Mbola manohy ny fanakatsakanana fihetsiketsehana ataon'ny Koreana Tatsimo monina any Etazonia manohitra ilay dian'andriana ka mitombo an-dalana momba ny raharaha fanamboarana ny saim-bahoaka tamin'ny fifidianana ihany ry mpikambana amin'ny elatra farany ankavanana izay manana anaram-bositra hoe ‘Dadabe daban-dasantsy‘.
Ny mpisera Storify @wjsfree nizara sarin’ireo vondron'ny elatra havanana mitady hanakana fihetsiketseha-panoherana milamina kelikely notontosaina tao amin'ny Oniversiten'i Yale tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Ny mpisera Youtube biophysics7 nizara ny lahatsarin'ny gidragidra nampidirina eto ambany.
Raha iverenana ny tamin'ny Septambra, protesters even naharakitra an-tsary (tsy mbola misy dika an-tsoratra) ny iray amin'ireo ‘Dadabe’ nahavoaka tsinahy, rehefa manelingelina fiareta-tory tao New York City, fa karamaina 100 dolara isaky ny fihetsiketsehana sakanan-dry zareo ry zareo ka ny olona eo amin'ny fitondrana sy ireo vondrona politika mpandala ny nentim-paharazana no manakarama.
Mora fantarina amin'ny fiteny mihoampampana, bandannas ary ny fanamiana miaramila, ireo ‘dadabe’ izay mihoatra ny taona avokoa ary nahazo ny anaram-bositra noho ny fitondran-dry zareo karazam-piadiana, ka anisan'izany ny daban-tsolika fitondra, famonoana afo ary kobay, ary miantso ny mpanao fihetsiketsehana ho ‘ Komonista Anti-governemanta’.