- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: “Aoka Izay: Tantaran'ny Revolisiona” Any Syria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Voina, Zon'olombelona

Matthew VanDyke [1], ilay mpanao gazety Amerikana sy mpanao lahatsary fanadihadiana izay nandray anjara tamin'ny ady an-trano Libyana amin'ny maha-mpiady vahiny nanohitra ny tafik'i Kaddafi azy, dia nitady fanampiana tamin'ny alalan'ny fîtia tsy mba hetra [2] mba hamokarana ny “Aoka Izay: Tantaran'ny Revolisiona”, horonantsary fohy izay mandrakitra an-tantara ny revolisiona Syriana sy ny antom-pisiany.
Ny lahatsary [Fampitandremana: Mampihoro-koditra ny sary], izay navoaka maimai-poana tao amin'ny YouTube tamin'ny volana Septambra 2013, dia mampiseho ireo sivily Syriana manao hetsi-panoherana ny fitondran'i Assad sy ireo mpikatroka teo ampihirahirana no nisy fipoahana mitranga. Mitondra antsika hanavatsara ny tanàna rava ao Aleppo (Homs) ny horonantsary ary mampiseho ireo olona mitam-piadiana izay sivily teo aloha saingy nivadika mpikomy miady ho amin'ny fahafahan'ny fireneny. Mikarajia (mi-chat) amin'ireo mpikatroka amin'ny teny anglisy ny tale raha misy re ao anatin'izany resadresaka izany ireo hirahira sasany sy ny resadresaka ao an-toerana amin'ny teny Arabo.

Tamin'ny teniny, ity lahatsary YouTube [3] ity dia:

[…..] has won more than a dozen awards and is an official selection in more than 75 film festivals around the world. Director Matthew VanDyke has released the film online for free and without any ads on it weeks ahead of schedule because NOW is the critical time for YOU to take action in support of Syria.
This is YOUR film.

“Not Anymore: A Story of Revolution” is a 15-minute documentary film about the war in Syria, directed and produced by American Matthew VanDyke and Nour Kelze (a Syrian journalist who is also the star of the film).

The film tells the story of the Syrian struggle for freedom as experienced by a 32 year old rebel commander, Mowya, and a 24 year old female journalist, Nour Kelze, in Aleppo, Syria.
The film clearly and concisely shows why the Syrian people are fighting for their freedom, told through the emotional words of two powerful characters whose lives have been turned upside down and torn apart by war.
Filming in Syria was dangerous and difficult. VanDyke and Kelze faced aerial bombardment, artillery, mortars, snipers, and the persistent threat of kidnapping. In addition, VanDyke was branded a terrorist by the Assad regime on the Syrian State TV channels.

nahazo loka mihoatra ny am-polony ary voafantina tamin'ny fomba ofisialy tamin'ireo fetiben'ny horonantsary maherin'ny 75 mitranga manerantany. Namoaka ny horonantsary maimai-poana tao amin'ny aterineto tsy misy dokambarotra ny Tale Matthew VanDyke  ny herinandro alohan'ny fotoana nomena satria IZAO NO FOTOANA mety ho ANAO mba handray fepetra ho fanohanana an'i Syria. HoronantsariNAO io.

” Aoka izay: Tantaran'ny Revolisiona” dia horonantsary fanadihadiana maharitra 15 minitra mikasika ny ady ao Syria, notontosaina sy novokaran'ilay Amerikana Matthew VanDyke sy Nour Kelze (mpanao gazety izay mpilalao fototra ao amin'ny horonantsary ihany koa).

Mitantara ny tolom-pahafahana an'i Syria ny horonantsary tahaka ny zava-niainan'ilay mpitari-tafika mpioko, Mowya, 32 taona sy ilay mpanao gazety vehivavy 24 taona , Nour Kelze tao Aleppo, Syria.
Mampiseho mazava sy fohy ny anton'ny nitoloman'ny vahoaka Syriana hoan'ny fahafahan'izy ireo ny horonantsary, voalaza amin'ny alalan'ny teny mampihetsi-po lalaovi'ireo mpilalao roa manana toetra matanjaka izay mitsimbadimbadika sy rovidrovitry ny ady ny fiainan'izy ireo.
Sady mampidi-doza no sarotra ny maka sarimihetsika ao Syria. Niatrika daroka baomba an-habakabaka, tifitra variraraka, tafondro sy fitifirana misy kinendry, ary fandrahonana mety hisian'ny fakàna an-keriny hatrany i VanDyke sy i Kelze. Fanampin'izany, nampangain'ny fitondran'i Assad ho mpampihorohoro i VanDyke tao amin'ireo fantson'ny fahitalavim-panjakana Syriana.

Ity ny horonantsary fohy azonao jerena: