- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amp Laharana faharoa : 27 Novambra – 6 Desambra

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Thanks to everyone who participated in our call to shout out why you <3 Rising Voices! Here are a few of the responses:

I <3 @risingvoices [1] because they (we?!) give small communities the chance to speak out and be heard! ‏@maribreyt [2]

I follow because I support SHOUTING about development! @mckenzieafrica [3]

I <3 @risingvoices [1] because it reminds me how beautiful the internet can be @solanasaurus [4]

because I believe that social media is pure, raw news comes from honest people who want real change @r_alhames [5]

Misaotra ny rehetra nandray anjara sy namaly ny antsonay mba hikiakiaka ny antony hitiavanao ny Rising Voices! Indreto sasany tamin'ireo valin-teny:

I <3 (tiako ny) @risingvoices [1] satria manome fahafahana hoan'ny fiarahamonina madinika haneho hevitra sy hohenoina @maribreyt [2]
Manaraka ny risingvoices aho satria tohanako ny FITABATABANA momba ny fampandrosoana! @mckenzieafrica [3]

I <3 (tiako ny) @risingvoices [1] satria mampatsiahy ahy izany hoe mety hakanton'ny aterineto izany @solanasaurus [4]

satria mino aho fa madio ny media sosialy, bolongam-baovao avy amin'ireo olona mahatoky maniry ny tena fiovana @r_alhames [5]

Avy amin'ny Bilaogy…

Lahatsarim-Panadihadiana Velona: Fijoroana Vavolombelona momba ny Fanerena Tsy Hiteraka [mg]  [6] – Tamin'ny taompolo 1990, lehilahy sy vehivavy teratany marobe ao Però no niharan'ny hetsika fanerena homomba, ny tetikasa Quipu dia miasa miaraka amin'ireo vondro-piarahamonina ao an-toerana mba hampandrenesana ireo tantara ireo amin'ny alalan'ny fitambaran'ny teknolojia iva sy avo lenta, amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto.

Tsy Sampan-teny ny tenin-teratany-[mg] [7] anisan'ny hetsika vaovao notontosain'ny Tranombokim-Pikarohana Juan de Córdova avy ao amin'ny Ivotoeran-Kolontsaina San Pablo ao Oaxaca, Meksika ny hafatra hoe tsy sampan-teny ny tenin-taratany. Ny tanjony dia ny hanova ny fomba fijery momba ny tenin-teratany, fa tsy mitovy amin'ireo fiteny hafa manerantany mahasehaka izao tontolo izao.

Teknolojia ho Fanorenana Fandriampahalemana: Tahiry An-tserasera [8] – Ny Rakitry ny Fananganana Fandriampahalemana dia mikendry handrakitra an-tantara ny fifanojoan'ny fananganana fandriampahalemana sy ny teknolojia vaovao manerantany, mifantoka amin'ny teknolojian'ny fifandraisana, tambajotra ary ny lalao.

Ny Fahaterahan'ny Hetsika Hackerspace Rosiana [mg] [9]ny hackerspace neuron ao Moskoa no mitari-dalana ny hetsika hackerspace ao Rosia. Niresaka tamin'ny mpamorina ny neuron mikasika ny fomba fananganana fikambanana sy fihavaozana amin'ny alalan'ny hackerspaces, sady miasa ihany koa ho fampifandraisana ny lasan'ny firenena.

Ny Otri-Pivoaran'ny Teknolojia Eto Afrika: Sisintany (Vaovao) Rahatrizay?[mg] [10] Satria lasa sisintany vaovaon'ny fandrosoana nomerika i Afrika, nijery ireo fisantaran'andraikitra sasany vao haingana mba hitrandrahana ny fomba fampandrosoan'ny teknolojia vaovao manerana ny kaontinanta izahay.

GV meetup in Kampala, Uganda.

GV meetup tao Kampala, Uganda.

Brezila: Ho amin'ny fiovàn'ny fahazotoan'olo-tsotra manao asan-gazety Amin'ny tanàna Antonontonony – [11]Amigos de Januária, tetikasa vatsian'ny Rising Voices ara-bola tamin'ny taona 2011, dia vondron'olo-tsotra manao gazety sy mpikatroka izay manohy mitady fitaovana nomerika ampiasainy tamin'ny atrikasa tokana nataon-dry zareo roa taona lasa izay, mba hanamafisana ny  feon'ny fiarahamonina ao an-toerana miresaka momba ny fanovana.

