- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manakana Fihetsiketsehana Any Etazonia Ry ‘Dadabe Daban-Dasantsy’ Avy Any Korea Atsimo

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsinanana, Etazonia, Korea Atsimo, Fanoherana, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Mbola manohy ny fanakatsakanana fihetsiketsehana ataon'ny Koreana Tatsimo monina any Etazonia manohitra ilay dian'andriana ka mitombo an-dalana momba ny raharaha fanamboarana ny saim-bahoaka tamin'ny fifidianana [1] ihany ry mpikambana amin'ny elatra farany ankavanana izay manana anaram-bositra hoe ‘Dadabe daban-dasantsy [2]‘.

Ny mpisera Storify @wjsfree [3] nizara sarin’ [4]ireo vondron'ny elatra havanana mitady hanakana fihetsiketseha-panoherana milamina kelikely notontosaina tao amin'ny Oniversiten'i Yale tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Ny mpisera Youtube biophysics7 [5] nizara ny lahatsarin'ny gidragidra [6] nampidirina eto ambany.

Raha iverenana ny tamin'ny Septambra, protesters even naharakitra an-tsary [7](tsy mbola misy dika an-tsoratra) ny iray amin'ireo ‘Dadabe’ nahavoaka tsinahy, rehefa manelingelina fiareta-tory tao New York City, fa karamaina 100 dolara isaky ny fihetsiketsehana sakanan-dry zareo ry zareo [8] ka ny olona eo amin'ny fitondrana sy ireo vondrona politika mpandala ny nentim-paharazana no manakarama.

Mora fantarina amin'ny fiteny mihoampampana, bandannas ary ny fanamiana miaramila, ireo ‘dadabe’ izay mihoatra ny  taona avokoa ary nahazo ny anaram-bositra noho ny fitondran-dry zareo karazam-piadiana, ka anisan'izany ny daban-tsolika fitondra, famonoana afo ary kobay, ary miantso ny mpanao fihetsiketsehana ho ‘ Komonista Anti-governemanta’.

 

Fanamarihana: Fiteny malagasy talohan'ny fanjanahantany ilay hoe Mitombo an-dalana toa dian'Andriana, satria mahatsiaro ho voatery mandefa solontena manaraka ny andriana amin'ny dia lavitra izorany hatrany ny tanàna andalovan'ny Andriana tamin'izany fotoana izany. Ny dika ara-bakinteny mety tsy ho azon'ny mpamaky tsy mahalala teny frantsay na teny anglisy manko dia ilay hoe “boule de neige” na “Snowballing” izay vongan-dranomandry miendrika ho baolina mikorisa avy any an-tendrombohitra any koa mitombo habe arakaraky ny ikorisany midina maka ireo ranomandry andalovany. Ireo zata mijery sarimiaina kosa mety hahatakatra ihany.