Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Aostralia: Tsy Ny Rehetra No Mankasitraka Ny Tenona Avy Any Anaty Lalan-jaza

[FAMPITANDREMANA: Miaty sary mety hanafintohina ity lahatsoratra ity]

Casing Off My Womb Image courtesy: Casey Jenkins. Photographer Tarz McDonald.

Mandatsaka Vatofantsika avy any amin'ny Trano-jazako. Sary natolotr'i: Casey Jenkins. Mpaka sary Tarz McDonald

Miainga avy amin'ny fanehoankevitra sasany ao Aostralia sy avy any ivelany, azo ilokàna fa ho tohina ny sasany amin'ireo mpamaky, ho tezitra mafy mihitsy aza, amin'ity tantara ity. Ny onjampeom-pirenena, ABC (Australian Broadcasting Corporation), dia nandefa lohahevitra iray tao amin'ny onjampeony manao hoe Taokanto ve ny tenona avy any anaty lalan-jaza? tamin'ny 9 Desambra 2013. Mikasika asakanto iray niangalian'ilay Aostraliana vavy Casey Jenkins izy io, nitondra ny lohateny hoe Mandatsaka vatofantsika avy any amin'ny tranon-jazako. Efatra herinandro eo no laniny hanenomana kofehy volonondry avy any anaty lalan-jazany any. Tapabolana lasa izay, ny SBS2 (Special Broadcasting Service) koa, tobim-pahitalavitra iray an'ny fanjakana, dia nampiseho lahatsary iray.

Nalaky be ny fanehoankevitra tety anaty aterineto. Tena mizarazara be ireo fanehoankevitra sy tsikera ao amin'ny tranonkalan'ny fandaharana Books & Arts Daily an'ny ABC mikasika ny maha-taokanto sy ny mampitombina na mampiavaka azy ity. Tsy nanakiana i Lux Dentata:

Mazava loatra fa taokanto io.
Asa famoronana arahana hafatra. Raha tsy taokanto io dia inona indray ary?
Tsy takatro mihitsy hoe maninona ny olona no maloiloy amin'ny fanatsofohana kofehy volonondry any anaty làlan-jazanao'?  Hasy, volonondry, voatabia, …
Tsara ry Casey, Fatratra loatra

Fohy fa mahafehy zavatra maro ny hafatr'i Stan Osmelak :

Zavatra tsy misy ilàna azy voalohany indrindra teto an-tany natao ho an'ny tenany ihany

Taorian'ny nanolorany hevitra ny amin'ny tokony “hanaovana fitiliana ara-tsaina (aretin-tsaina)”, norasin'i Sue ho lasibatra ilay nandefa ny hafatra :

Ity karazana lohahevitra ity koa dia bàla mahafinaritra miantefa amin'ny Governemanta Federaly hilazàna fa tsy ampy fahalàlana no sady mivoaka ny vanim-potoana ny ABC ka tokony hotapahana ny famatsiam-bola azy na akatona any. Marina mafy ry ABC – aza manonofy e!

Casting Off Wool

Kofehy volonondrin'ny ‘Mandatsaka Vatofantsika’. Sary natolotr'i: Casey Jenkins. Mpakasary Leanne Waterhouse

 

Mandritra io fotoana io, marobe ny fanehoankevitra tao amin'ny Twitter tao Aostralia, isan'ireny ny :

( Ny kofehy) Tenona avy any anaty tranon-jaza. Tsy azoko antoka hoe haniry hijery an'izany ny olon-drehetra, fa dia mbola mivanàka aho aloha e. #Vagina http://t.co/HmFgxLunZp

— Cori (@Cori_Cori_Cori) 4 Desambra 2013

Ooooay tena tohina mafy mihitsy ny olona sasany @TheFeedSBS2 #VaginaKnitting http://t.co/BW0d8F1Bwa

— Craig Tranter (@craigtranter)  4 Desambra 2013

Araka ny anehoan'ilay tenifototra #vaginaknitting azy tsara, nisy ihany koa ny fipoahana erantany hatrany amin'ny twitter

Ny marina dia niparitaka be izy io ho an'ny sasany. Ilay ‘geek Amerikana-Aostraliana’ Kris Howard dia nitaky fialantsiny:

Ny hany zavatra tokana ratsy indrindra tamin'ny rohy nalefan'olona 15 tamiko mikasika fanenomana dia olona 15 nandefa rohy mikasika ilay tenona avy any anaty tranon-jaza. MIANGAVY ANAREO AHO, ATSAHARO.

— Kris Howard (@web_goddess) 3 Desambra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.