- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aostralia: Tsy Ny Rehetra No Mankasitraka Ny Tenona Avy Any Anaty Lalan-jaza

Sokajy: Oseania, Aostralia, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina

[FAMPITANDREMANA: Miaty sary mety hanafintohina ity lahatsoratra ity]

Casing Off My Womb Image courtesy: Casey Jenkins. Photographer Tarz McDonald. [1]

Mandatsaka Vatofantsika avy any amin'ny Trano-jazako. Sary natolotr'i: Casey Jenkins. Mpaka sary Tarz McDonald

Miainga avy amin'ny fanehoankevitra sasany ao Aostralia sy avy any ivelany, azo ilokàna fa ho tohina ny sasany amin'ireo mpamaky, ho tezitra mafy mihitsy aza, amin'ity tantara ity. Ny onjampeom-pirenena, ABC (Australian Broadcasting Corporation), dia nandefa lohahevitra iray tao amin'ny onjampeony manao hoe Taokanto ve ny tenona avy any anaty lalan-jaza? [2] tamin'ny 9 Desambra 2013. Mikasika asakanto iray niangalian'ilay Aostraliana vavy Casey Jenkins izy io, nitondra ny lohateny hoe Mandatsaka vatofantsika avy any amin'ny tranon-jazako [1]. Efatra herinandro eo no laniny hanenomana kofehy volonondry avy any anaty lalan-jazany any. Tapabolana lasa izay, ny SBS2 (Special Broadcasting Service) koa, tobim-pahitalavitra iray an'ny fanjakana, dia nampiseho lahatsary iray. [3]

Nalaky be ny fanehoankevitra tety anaty aterineto. Tena mizarazara be ireo fanehoankevitra sy tsikera ao amin'ny tranonkalan'ny fandaharana Books & Arts Daily [2] an'ny ABC mikasika ny maha-taokanto sy ny mampitombina na mampiavaka azy ity. Tsy nanakiana i Lux Dentata:

Mazava loatra fa taokanto io.
Asa famoronana arahana hafatra. Raha tsy taokanto io dia inona indray ary?
Tsy takatro mihitsy hoe maninona ny olona no maloiloy amin'ny fanatsofohana kofehy volonondry any anaty làlan-jazanao'?  Hasy, volonondry, voatabia, …
Tsara ry Casey, Fatratra loatra

Fohy fa mahafehy zavatra maro ny hafatr'i Stan Osmelak :

Zavatra tsy misy ilàna azy voalohany indrindra teto an-tany natao ho an'ny tenany ihany

Taorian'ny nanolorany hevitra ny amin'ny tokony “hanaovana fitiliana ara-tsaina (aretin-tsaina)”, norasin'i Sue ho lasibatra ilay nandefa ny hafatra :

Ity karazana lohahevitra ity koa dia bàla mahafinaritra miantefa amin'ny Governemanta Federaly hilazàna fa tsy ampy fahalàlana no sady mivoaka ny vanim-potoana ny ABC ka tokony hotapahana ny famatsiam-bola azy na akatona any. Marina mafy ry ABC – aza manonofy e!

Casting Off Wool [1]

Kofehy volonondrin'ny ‘Mandatsaka Vatofantsika’. Sary natolotr'i: Casey Jenkins. Mpakasary Leanne Waterhouse

 

Mandritra io fotoana io, marobe ny fanehoankevitra tao amin'ny Twitter tao Aostralia, isan'ireny ny :

( Ny kofehy) Tenona avy any anaty tranon-jaza. Tsy azoko antoka hoe haniry hijery an'izany ny olon-drehetra, fa dia mbola mivanàka aho aloha e. #Vagina [4] http://t.co/HmFgxLunZp [5]

— Cori (@Cori_Cori_Cori) 4 Desambra 2013 [6]

Ooooay tena tohina mafy mihitsy ny olona sasany @TheFeedSBS2 [7] #VaginaKnitting [8] http://t.co/BW0d8F1Bwa [9]

— Craig Tranter (@craigtranter)  4 Desambra 2013 [10]

Araka ny anehoan'ilay tenifototra #vaginaknitting [11] azy tsara, nisy ihany koa ny fipoahana erantany hatrany amin'ny twitter

Ny marina dia niparitaka be izy io ho an'ny sasany. Ilay ‘geek Amerikana-Aostraliana’ Kris Howard dia nitaky fialantsiny:

Ny hany zavatra tokana ratsy indrindra tamin'ny rohy nalefan'olona 15 tamiko mikasika fanenomana dia olona 15 nandefa rohy mikasika ilay tenona avy any anaty tranon-jaza. MIANGAVY ANAREO AHO, ATSAHARO.

— Kris Howard (@web_goddess) 3 Desambra 2013 [12]