Nankalaza ny faha-52 taonan'ny fahaleovantenany niala tamin'ny Britanika i Tanzania tamin'ny 9 desambra 2013. Fantatra taloha tamin'ny anarana Tanganyika, tamin'ny tanibe nitambatra tamin'ny nosy Zanzibar ny firenena tamin'ny 26 aprily 1964 ka nanangana ny Tanzania.
Tamin'ny fankalazàna ny faha-52 taonan'ny fahaleovantena ny mpisera Twitter sasantsasany no nanangana ny diezy #52ThingsAboutTanzania (zavatra 52 momba an'i Tanzania) hifampizarana zavatra sy tarehimarika mahaliana momba ny firenena :
Julius Nyerere tthe “Father of Tanzania” translated Shakespeare's “The Merchant of Venice & Julius Ceaser” to Swahili. #52ThingsAboutTanzania
— t a n z a n i t e. (@CecyBellaKnows) December 9, 2013
Julius Nyerere, ny “Rain'i Tanzania”, no nandika ny piesin'i Shakespeare “Ilay Mpivarotr'i Venizy & Jolio Kaisara (Sezara)” ho amin'ny teny swahili.
The world tallest free standing mountain is Mount Kilimanjaro #52ThingsAboutTanzania
— Romario Siwila (@deveraux1995) December 9, 2013
Ny Tendrombohitra avo indrindra mijoro samirery manerantany dia ny Tendrombohitra Kilimanjaro
Disney's Global hit “The Lion King” was inspired by Tanzania's Serengeti national park. #52ThingsAboutTanzania
— Uncle Fafi (@Tanganyikan) December 9, 2013
Nakàna aingam-panahy avy amin'ny valan-javaboaharim-pirenena Tanzaniana ao Serengeti ilay Sarimiaina Malaza an'i Disney “Ny Liona Mpanjaka”.
Tanzanite [a rare gemstone found in Tanzania] is named after the East African state Tanzania where it originates. The name was coined by Tiffany's. #52ThingsAboutTanzania
— t a n z a n i t e. (@CecyBellaKnows) December 9, 2013
Ny Tanzanite [vato sarobidy tsy fahita avy ao Tanzania] dia anarana nomena avy amin'i Tanzania Fanjakana Atsinanan'i Afrika niaviany. Tiffany's no namorona ny anarana.
Zanzibar, Tanzania is the home of the coconut crab. Z largest crab in z world (& reportedly 1 of z most delicious) #52ThingsAboutTanzania
— KijanaMokiwa (@stevpm) December 9, 2013
Zanzibar, Tanzania no fonenan'ny fozam-boanio. Fozµa lehibe indrindra manerantany (sy toa iray amin'ireo matsiro indrindra)
KiSwahili originated in Tanzania & is now spoken in 10 different countries including the Comoros Islands. #52ThingsAboutTanzania
— t a n z a n i t e. (@CecyBellaKnows) December 9, 2013
Firenena 10 isan-karazany ankehitriny no miteny ny teny KiSwahili izay avy ao Tanzania, ary anisan'izany ny Nosy Komoro.
The extinct Ngorongoro Crater, in Tanzania, is the largest complete crater in the world. #52ThingsAboutTanzania
— Tanzania's OWN (@AbelavsAK) December 9, 2013
Ny vavam-bolokano maty Ngorongoro, ao Tanzania, no vavam-bolokano feno midadasika indrindra manerantany.
Tanzania has the second Largest Mountain in the world(kilimanjaro) #52ThingsAboutTanzania
— SwAg-HilI (@Daresalaam101) December 9, 2013
Tanzania no manana Tendrombohitra faharoa lehibe indrindra manerantany (Kilimanjaro)
The currency of Tanzania is the Tanzanian shilling #52ThingsAboutTanzania
— Tanzania's OWN (@AbelavsAK) December 9, 2013
Ny volan'i Tanzania dia ny shilling tanzaniana
Lake Manyara National Park, in Tanzania, is home to the world’s only tree-climbing lions. #52ThingsAboutTanzania
— Tanzania's OWN (@AbelavsAK) December 9, 2013
Ny Valan-javaboaharim-pirenena ao amin'ny Farihin'i Manyara, Tanzania, no akanin'ireo liona hany mpihani-kazo manerana izao tontolo izao.
“@AbelavsAK: The oldest human skull that has EVER been found on earth was discovered in Olduvai Gorge in Tanzania #52ThingsAboutTanzania“
— Grace Cherry (@Cherry_fab) December 9, 2013
Ny karandohan'olona ela indrindra hita teto ambonin'ny tany dia tao Olduvai Gorge ao Tanzania no nahitana azy.
The Amani Nature Reserve (East TZ) is the only place on the entire planet where African Violets grow in the wild. #52ThingsAboutTanzania
— Tanzania's OWN (@AbelavsAK) December 9, 2013
Ny Valan-javaboahary Amani (Atsinanan'i Tanzania) no toerana tokana ambonin'ny tany ahitana ny violety Afrikanina mitsimoka hoazy eny rehetra eny.
One of Africa’s most respected figures, Julius Nyerere (1922 — 1999) was a politician of principle and intelligence. #52ThingsAboutTanzania
— KijanaMokiwa (@stevpm) December 9, 2013
Iray amin'ireo olo-malaza Afrikanina hajaina indrindra, Julius Nyerere (1922 — 1999), mpanao politika manana fitsipi-pitondrantena sy haranita-tsaina miavaka.
Mpingo trees a.k.a. Africa blackwood trees, commonly seen in Tanzania, are z most expensive hardwood tree in z world. #52ThingsAboutTanzania
— KijanaMokiwa (@stevpm) December 9, 2013
Ny Hazo Mpingo antsoina na Andramainty , fahita mahazatra ao Tanzania, no hazomafy lafo vidy indrindra manerantany.