Tantara tamin'ny 12 Desambra 2013
Nalaina An-keriny Tao Syria Ilay Mpikatroka Tony Fihetsika Razan Zaitouneh Sy Ny Ekipany
Mpikatroka efatra, anisan'izany ilay mpikatroka tony fihetsika malaza manerantany Razan Zaitouneh, avy ao amin'ny Ivotoeran-tahirim-pandikan-dalàna [Violations Documentation Center (VDC)] ao Syria no nalain'ireo lehilahy misaron-tava mitondra fitaovam-piadiana an-keriny, izay niteraka ny antso famotsorana azy ireo avy hatrany.
Na Handrotsaka Na Hanakana Ny Fanambadian'ny Mitovy Fananahana i Kroasia
Tamin'ny 1 Desambra 2013, nandeha nifidy tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka izay manolotra ny famaritana ny mariazy ho fiarahan'olo-ndroa eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray ho anaty lalàmpanorenana ny olom-pirenena Kroaty.
Noorjahan Akbar : “Afaka Hanova An'i Afganistana Ny Vehivavy”
Mpikatroka ny zon'ny vehivavy Afgàna sy bilaogera mavitrika i Noorjahan Akbar, 22 taona. Mihevitra izy fa nahitam-piovana tsara ny zon'ny vehivavy ao Afganistana nandritra izay taom-polo izay. Mino ihany koa izy fa fitaovana lehibe hoan'ny vehivavy Afgàna ny media sosialy mba hanehoana ny fitarainan'izy ireo.
Antso Ho Famotsorana Ilay Mpanao Gazety Sy Mpakasary Espaniola Nalaina An-keriny Tao Syria
Mitohy ny antso ho famotsorana an'ireo espaniola roa: mpanao gazety Javier Espinosa sy ilay mpakasary miasa tena Ricardo Garcia Vilanova, izay nalain'ny Fanjakana Islamika ao Syria sy Iraka an-keriny.
Nelson Mandela: Sakaizan'i Timor Leste Ary Olomangan'ny Lamaody Batik Indoneziana
Nandray andraikitra lehibe tamin'ny tolona hoan'ny fahaleovantenan'i Timor Leste i Nelson Mandela; ary nankasitrahana ho mpitafy lobaka batik netim-paharazana indoneziana malaza indrindra .
Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogera Ao Grozny, Ali Suleymanov
28 taona i Ali Suleymanov, mpahay maritrano sy mpanaingo trano teraka tao Tsetsenia, nandany ny fahatanorany tao amin'ny faritr'i Moskoa, nandia fianarana tao ary niasa toy ny mpanaingo ivelan'ny trano
Gazety Italiana Nandiso An'i Nelson Mandela Ho ‘Rain'ny Apartheid’
Mandela nefa, raha ny marina, no fitaovana fanalana ny apartheid, rafi-panavakavaha-bolonkoditra tao Afrika Atsimo.