Tsia Amin'ny Fitaovam-Piadiana Shimika Syriana Hopotehina Any Albania

Nahatezitra ny Albaniana, izay nidina an-dalambe ho fanoherana ny volavolan-kevitra, ny tatitra fa mety hopotehina any Albania ny tahiram-pitaovam-piadiana Shimika Syriana. Taorian'ny fihetsiketseha-panoherana, Nandà ny handray ireo 1300 taonina sarin, motarda ary kasinga hafa avy any Syria ny fitondrana Albaniana.

Nanao izay handrenesana ny feony tan-tserasera ny mpiserasera Albaniana.

60C39497-781E-42BE-A353-5E8EA53DF802_w640_r1_s

mpiaro ny tontolo iainana tafavory tamin'ny 12 Novambra tao an-drenivohitra Albaniana ao Tirana manohitra ny fikasan'ny fireneny hanaiky handray ireo fitaovam-piadiana shimika avy any Syria. Loharano: PBS Newshour. Nampiasaina noho ny alalana CC BY 2.0

Tao amin'ny Taratasy misokatra ho an'ny Filoha Obama, ny Albania Reloaded no nanoratra hoe:

I am a deeply concerned citizen of Albania, who like millions of Albanians is shocked by the news that deadly toxic chemical arsenal of Assad’s regime is landing to Albanian shores. For a small country of 28,000 km2, over-populated, with poor infrastructure, with countless problems in every sector of the economy, health, education, environment, agriculture, tourism, struggling for over two decades to fight corruption and organized crime plagued in every cell of our society, the decision of demolition chemical weapons in Albania is TOXIC. The lethal impact that this potential decision will have in the lives of Albanians and the generations to come is unquestionable.

Olom-pirenen'i Albania miahiahy mafy aho, tahaka ny Albaniana an-tapitrisany izay tohina tamin'ny fandrenesam-baovao fa hiditra amin'ny morontsiraka albaniana ny karazam-piadiana shimika mahafaty an'ny fitondrana Assad. Ho an'ny firenena kely manana velarantany 28000km², be mponina loatra, kely fotodrafitrasa, tsy voatanisa intsony ny olana eo amin'ny sokajin'asa rehetra eo amin'ny toekarena, fahasalamana, fanabeazana, tontolo iainana, fambolena, fizahantany, ny ady amin'ny kolikoly sy ny andian-jiolahy mirakitra amin'ny selan'ny fiarahamoninay rehetra, ny fanapahan-kevitra hamtehana ny fitaovam-piadiana shimika eto Albania dia POIZINA MAHAFATY. Tsy azo anontaniana ny fiantraikany mety mahafaty ateraky ny fanapahan-kevitra eo amin'ny ain'ny Albaniana sy amin'ny taranaka ho avy.   

Robert Kyriakides nanazava ny raharaha tao amin'ny bilaoginy Not In My Backyard – Famotehana ny Fitaovam-piadiana Shimikan'i Syria any Albania:

1464611_10200708984720415_1876735647_n

Loharano: Naman'i Syria ao amin'ny WordPress. Nampiasaina noho ny Used under CC By 2.0

We do not hear much about Syria these days. It seems that the agreement to remove and destroy the chemical weapons of Syria has removed the threat of an intervention by the Western democracies which will now not bomb Syria and add their own destruction to the destruction and death that they Syrians are inflicting upon themselves, with a little help from their friends.

Tsy nahare loatra momba an'i Syria isika tao ho ao. Toa hoe ny fifanekena hanaisotra sy hamotika ny fitaovam-piadiana shimikan'i Syria dia nanaisotra ny fandrahonan'ny fidirana an-tsehatry ny demaokrasia tandrefana izay tsy hidaroka baomba an'i Syria ary hanampy ny famotehana ataony ho an'ny tenany amin'ny fifamotehana sy fifamonoana ifanaovan'ny Syriana, ary misy fanampiana kely avy amin'ny namany avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.