 

 

Toolbox:

Ampiasao ny Civicus [12]‘ sehatra vaovao hizarana tantara momba ny fikatrohana sivika ataonao miaraka amin'ny Be the Change (Mitondrà Fiovana). [13]

Namoaka fampiharana vaovao  [14]ny International Center on Nonviolent Conflict ( Foibe Iraisampirenena momba ny Fifandirana Tsy Misy Herisetra) ka ahafahana miditra amin'ireo fitaovam-pampianarana sy fikarohan'ny ICNC rehetra,  hijerena ny vaovao farany momba ny hetsika sy vaovao farany indrindra momba ny fifandirana sy ny tolona manerantany rehetra tsy misy herisetra.

Fananganana Habaka 23 hoan'ny Tahirim-boky [15], lisitr'ireo hetsika fampianarana ara-nomerika sy fitaovana izay azonao ampiasaina ao amin'ny tahirim-bokinao (raki-tahiry) – fitaovam-pampianarana avy amin'ny Mozilla Firefox.

Tamin'ny Vaovao:

Lahatsoratra GV  Ny football, Fampiraisana Ny Fiaraha-Monina Ao Nizera[mg], [16]lahatsoratra avy amin'ny tetikasa vatsian'ny Rising Voices Mapping for Niger [17]

Tetikasa Nomerika 100 mampiasa teknolojia nomerika ho amin'ny fanasoavana ny fiaraha-monina  izay tena mampisy aingam-panahy tokoa http://bit.ly/1fAJobE [18]

Beekeeping is an important source of income for Aché indigenous communities in Paraguay. Photo taken in Puerto Barra and published on Ache Djawu blog.

Fidiram-bola goavana hoan'ireo fiarahamonina indizeny Aché ao Paragoay ny fiompiana tantely. Sary nalaina tao Puerto Barra ary navoaka tao amin'ny bilaogy Ache Djawu.

Lahatsoratra: tao amin'ny dmlcentral [19]: Media sosialy: Miditra amin'ny aterineto ireo Foko Indizeny ao Brezila amin'ny tolon'izy ireo mba hohainoina [20]

Miara-miasa amin'ny Oximity [21]ny Global Voices [22], sehatra vaovao hamakiana sy hampivelarana ny vaovao- jereo ao ihany koa ny lahatsoratry Rising Voices!

Tombotsoa Azo Trandrahana sy Hetsika:

Vatsim-pianarana mankany Washington hoan'ny Tanora Afrikanina Mpitarika [23] mba hanolo-tena ho amin'ny mpitarika Afrikanin'ny taranaka manaraka. Misorata anarana hatramin'ny 24 Janoary.

Famatsiana ara-bola vonona avy amin'ny Clinton Global Initiative, manolotra vola mitotaly $100.000 [24]mba hifantenana izay mpianatra tompon'andraikitra sy mazoto amin'ny alalan'ny Social Venture Challenge [25].[Fanambin'ny Fahasahiana Ara-tSosialy]

Ampidiro ny horonantsarinao [26] hifaninana amin'ny Fiantraikan'ny Sosialy Media amin'ny 7 Janoary. Mitady vokatra orizinaly, hendry, be herim-po, manokatra ny maso ary ry zareo izay hanaitra ny mpijery ny fisian'ny tsy rariny amin'ny ankapobeny.

GV Meetup in Phnom Penh, Cambodia.

GV Meetup tao Phnom Penh, Kambodja.

Te hitantara momba ny tontolo misy anao? vatsim-pianarana 20 no vonona ao amin'ny Global Journalism [27]ho an'ireo matihanina mikasa hirotsaka amin'ny sehatry ny asa fanaovan-gazety - Oniversite ao Toronto miaraka amin'ny sekoly Munk. [27]

Afaka mifaninana amin'ny tetikasa fifanakalozana ICFJ 2014 ao Afrika Atsinanana [27]ireo mpanao gazety Kenyana.

Kaoferansa momba ny fananganana Fandriampahalemana amin'ny alalan'ny teknolojia [28] ho atao ao Cambridge, MA (US) … (miaraka amin'ny fandraisam-pitenenan'ny mpiara-manorina ny GV Ethan Zuckerman)

Inona no vitantsika…

Mandeha ny GV meetups! Tao anatin'izay roa herinandro vitsy izay, hitantsika ny fihaonana tao Phnom Penh, , Kambodza [29]; Kairo, Ejipta [30]; Kampala, Oganda [31]; sy Skopje [32], Macedonia.