Nalaina An-keriny Tao Syria Ilay Mpikatroka Tony Fihetsika Razan Zaitouneh Sy Ny Ekipany
Mpikatroka efatra, anisan'izany ilay mpikatroka tony fihetsika malaza manerantany Razan Zaitouneh, avy ao amin'ny Ivotoeran-tahirim-pandikan-dalàna [Violations Documentation Center (VDC)] ao Syria no nalain'ireo lehilahy misaron-tava an-keriny tao amin'ny biraon'ny Douma, faritra manodidina an'i Damaskosy, renivohitra syriana, araka ny tatitra avy amin'ny Activist News Association (Fikambanam-Baovaon'ny Mpikatroka).
Nisy naka an-keriny tamin'ny 9 Desambra i Zaitouneh, sy ny ekipany ahitana an'i Nazem al-Hamadi, Sameera Alkhalil ary Wael Hamadah, tsy nisy ny vaovao mikasika izay toerana misy azy ireo, ary niteraka resabe manerantany ihany koa izany.
Taorian'ny fakàna an-keriny, namoaka fanambarana manameloka ny zava-nitranga ny komitim-paritra Douma, ary nilaza fa mahamenatra ihany koa ny fandrobàna ny biraon'ny VDC ka nampifandraisiny amin'ny amin'ny asan'ny fitondran'i Assad [Arabo]:

(Sary: Pejy Facebookn'ny Komitim-paritra ao Douma)
Mivaky toy izao ny fanambarana [ar]:
Douma woke up today [Tuesday, December 10, 2013] to the news of an attack on the Violations Documentation Center (VDC) in Syria and the arrest of activist Razan Zaitouneh and her team, who have exerted their efforts in the support of this revolution and who have previously been arrested by the oppressive regime more than once. They have lived with us during our seige, stemming from the belief and true work is conducted from the battle ground and not on the pages of the Internet. We, in the local city council, condemn this cowardly act, which is similar to that of the regime, and call upon all the military groups and revolutionary forces to follow up on this case, which is a stain of shame on Free Douma.
Nifoha tamin'ny ranomasony i Douma androany [Talata, 10 Desambra 2013] manoloana ny vaovao fanafihana ny Foiben-tahirim-pandikan-dalàna (VDC) ao Syria sy ny fisamborana ilay mpikatroka Razan Zaitouneh sy ny ekipany, izay nampiasa ny herin'izy ireo tamin'ny fanohanana ity revolisiona ity ary efa nosamborin'ny fitondrana mpampijaly imbetsaka ihany koa. Niara-nonina taminay izy ireo nandritra ny fahirano, miankina amin'ny finoana sy ny asa marina notontosaina teny an-tany fiadiana fa tsy avy amin'ny pejin'ny aterineto. Izahay, ao amin'ny filan-kevitra monisipaly, dia manameloka izao fihetsika feno hakanosana izao, izay mitovy amin'ny ataon'ny fitondrana ihany, ary miantso ireo vondrona miaramila rehetra sy ny hery revolisionera mba hanaraka akaiky ity raharaha ity, izay tasin-kenatra eto amin'i Douma Afaka.
Amin'ny anaran'izy ireo, ny komity mpandrindram-paritra ao Syria, izay natsangan'i Zaitouneh,dia nitaky ny famotsorana ireo mpikatroka efatra rehetra ary nangataka tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona mba hanatevin-daharana ny hetsiky ny komity mpandrindram-paritra. Nilaza ihany koa ireo mpikatroka nalaina an-keriny fa naka aingam-panahy tanteraka an'i Mandela, izay namoy ny ainy vao haingana, ary nampiany hoe:
At a time when the world is mourning the death of Nelson Mandela, we must remember that there are other Mandelas around the world. These activists were inspired and informed by Mr. Mandela’s work, and were promoting concepts of nonviolence and civil resistance in Syria even at a time when the regime has violated every possible tenet of human rights. Failure to call for their release is tantamount to failing in all that Human Rights defenders stand for in the call against tyranny.
