Lahatsarim-Panadihadiana Velona: Fijoroana Vavolombelona momba ny Fanerena Tsy Hiteraka

“«Mety hoe tsotra ny fandrenesana ity fomba fihainoina ity saingy raha ny marina dia tena matanjaka tokoa ho an'ny fiarahamonina” – Maria Court, mpandrafitra ny tetikasa Quipu.

A group of women from Huancabamba contributing to the Quipu project. (Photograph republished with permission.)

Andiam-behivavy avy ao Huancabamba mandray anjara amin'ny tetikasa Quipu. (Sary nahazo alalana navoaka indray.)

Ny Tetikasa Quipu dia “lahatsary fanadihadiana niaraha-nifarimbona”. Tsy mikaroka sy mandrakitra ny tantaran'ny olona ihany, fa tetikasa mbola mitohy sy tantanin'ny fiarahamonina ary azo jerena amin'ny aterineto. 

Ny hanangona sy hizara ireo fijoroana vavolombelona avy amin'ireo vehivavy sy lehilahy teratany tokotokony ho 300 000 voakasiky ny fanentanana tao Però tsy hiteraka tamin'ny taompolo 1990 – izay marobe no tsy nampafantatra ny fanekeny na noterena hanaiky.

Ankehitriny, miasa ho tetikasa filamatra ao Huancabamba, avaratr'i Però ny Quipu. Manantena hampiely ny tetikasa manerana ny firenena izy ireo, manome fahafahana hoan'ireo lasibatra tsirairay mba handray anjara.

Fitantarana amin'ny finday.

Afaka mandrakitra ny tantarany sy mihaino ny tenany sy ny hafa ireo mpandray anjara, afa-manararaotra mampitombo herijika hahazo finday. Ho azo jerena amin'ny aterineto, ao amin'ny habaky ny Quipu avy eo ny tantara.

Ny tanjon'izy ireo dia ny hampivelatra ny rafitra hahafantaran'ireo mpitantara fa misy mihaino ny tantaran'izy ireo. Izany fijoroana izany dia manohitra ny fanaovana izay hahakely indrindra ny fisoloantenan'ireo vondrona teratany ireo amin'ny fitondrana ao an-toerana na ao amin'ny fampitam-baovao.

Misy ihany koa antony hafa mahatonga ity tetikasa ity. Miasa ho toy ny fanazarana hianatra ny fomba itenenana ireo tantara manokan'ny tena ny tetikasa Quipu. Satria an-dalana ny famotorana ireny heloka ireny, mety hisokatra indray ny raharaham-pitsarana hihainoana vavolombelona. Raha mitranga izany, mety misy ny fahafahana ho an'ny sasantsasany amin'ireo fokonolona ireo handeha ho any an-drenivohitra Lima hiaro ny raharaha momba azy ireo. Raha izay manko dia tsy amin'ny tena manokana ihany ny fiantraikan'ny talenta fitantarana fa eo amin'ny fitsarana ihany koa.

Mifandray amin'ireo fiarahamonina.

Nirotsaka an-tsehatra tamin'ny tetikasa ny Dr. Matthew Brown, mpikaroka momba an'i Amerika Latina avy ao amin'ny Oniversiten'i Bristol. Nanoratra tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa izy tamin'ny volana Septambra:

I have been talking about our project with a variety of Peruvians, gauging the opportunities that we might be able to offer against the many difficulties which surround the project and the politicised opinions which surround any subject linked to the polarising Fujimori regime…memories of the mass sterilization project have not received the same level of political or judicial attention as what we might see as more straightforward, ‘political’ human rights abuses.

Perhaps this is due to memory fatigue, a desire by Peruvian society to move on from thinking about its past at a time of relative economic upturn. Perhaps it is because global economic crisis has reduced the funds available to campaigning NGOs. Or perhaps it is because the majority of victims were women, and because they lived in the provinces, far from central government.

