- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nalaza Haingana Ny Fifandraisan-Tanan'i Barack Obama sy Raúl Castro Tao Amin'ny Lanonam-Pahatsiarovana An'i Mandela

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Etazonia, Kiobà, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Captura de pantalla de la transmisión de Telesur

Pikantsarin'ny fihaonana teo amin'i Castro sy Obama navoakan'ny televiziona mahasahana an'i Amerika Latinina Telesur.

*Ny rohy rehetra dia mankany amin'ny pejy amin'ny teny espaniola ankoatra ireo izay marihana manokana.

Azo sary nifandray tanana tao amin'ny lanonam-pahatsiarovana an'i Nelson Mandela ny filoha Kiobàna, Raúl Castro, sy ny filohan'i Etazonia, Barack Obama. Nalaza haingana dia haingana ny sary. 

Araka ny BBC Mundo [1], “sambany no nisy izany fihetsika teo amin'ny mpitondra roa tonta izany niseho imasom-bahoaka rehefa nifahavalo nihoatra ny 50 taona ireo firenena roa ireo.” Vonona ato [2] ny filazana hafa avy amin'ny BBC English.

BBC Mundo nanoritsoritra ny fomba “nandronjonan'i Obama tamin-tsiky ny tanan'i Castro rehefa nizotra ho eny amin'ny lampihazo hanao kabary ho fanomezam-boninahitra ny Madiba izy” nandritra ny lanonana tao amin'ny kianjabe FNB tao Johannesburg ho fahatsiarovana ilay mpitarika anti-apartheid.

Tsy niandry ela ny fanehoan-kevitra rehefa nivoaka tamin'ny tambajotra sosialy ny fifandraisan-tanana. Ao amin'ny Facebook [3], ny mpanao gazety sady bilaogera, Jorge Legañoa, nizara ny sarim-pifandraisan-tanana raha niteny hoe:

En Twitter revienta esta foto. Nuestro presidente Raúl Castro y Barack Obama se saludan en el ‪#‎MandelaMemorial.‬ La pregunta del millón: ¿qué se habrán dicho? ¿solo un saludo, o algo más?

Nalaza haingana ato amin'ny Twitter ity sary ity. Barack Obama sy ny filohantsika Raúl Castro nifampiarahaba tao amin'ny #MandelaMemorial. Ity ny fanontaniana hahazoana iray tapitrisa dolara: Inona no mety nifampiresahan-dry zareo? Mifampiarahaba fotsiny… sa misy zavatra hafa koa?

Ao amin'ny pejy Facebookn’ [4]ny fahitalavitra miorina ao Caracas, ny tambajotran'ny televiziona manerana an'i Amerika Latinina Telesur, no nampafantatra ny heviny ihany koa ny mpiserasera:

Un saludo no me sorprende, lo que realmente me sorprendería es que Obama decidiera suprimir el bloqueo a Cuba, consideró Maai Ortiz. [5]

“Tsy nahavaka ahy ny fihetsika tahaka ireny, ny mety ho nahavaka ahy dia raha nanapa-kevitra ny hanaisotra ny ankivy atao amin'i Kiobà i Obama”, no hevitr'i Maai Ortiz. [5]

Aún después de muerto Mandela sigue marcando caminos de entendimiento y paz…, dijo Laura Isabel Alemán. [6]

“Eny fa na dia ny fahafatesan'i Mandela aza dia manohy mampiseho ny lalan'ny fandriampahalemana sy ny fifankahazoana…”, hoy i Laura Isabel Alemán. [6]

Sin duda es histórico! Y para honrar a Mandela, Obama debería levantar el bloqueo, cree Alejandra Dixon. [7]

“Tsy isalasalana fa manantantara izaoc! Ary ho fanomezam-boninahitra an'i Mandela, dia tokony hanaisotra ny ankivy i Obama”, hoy i Alejandra Dixon nanampy. [7]

Ny tranga dia notaterin'ny Huffington Post [8] (EN), AP, Telesur ary ny gazety espaniola El Mundo, ary maro ihany koa ny avy amin'ny famoaham-baovao iraisampirenena hafa.

Tamin'ny Novambra, ny Sekreteram-Panjakana Etazonia, John Kerry, nanambara [9]fa nisy ny tombontsoa niraisan'ny fireneny sy i Kiobà izay mety hitondra mankany amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta rahatrizay.