Amin'ny fotoana izay hisaonan'izao tontolo izao ny fahalasanan'i Nelson Mandela, tokony hotsarovantsika fa misy Mandela hafa manerantany. Naka aingam-panahy sy nahafantatra ny asan'i Mandela ireo mpikatroka ireo, ary nampiroborobo ny foto-kevitra tsy mampiasa herisetra sy ny fijoroan'ny sivily tao Syria, na dia tamin'ny fotoana nanitsakitsahan'ny fitondrana ireo lalàna tsirairay momba ny zon'Olombelona aza. Mitovy amin'ny tsy firaharahiana ny antso manohitra ny didy jadona ataon'ny mpiaro ny zon'olombelona ny tsy fiantsoana ho amin'ny famotsorana azy ireo .
Araka ny didim-panjakana navoakan'ny fikambanana sivika Ghouta atsinanana, naharay fandrahonana maromaro avy amin'ny fitondrana sy ny mpikomy mahery fihetsika talohan'ny fakàna ankeriny azy i Zaitouneh raha mbola niasa tao amin'ny distrikan'i Damaskosy.
Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook , nilaza ilay mpanoratra Yassin Al Haj Saleh, vadin'i Alkhalil fa fanevatevana an'i Syria sy ny revolisionany ny fakàna ankeriny azy ireo. Nangataka ireo izay afaka manampy izy mba hanao izany avy hatrany.
سميرة الخليل (زوجتي) ورزان زيتونة ووائل حمادة وناظم حمادي معتقلين من البارحة بدوما.
الرجاء ممن يستطيع المساعدة أن يتصرف بسرعة.
اعتقال سميرة ورزان ووائل وناظم إهانة للثورة ولسورية.
Nosamborina tao Douma i Sameera Al-Khalil (vadiko), miaraka amin'i Razan Zaitouneh, Wael Hamadah ary Nazem al-Hamadi omaly alina. Izay afaka manampy, manaova zavatra azafady. Fanevatevana ny revolisiona sy i Syria ny fisamborana an'i Sameera , Razan , Wael ary i Nazem.
Nanomboka nanao fanentanana antserasera ihany koa ireo mpisera Twitter mba hitaky ny famotsorana an'i Zaitouneh sy ny namany. Mpikatroka monina ao Etazonia, Rafif Jouejati nanamarika ny fakàna ankeriny azy ireo ho mariky ny fahafatesan'ny Mahaolombelona:
Mark ur calendars: death of humanity. Most prominent NV activists & human rights defenders were kidnapped in #Syria #Free_RazanZaitouneh
— Rafif Jouejati (@RafifJ) December 10, 2013
Mariho ny alimanakanao: fahafatesan'ny mahaolombelona. Mpikatroka (tsy mampiasa herisetra) malaza idrindra sady mpiaro ny zon'olombelona no nalaina an-keriny tao Syria
Nandrisika ny fikambanana iraisam-pirenena ihany koa izy mba hihetsika satria mitondra fahavoazana manoloana ny tolona ny fahanginana:
If we let them get away with THIS, the whole world will have failed the cause of human rights. #Free_RazanZaitouneh & other activists#Syria
— Rafif Jouejati (@RafifJ) December 10, 2013
Raha avelantsika hanao IZANY izy ireo, tsy hahomby amin'ny fiarovana ny zon'Olombelona izao tontolo izao.
