- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antso Hanaovana Tolo-kevitra – Famatsiam-bola Fanavaozana Ny Tranombokim-Bahoaka EIFL

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Banner FINALAsaina ny tranom-bokim-panjakana sy ny tranom-bokim-piarahamonina ao amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana na efa miarin-doha ara-toekarana hisoratra anarana amin'ny fifaninanana Tetikasa Mitondra Hevi-baovao hoan'ny Tranom-bokim-panjakana(EIFL-PLIP) [1]. Hamolavola tolotra mampiditra fomba fiasa vaovao mampiasa ny TIC (teknlojian'ny informatika sy ny fifandraisana) hamaliana ireo filàn'ny ankizy sy ny tanora ao amin'ny fiarahamonina misy azy ireo. Afaka mametraka tolo-kevitra mitentina hatramin'ny 20.000 dolara amerikana farafahabetsany ny mpisoratra anarana.

Ny tetikasa dia tokony:

Raha mila fanazavana fanampiny, tsidiho azafady ny habaky ny EIFL [2]raha te-hahafantatra ny volavolam-pandaniana azo fidiana, fomba fifantenana, ny fandaharam-potoana ary ireo paipaika madinika hampahombiazan'ny nisoratra anarana, mbamin'ny zavatra hafa ihany koa.

Amin'ny 31 Janoary 2014 ny fara-fisoratana anarana.