- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nalaina An-keriny Tao Syria Ilay Mpikatroka Tony Fihetsika Razan Zaitouneh Sy Ny Ekipany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Mpikatroka efatra, anisan'izany ilay mpikatroka tony fihetsika malaza manerantany Razan Zaitouneh, avy ao amin'ny Ivotoeran-tahirim-pandikan-dalàna [Violations Documentation Center (VDC)] ao Syria no nalain'ireo lehilahy misaron-tava an-keriny tao amin'ny biraon'ny Douma, faritra manodidina an'i Damaskosy, renivohitra syriana, araka ny tatitra avy amin'ny Activist News Association (Fikambanam-Baovaon'ny Mpikatroka). [1]

Nisy naka an-keriny tamin'ny 9 Desambra i Zaitouneh, sy ny ekipany ahitana an'i Nazem al-Hamadi, Sameera Alkhalil ary Wael Hamadah, tsy nisy ny vaovao mikasika izay toerana misy azy ireo, ary niteraka resabe manerantany ihany koa izany.
Taorian'ny fakàna an-keriny, namoaka fanambarana manameloka ny zava-nitranga ny komitim-paritra Douma, ary nilaza fa mahamenatra ihany koa ny fandrobàna ny biraon'ny VDC ka nampifandraisiny amin'ny amin'ny asan'ny fitondran'i Assad [Arabo]:

(photo source: Douma Local Committee Facebook page)

(Sary: Pejy Facebookn'ny Komitim-paritra ao Douma)

Mivaky toy izao ny fanambarana [ar]:

Douma woke up today [Tuesday, December 10, 2013] to the news of an attack on the Violations Documentation Center (VDC) in Syria and the arrest of activist Razan Zaitouneh and her team, who have exerted their efforts in the support of this revolution and who have previously been arrested by the oppressive regime more than once. They have lived with us during our seige, stemming from the belief and true work is conducted from the battle ground and not on the pages of the Internet. We, in the local city council, condemn this cowardly act, which is similar to that of the regime, and call upon all the military groups and revolutionary forces to follow up on this case, which is a stain of shame on Free Douma.

Nifoha tamin'ny ranomasony i Douma androany [Talata, 10 Desambra 2013] manoloana ny vaovao fanafihana ny Foiben-tahirim-pandikan-dalàna (VDC) ao Syria sy ny fisamborana ilay mpikatroka Razan Zaitouneh sy ny ekipany, izay nampiasa ny herin'izy ireo tamin'ny fanohanana ity revolisiona ity ary efa nosamborin'ny fitondrana mpampijaly imbetsaka ihany koa. Niara-nonina taminay izy ireo nandritra ny fahirano, miankina amin'ny finoana sy ny asa marina notontosaina teny an-tany fiadiana fa tsy avy amin'ny pejin'ny aterineto. Izahay, ao amin'ny filan-kevitra monisipaly, dia manameloka izao fihetsika feno hakanosana izao, izay mitovy amin'ny ataon'ny fitondrana ihany, ary miantso ireo vondrona miaramila rehetra sy ny hery revolisionera mba hanaraka akaiky ity raharaha ity, izay tasin-kenatra eto amin'i Douma Afaka.

Amin'ny anaran'izy ireo, ny komity mpandrindram-paritra ao Syria, izay natsangan'i Zaitouneh,dia nitaky ny famotsorana [2] ireo mpikatroka efatra rehetra ary nangataka tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona mba hanatevin-daharana ny hetsiky ny komity mpandrindram-paritra. Nilaza ihany koa ireo mpikatroka nalaina an-keriny fa naka aingam-panahy tanteraka an'i Mandela, izay namoy ny ainy vao haingana, ary nampiany hoe:

At a time when the world is mourning the death of Nelson Mandela, we must remember that there are other Mandelas around the world. These activists were inspired and informed by Mr. Mandela’s work, and were promoting concepts of nonviolence and civil resistance in Syria even at a time when the regime has violated every possible tenet of human rights. Failure to call for their release is tantamount to failing in all that Human Rights defenders stand for in the call against tyranny.

Amin'ny fotoana izay hisaonan'izao tontolo izao ny fahalasanan'i Nelson Mandela, tokony hotsarovantsika fa misy Mandela hafa manerantany. Naka aingam-panahy sy nahafantatra ny asan'i Mandela ireo mpikatroka ireo, ary nampiroborobo ny foto-kevitra tsy mampiasa herisetra sy ny fijoroan'ny sivily tao Syria, na dia tamin'ny fotoana nanitsakitsahan'ny fitondrana ireo lalàna tsirairay momba ny zon'Olombelona aza. Mitovy amin'ny tsy firaharahiana ny antso manohitra ny didy jadona ataon'ny mpiaro ny zon'olombelona ny tsy fiantsoana ho amin'ny famotsorana azy ireo .

Araka ny didim-panjakana [3]navoakan'ny fikambanana sivika Ghouta atsinanana, naharay fandrahonana maromaro avy amin'ny fitondrana sy ny mpikomy mahery fihetsika talohan'ny fakàna ankeriny azy i Zaitouneh raha mbola niasa tao amin'ny distrikan'i Damaskosy.

Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook [3] , nilaza ilay mpanoratra Yassin Al Haj Saleh, vadin'i Alkhalil fa fanevatevana an'i Syria sy ny revolisionany ny fakàna ankeriny azy ireo. Nangataka ireo izay afaka manampy izy mba hanao izany avy hatrany.

سميرة الخليل (زوجتي) ورزان زيتونة ووائل حمادة وناظم حمادي معتقلين من البارحة بدوما.
الرجاء ممن يستطيع المساعدة أن يتصرف بسرعة.
اعتقال سميرة ورزان ووائل وناظم إهانة للثورة ولسورية.

Nosamborina tao Douma i Sameera Al-Khalil (vadiko), miaraka amin'i Razan Zaitouneh, Wael Hamadah ary Nazem al-Hamadi omaly alina. Izay afaka manampy, manaova zavatra azafady. Fanevatevana ny revolisiona sy i Syria ny fisamborana an'i Sameera , Razan , Wael ary i Nazem.

Nanomboka nanao fanentanana antserasera ihany koa ireo mpisera Twitter mba hitaky ny famotsorana an'i Zaitouneh sy ny namany. Mpikatroka monina ao Etazonia, Rafif Jouejati nanamarika ny fakàna ankeriny azy ireo ho mariky ny fahafatesan'ny Mahaolombelona:

Mariho ny alimanakanao: fahafatesan'ny mahaolombelona. Mpikatroka (tsy mampiasa herisetra) malaza idrindra sady mpiaro ny zon'olombelona no nalaina an-keriny tao Syria

Nandrisika ny fikambanana iraisam-pirenena ihany koa izy mba hihetsika satria mitondra fahavoazana manoloana ny tolona ny fahanginana:

Raha avelantsika hanao IZANY izy ireo, tsy hahomby amin'ny fiarovana ny zon'Olombelona izao tontolo izao.

Nanamarika ilay mpikatroka Bahrainita Maryam Alkhawaja fa ny kely indindra azon'ny fikambanana iraisam-pirenena atao ny mba hanampiana olo-malaza tahaka izao dia ny manao fanairana ny rehetra mikasika ny zava-misy:

Nisafidy nijanona ao Syria i Razan Zaitouneh mba hitolona manoloana ny hetraketraky ny fitondrana, ny kely indrindra azontsika atao dia ny mitabataba mafy momba ny fakàna azy an-keriny

Nanampy tamin'ny filazana ny talen'ny Hetsika Tsy Mampiasa Herisetra Syriana, Ibrahim al-Assil fa tena revolisionera i Zaitouneh:

Avotsory i Razan satria tena revolisionera izy….manohitra an'i Assad sy ireo olon-dozabe hafa…tsy maninona izay mitovy amin'izy ireo

Nilaza i Kim Ghattas, mpitati-baovao ao amin'ny BBC fa fipoahana mahatsiravina  amin'ny lahika mpanohitra sisa tavela ao Syria ny fakàna an-keriny  an'i Zaitouneh:

Vaovao mangidy ny vaovao fakàna ankeriny an'ilay mpikatroka @razanz, ary mbola fanapoahana  mahery vaika hoan'ny lahika mpanohitra sy milamina sisa tavela ao Syria

Tsy latsaka ambanin'ny fahasahiana sy fananana herimpo ny zava-bitan'i Zaitouneh. Nahazo ny loka Anna Politkovskaïa 2011, ny loka Sakharov 2011 sy ny lokan'ny vehivavin'ny Herimpo Iraisampirenena  2013 [International Women of Courage Award 2013] izy.

(photo source: Metro, 2012)

(sary: Metro, 2012)

Anisan'ny asa farany nataony ny filazana anisan'ny voalohany nataony tamin'ny habaka ny fisian'ny fanafihana tamin'ny alalan'ny fiadiana shimika tao Ghouta tamin'ny 21 Aogositra, araka ny nomarihan'ny Tonian'ny Foreign Policy any Afovoany Atsinanana David Kenner azy:

Tsy tokony adinoina ny asam-panangonana tahirinkevitra mampiditra fomba vaovao nataon'i Razan Zaitouneh momba ny fanafihana tamin'ny (etona) sarin tamin'ny 21 aogositra – iray amin'ny voalhoany eo ambony sehatra.

Ny mpandrindra ny Amnesty International ao Angletera Kristyan Benedict dia nanamarika fa nifanandrify tamin'ny Andron'ny Zon'Olombelona ny nakana azy ireo an-keriny:

Ny andaniny roa ao Syria? mety ho tsotra loatra saingy hita tokoa fa misy ireo manaja ny zon'olombelona ary misy ireo tsy manaja.

Ny asan'i Zaitouneh niaraka tamin'ireo namana mpiara-miasa aminy nalaina an-keriny dia nanampy ny Syriana handrakitra ny very sy ny angona ny alahelony hatramin'ny nisian'ny korontana tao amin'ny firenena tamin'ny 2011. Ny VDC dia manaraka akaiky ny raharahan'ireo nalaina an-keriny ary miantso hatrany ny famotsorana azy ireny tsy misy hatak'andro. Ny asa sy ny fandraisana anjaran'izy ireo dia lehibe tokoa, tsy ho an'ny revolisiona ihany fa ho an'ny ampitson'i Syria. Ny fakana an-keriny azy ireo dia mandratra ny fanantenana sy ny fijery tsara (miabo) ny zavamisy miova endrika ao Syria amin'izao fotoana.