Nanamarika ilay mpikatroka Bahrainita Maryam Alkhawaja fa ny kely indindra azon'ny fikambanana iraisam-pirenena atao ny mba hanampiana olo-malaza tahaka izao dia ny manao fanairana ny rehetra mikasika ny zava-misy:
Razan Zaitouneh chose to stay in #Syria to struggle against an oppressive regime, least we can do is make noise about her kidnapping
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) December 10, 2013
Nisafidy nijanona ao Syria i Razan Zaitouneh mba hitolona manoloana ny hetraketraky ny fitondrana, ny kely indrindra azontsika atao dia ny mitabataba mafy momba ny fakàna azy an-keriny
Nanampy tamin'ny filazana ny talen'ny Hetsika Tsy Mampiasa Herisetra Syriana, Ibrahim al-Assil fa tena revolisionera i Zaitouneh:
#FreeRazan because she is a true revolutionary.. against #Assad and all other tyrants.. no matter how they look like! #Syria
— Ibrahim al-Assil (@iAssil) December 10, 2013
Avotsory i Razan satria tena revolisionera izy….manohitra an'i Assad sy ireo olon-dozabe hafa…tsy maninona izay mitovy amin'izy ireo
Nilaza i Kim Ghattas, mpitati-baovao ao amin'ny BBC fa fipoahana mahatsiravina amin'ny lahika mpanohitra sisa tavela ao Syria ny fakàna an-keriny an'i Zaitouneh:
Kidnapping of activist @razanz in Syria is awful news, yet another, terrible blow to what's left of Syria secular/peaceful opposition
— Kim Ghattas (@BBCKimGhattas) December 10, 2013
Vaovao mangidy ny vaovao fakàna ankeriny an'ilay mpikatroka @razanz, ary mbola fanapoahana mahery vaika hoan'ny lahika mpanohitra sy milamina sisa tavela ao Syria
Tsy latsaka ambanin'ny fahasahiana sy fananana herimpo ny zava-bitan'i Zaitouneh. Nahazo ny loka Anna Politkovskaïa 2011, ny loka Sakharov 2011 sy ny lokan'ny vehivavin'ny Herimpo Iraisampirenena 2013 [International Women of Courage Award 2013] izy.

(sary: Metro, 2012)
Anisan'ny asa farany nataony ny filazana anisan'ny voalohany nataony tamin'ny habaka ny fisian'ny fanafihana tamin'ny alalan'ny fiadiana shimika tao Ghouta tamin'ny 21 Aogositra, araka ny nomarihan'ny Tonian'ny Foreign Policy any Afovoany Atsinanana David Kenner azy:
Shouldn't forget Razan Zaitouneh's groundbreaking work documenting the Aug 21 sarin attack – one of 1st on the scene. http://t.co/S7PHC0neWJ
— DavidKenner (@DavidKenner) December 10, 2013
Tsy tokony adinoina ny asam-panangonana tahirinkevitra mampiditra fomba vaovao nataon'i Razan Zaitouneh momba ny fanafihana tamin'ny (etona) sarin tamin'ny 21 aogositra – iray amin'ny voalhoany eo ambony sehatra.
Ny mpandrindra ny Amnesty International ao Angletera Kristyan Benedict dia nanamarika fa nifanandrify tamin'ny Andron'ny Zon'Olombelona ny nakana azy ireo an-keriny:
Two sides in #Syria? Maybe too simple but for sure there are those that respect human rights & those that don't. #FreeRazan #HumanRightsDay
— kristyan benedict (@KreaseChan) December 10, 2013
Ny andaniny roa ao Syria? mety ho tsotra loatra saingy hita tokoa fa misy ireo manaja ny zon'olombelona ary misy ireo tsy manaja.
Ny asan'i Zaitouneh niaraka tamin'ireo namana mpiara-miasa aminy nalaina an-keriny dia nanampy ny Syriana handrakitra ny very sy ny angona ny alahelony hatramin'ny nisian'ny korontana tao amin'ny firenena tamin'ny 2011. Ny VDC dia manaraka akaiky ny raharahan'ireo nalaina an-keriny ary miantso hatrany ny famotsorana azy ireny tsy misy hatak'andro. Ny asa sy ny fandraisana anjaran'izy ireo dia lehibe tokoa, tsy ho an'ny revolisiona ihany fa ho an'ny ampitson'i Syria. Ny fakana an-keriny azy ireo dia mandratra ny fanantenana sy ny fijery tsara (miabo) ny zavamisy miova endrika ao Syria amin'izao fotoana.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...