Niresaka momba ny tetikasanay aho niaraka tamin'ireo Peroviana isan-karazany, manombana ny fomba mety azontsika atolotra manoloana ny fahasarotana maro mety manodidina ny tetikasa sy ny fihevitra mampiditra politika izay lohahevitra rehetra misy ifandraisany amin'ilay fitondrana mampiadin'i Fujimori … tsy mahazo fifantohana tahaka ny amin'ny sehatra politika na ara-pitsarana tahaka ny fahitantsika mivantana, ‘ara-politika’ ho fanosihosena ny zon'olombelona aza ny tetikasa fanamombàna ny vahoaka.

Agamba noho ny harerahan'ny tsiaro, fanirian'ny fiarahamonina Peroviana hiala amin'ny fieritreretana ny lasany teo amin'ny vanim-potoanan'ny fiarenan'ny toekarena kely. Angamba ny krizy ara-toekarena manerantany no nampihena ny famatsiam-bola tokony omena ONG nanao ny fanentanana. Na angamba satria vehivavy avokoa ny ankamaroan'ireo lasibatra, ary satria nonina tany amin'ny faritany izy ireo, lavitry ny governemanta foibe.

Manaiky ny ekipan'ny Quipu – izay, rehefa tsy any Però, dia miorina ao amin'ny Chaka Studios ao London – fa maro ny fanamby hifandraisana amin'ireny fokonolona lavitra andriana ireny. Amin'izao fotoana izao izy ireny dia miasa miaraka amin'ny fikambanam-behivavy ao an-toerana antsoina hoe Instituto de Apoyo al Movimiento Autónomo de Mujeres Campesinas [sp] (AMAMC) ao Huancabamba mifandray amin'ireo vehivavy mpitarika ao an-toerana.

An old painted advertisement for family planning: "only you can decide".

dokambarotra tranainy ho fandrindrana ny fiainam-pianakaviana: “ianao ihany no manapa-kevitra”. Nahazoana alalana

Nandritra ny fotoam-pikarohana ho an'ny tetikasa, dia nanao atrikasa hanombanana ny tombontsoan'ny ao an-toerana ihany koa izy ireo. Tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa no nahitana izao:

The reception of the women’s organization in Huancabamba, was incredible. Esperanza, one of its leaders, began promoting the interactive workshop that they were organizing in collaboration with Quipu Team, days before the crew arrived. She sent a message through the local radio, calling name by name to each woman that was invited to come. Without her help and enthusiasm we would never have been able to achieve a successful test of a technology so alien to most of our participants.

Tsy mampino ny fandraisan'ny fikambanam-behivavy tao Huancabamba. Esperanza, iray amin'ny mpitarika ao aminy, no nanomboka nampiely ny atrikasa ifanoloran-kevitra izay nomanin'izy ireo miaraka amin'ny ekipan'ny Quipu, andro maromaro mialoha ny hahatongavan'ny ekipa. Nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny radio tao an-toerana izy, nanonona tsirairay ny anaran'ny vehivavy asainy ho tonga. Raha tsy nisy ny fanampiany sy ny fientanentanany dia tsy ho nahavita na oviana na oviana nampahomby ny fanandramana ny teknolojia izay zava-tsy fantatry ny maro amin'ny mpandray anjara mihitsy.

Manana toetany isan-karazany i Però eo amin'ny jeografia, ary nahatratra ny fokonolona (vazimba) teratany maro manerana ny firenena ny fanentanana fanamombàna, hatrany avaratry ny tangorom-bohitra ka hatreny amin'ny morontsiraka andrefana. Maro amin'ny fokonolona, tahaka ny any Huancabamba, no miteny espaniola. Saingy, misy ireo hafa tahaka ny vondrona Inca monina akaiky kokoa an'i Cuzco no miteny Quecha. Hoy i Maria Court hoe mety hifindra amin'ny programam-pandikanteny ihany ry zareo mba handraisana fiteny hafa.

A brochure from the Quipu project advertising the program. Republished with permission.

Sombin-taratasy avy amin'ny tetikasa Quipu manao dokambarotra ny fandaharan'asa. Nahazoana alalana.

Ny “Quipu” dia rindram-pifandraisana Inca fahiny amin'ny alalan'ny vona (fomba famatotra amin'ny tady ohatra), fa tsy tahaka ny “tantara ampitaina am-bava.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.