- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Na Handrotsaka Na Hanakana Ny Fanambadian'ny Mitovy Fananahana i Kroasia

Sokajy: Kroasia, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

Nanatontosa fitsapan-kevi-bahoaka i Kroasia tamin'ny Alahady 1 Desambra 2013, izay nifidianan'ny olom-pirenena Kroaty ny Eny na Tsia mikasika ny famaritana ao amin'ny Lalampanorenana ny mariazy ho fiarahana ara-dalàna eo amin'ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Nisy ny fihetsiketsehana natao tao Zagreb sy tao amin'ny tambajotra sosialy tamin'ny Asabotsy 30 Novambra sy ireo andro talohany ho fanoherana izany famaritana izany.

An image by an anonymous author that was widely circulated on social networks throughout the month of November 2013, prior to the referendum; "December 1, 1955. Rosa Parks refused to stand up from a bus seat reserved for whites. What will you do on December 1?"

Sary avy amin'ny mpanoratra iray tsy mitonona anarana izay nivezivezy tao amin'ny tambajotra sosialy nandritra ny volana Novambra 2013, talohan'ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny 1 Desambra 1955. Nandà hitsangana teo ambonin'ny seza natokana ho an'ny fotsy hoditra i Rosa Parks . Inona no nataonao tamin'ny 1 Desambra?”

Fahatelo tao Kroasia ity fitsapan-kevi-bahoaka ity hatramin'ny nahazoan'ny firenena ny fahaleovantenany ary anisan'ny lohahevitra mafana tamin'ny fampahalalam-baovao sy ny tambajotra sosialy, ary koa teo amin'ireo mpanao politika ao amin'ny firenena nandritra ny herinandro maromaro talohan'ny fandrotsaham-bato. Avy amin'ny fikambanan'olom-pirenena antsoina hoe “Amin'ny Anaran'ny Fianakaviana” ( ” U ime obitelji ” ) ny volavolan-kevitra, izay nahangona sonia 700 000, ary notohanan'ireo antoko politika mpandala ny fiarahamonina sy ny Eglizy Katolika ao Kroasia.

Nampiroborobo hatrany ny fanentanany ho an'ireo olom-pirenena ny fikambanana, ireo mpandala ny fiarahamonina sy ny fiangonana mba hifidy ny Eny ary nampiseho ihany koa ny fitsapan-kevitra (sondage) vao haingana fa manohana ny fampidirana izany famaritana ny mariazy izany amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Lalàmpanorenanana ny ankamaroan'ireo Kroaty. Nitatitra ny sasany tamin'ireo mpiserasera sy fampahalalam-baovao fa, ny marainan'ny fifidianana, nilaza tamin'ireo mpiangona ao aminy ireo fiangonana katolika mba handeha hamita adidy hifidy ny fanovana. Saiky Katolika Romana avokoa ny 90% an'ireo mponina 4,4 tapitrisa ao Kroasia. James Ker-Lindsay [1], mpikaroka ambony ao amin'ny politika Eoropeana Atsimo-Atsinanana ao amin'ny Sekolin'i Londra momba ny Toekarena nisioka [1] hoe:

Tao am-piangonana manerana an'i Kroasia, nolazaina ireo mpiangona androany maraina fa adidin'izy ireo ara-pinoana ny manohitra ny mariazy eo amin'ny olon-droa mitovy fananahana

Na dia izany aza, toa niteraka fihetsiketsehana teo amin'ireo olom-pirenena manohitra ity volavolan-kevitra ity ny tolo-kevitry ny mpandala ny fiarahamonina, ary nameno ny Aterineto nandritra izay herinandro vitsy izay ny media sosialy, ny fampahalalam-baovao antserasera sy hetsika marobe ataon'ireo pelaka na mpanohana ny fitovian-jo, indrindra nandritra ny herinandro nanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka. Misy ireo mpamaky sasany no tsy mahazo ny teny ifankafantarana hoe #protiv [5] (# manohitra) matetika mifangaro amin'ny mariazin'ny pelaka sy ny zon'ny LGBT tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter sy Facebook avy amin'ireo mpiserasera Kroaty nandritra izany andro izany, saingy raha ny zava-nisy, dia naneho ny heviny manohitra ny fampidirana ity famaritana ny mariazy ity ao amin'ny Lalàmpanorenana ao amin'ny firenena izy ireo. Tamin'ireo mpanao politika,ny filohan'i Kroasia Ivo Josipovic sy ny Praiminisitra Zoran Milanović no nitarika ampahibemaso ity fijery liberaly amin'ny fifidianana ity, ary niantso ny olom-pirenena hifidy hitsipaka ny volavolan-kevitra tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka kosa ny minisitry ny Raharaham-bahiny Vesna Pusić. 

