'ny tanàna tahaka an'i Avinyonet del Penedès, tanàna ahitana mponina mahery kelin'ny 1500 ao atsimo-atsinanan'i Katalonina, sy Cabanes [es], tanàna manana mponina eo ho eo amin'ny 2900 manamorona ny morontsiraka avaratr'i Valence iny, ohatra, no mampiasa ny guifi.net mba hitondra ny fifandraisana aterineto eny amin'ireo mponina izay mety ho tsy mahatakatra izany ka manohana ny tambajotra amin'ny alalan'ny fametrahana vona lehibe mpampitohy izay mampita ny famantarana tsy misy kofehy (~wifi) ho an'ny manodidina.
Nahitam-pahombiazana ny ezaky ny teny ifotony satria nahahoatra ny fampiasana onjam-pifandraisana ry zareo ka nanampy hosona (fibre optique) tamin'ny tambajotrany. Tamin'ny taona 2010, nanasonia fifanekena [es] niaraka tamin'ny governemantam-paritr'i Katalonia ny guifi.net mba hanolotra fidirana amin'ny aterineto eny amin'ireo faritra ambanivohitra amin'ny alalan'ny fampiasàna hosona, manomboka ao amin'ny tanàna kelin'i Gurb.
Ny Hopitaliben'i Vic [ca] no faritra farany nampitohizina tamin'ny alalan'ny hosona tamin'ny fiandohan'ity fahavaratra ity, izay tafiditra ao anatin'ny fametrahana hosona ny ao amin'ny faritr'i Osona ho tratran'ny aterineto. “Tsy liana amin'ny fanaovana izany ireo orinasa goavana ary tsy manana ny enti-manao kosa ireo orinasa madinika. Ny fanaovana izany eo anivon'ny rehetra [ … ] no fomba tokana sy tsara indrindra”, hoy i Roca tamin'ny habaka fampahalalam-baovao El9Nou.cat.
Tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, nomen'ny banky espaniola Bankia ao Matarò, Katalonina ho fanomezana hoan'ny guifi.net ny hosona telo kilometatra [ca] – izay an'ny banky fametrahana tahirim-bola teo aloha Caja Laeitana efa lasan'ilay banky amin'izao fotoana-.
Ny soritrasa iray manontolo, hoy i Roca tamin'ny openSUSE.org tamin'ny taon-dasa, dia ny hananganana “aterineto hoan'ny rehetra. Izay midika fananana tambajotra iombonana manerantany azo isoloana ny eo, tsy maninona izay ilazanao azy na guifi.net izany na tsia”.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...