Ivo Špigel [6], mpandraharaha avy ao Zagreb sady mpitantara isan'andro ao amin'ny Forbes Croatia, nilaza [7] hoe: 

Maraina! Andro tsara mibaliaka masoandro – andeha hifidy hitsipaka ny fitsapan-kevi-bahoaka, sy *hoan'ny * zon'olombelon'ireo rahavavy lesbiana sy rahalahy pelaka (homosexuel)

Monina ao Toronto sy miasa toy mpiaro ny zon'olombelona ilay mpisera Twitter @kristinapod [9], mpiavy avy ao Split, Kroasia, hoy izy naneho hevitra [10]:

Tsy misy firenena, tanàna, fiarahamonina na ambanivohitra tsy ahitanafitiavan'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana. Tsy mazava amiko mihitsy ny fitsapan-kevi-bahoaka handraràna ny mariazy eo amin'ny olon-droa mitovy fananahana

Taorian'ny fikatonan'ny fifidianana ny Alahady hariva , nitatitra ny fampahalalam-baovao tao an-toerana fa ny foiben'ny hetsika “Protiv» («Manohitra») dia nilaza hoe:

‘Manantena izahay fa nahahentana ny tsirairay izay manohana ny zon'olombelona.  #referendum [13] #protiv [11] http://t.co/covOy2KGj8 [14]

— 24sata (@24sa ta_HR) December 1, 2013 [15]

Ny andro mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka, nitsipaka ny fahazoan-dalan'ny fampahalalam-baovao [16] [sr] tamin'ireo fampahalalam-baovao  namoaka tati-baovaon'ny ny hetsika “Protiv” [tsy ho afa-miditra ao] amin'ny foiben-toeran'izy ireo ny fikambanana “Amin'ny anaran'ny fianakaviana” tamin'ny andron'ny fifidianana. Anisan'izany ohatra ny gazety mpivoaka isan'andro Večernji list sy ny 24 sata, ary tahaka izany koa ny fahitalavitra RTL izay tsy navela hitati-baovao tao amin'ny foiben-toeran'ny fikambanana. Noho izany fanapaha-kevitra izany, nanapa-kevitra hanohana ireo namany ka tsy nankany amin'ny foiben'ny fikambanana sy tsy hamoaka ny fanambarana an-gazety ny ankamaroan'ireo fampahalalam-baovao tao Kroasia nandritra ny andron'ny fitsapan-kevi-bahoaka. Mpisera Twitter @markopadovan [17] naneho hevitra momba izany taorian'ny fikatonan'ny fandrotsaham-bato:

Toa tsy nanasa mpanao gazety mihisy ny hetsika #protiv. [11]Tsy afaka manasa ny tenanao tokoa ianao. 

— Super Varijanta (@markopadovan) December 1, 2013 [18]

Toa nahazo fanohanana marobe avy amin'ny am-pielezana Kroaty ny hetsika #Protiv , saingy noho ny ankamaroan'ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta Kroaty sy ny olom-pirenena izay fantatra fa manohana ny fanovana ny lalàmpanorenana ao amin'ny firenena, sarotra ny hilaza mialoha izay mety ho voka-pifidianana. Helena Kos [19], tanora Kroaty mpila ravinahitra monina ao Berlin, nisioka [19] am-panantenana hoe: 

Vahoaka marobe ato amin'ny biraon'ny masoivoho [Kroaty], feno tanora mpifidy 🙂  #referendum [13] #protiv [11]

— Helena Kos (@helenakos) December 1, 2013 [20]

Raha Eny no lany amin'ny voka-pifidianana ary tapa-kevitra hamaritra ny mariazy ho fiarahana ara-dalàna eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray ihany ny olom-pirenena Kroaty, Kroasia no firenena Eoropeana voalohany mandràra amin'ny fomba ofisialy ny fanambadian'ny pelaka ao anatin'ny fotoana maharitra.

Nandrasana taorian'ny amin'ny 10 ora, na ny ampitso ny voka-pifidianana vonjimaika tamin'ny Alahady 1 Desambra. Amin'izao ora hanoratana ny lahatsoratra izao, 40%-n'ny biletam-pifidianana no efa voaisa, tao an-tanàndehibe avokoa ny ankamaroan'izany ka nifidy ny Eny, ho amin'ny fanovana ny Lalàmpanorenana, ny 60%-n'ireo mpifidy. Mpisera iray, Hamide Morina nisioka hoe:

Voka-pifidianana tsy ofisialy: ENY – 64,84% TSIA – 34,56; @musicfan1158 [21] -.—- #PROTIV [22]

— Hamide Morina (@Haamideee) December 1, 2013 [23]