Namoy ny ainy tamin'ny Alakamisy 5 Desambra 2013 teo amin'ny faha-95 taonany i Nelson Mandela, filohan'i Afrika Atsimo voalohany voafidy tamin'ny fomba demokratika sy nahazo ny loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana. Nigadra nandritra ny 27 taona izy noho ny tolona nataony manohitra ny rafitra fanavakavaham-bolokoditra tao Afrika Atsimo fantatra amin'ny anarana hoe apartheid. Navotsotra tamin'ny taona 1990, lasa filoham-pirenena izy efa-taona taty aoriana ary nandao izany toerana izany rehefa nahavitra ny fe-potoam-piasany, fihetsika tsy dia fahita firy eo amin'ny sehatry ny politika Afrikanina.
Mahay mandaha-teny mahavariana ity olom-panjakana mamin'izao tontolo izao ity. Avy amin'ny lahateny nataony tao amin'ny fitsarana nandritra ny fitsarana momba ny raharaha Rivonia tamin'ny taona 1964 ny iray amin'ireo fomba fiteniny malaza voatsonga, hoy izy tamin'izany fotoana izany:
I have fought against white domination, and I have fought against black domination. I have cherished the ideal of a democratic and free society in which all persons live together in harmony and with equal opportunities. It is an ideal which I hope to live for and to achieve. But, if need be, it is an ideal for which I am prepared to die.
Nitolona tamin'ny fanjakazakan'ny fotsy hoditra aho, ary nitolona tamin'ny fanjakazakan'ny mainty hoditra. Nolalaiko ny tsangan-kevitra idealin'ny fiaraha-monina demaokratika sy afaka izay iarahan'ny olona rehetra miaina ao anatin'ny firindrana sy ny fahafaha-manao mitovy. Izany ho idealy antenaiko hiainana sy hotontosaina. Saingy, raha ilaina, izany no idealy hiomanako ho faty.
Ankoatra ny lahateniny tamin'ny raharaha Rivonia tao amin'ny fitsarana, namela fomba fiteny feno fahendrena sy azo tsarovana marobe i Nelson Mandela nandritra ny fiainany. Na dia lasa aza izy, dia mbola miresaka amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ireo mpisera Twitter, izay naneho hevitra manoloana ny vaovao nahafatesany tamin'ny alalan'ny teniny nozaraina.
Momba ny fitsarana:
“Do not judge me by my successes, judge me by how many times I fell down and got back up again.”- Nelson Mandela #RIPNelsonMandela
— Kate Gonzales∞♥ (@ReeeyPJr) December 6, 2013
« Aza tsaraina amin'ny fahombiazako aho; tsarao amin'ny isan'ny fotoana nianjerako sy nitsanganako aho.»
“I am not a saint, unless you think of a saint as a sinner who keeps on trying.” – Nelson Mandela
— Alfredo Flores (@AlfredoFlores) December 6, 2013
“Tsy olo-masina aho, raha tsy hoe mihevitra ianao fa ny olo-masina dia ilay mpanota miezaka hatrany” Nelson Mandela “
Mikasika ny Fankahalàna:
“Hating clouds the mind. It gets in the way of strategy. Leaders cannot afford to hate.” — Nelson Mandela http://t.co/lUjOnHI7Jh
— Simon Jones (@mrjonesinsf) December 6, 2013
« Manamaizina ny saina ny fankahalàna. Manakana eo amin'ny ny lalan'ny teti-panorona izany. Tsy mahazaka mankahala ny mpitarika. »
“If they can learn to hate, they can be taught to love, for love comes more naturally to the human heart than its opposite.” #NelsonMandela
— John Roberts (@JohnRobertsFun) December 6, 2013
« Raha azo ampianarina hankahala izy ireo, dia azo nampianarina hitia, tonga ho azy kokoa ao am-pon'ny olombelona ny fitiavana noho ny mifanohitra amin'izany. »
No one is born hating… _Nelson Mandela pic.twitter.com/nzs8zxNKrw
— Joseph Attieh (@AttiehJoseph) December 6, 2013
Tsy misy nateraka hankahala…
Momba ny famelan-keloka:
“Courageous people do not fear forgiving for the sake of peace.”#NelsonMandelaquotes
— ♠I_am_tobi☺™ (@AsvpNast) December 5, 2013
“Tsy matahotra ny hamela heloka noho ny fitadiavana fandriampahalemana ny olona mahery fo”
“You will achieve more in this world through acts of mercy than you will through acts of retribution” #NelsonMandelaQuotes
— Sagittarius Queen (@Phin_Dee) July 18, 2012
« Hahavita zavatra maro eto amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fihetsika mamindra fo ianao noho ny amin'ny fihetsika mamalifaty. »
Momba ny fanatanjahantena:
“Sport can awaken hope where there was previously only despair.” #RIPNelsonMandela http://t.co/6TFhK8H6jb pic.twitter.com/ymmPVXCbDo
— HuffPost UK (@HuffPostUK) December 6, 2013
“Afa-manaitra ny fanantenana eo amin'izay vao nanjakan'ny famoizam-po ny fanatanjahatena. »
Momba ny fitarihan'olona:
“Lead from the back — and let others believe they are in front.” ― #NelsonMandela #NelsonMandelaQuotes pic.twitter.com/4woa35MpEB
— Move! magazine SA (@MoveMag) December 6, 2013
« Mitariha avy any aoriana – ary avelao ny hafa hahatsapa fa eo aloha izy ireo. »
Momba ny fanavakavaham-bolokoditra:
“I detest racialism because I regard it as a barbaric thing, whether it comes from a black man or a white man.” #NelsonMandelaQuotes
— Gabriel Le Roux (@gabrielpleroux) December 6, 2013
“Ankahalaiko ny fanavakavaham-bolokoditra satria sokajiako ho lozabe izany, na avy amin'ny olona mainty hoditra izany na avy amin'ny fotsy hoditra. »
Mikasika ny herimpo:
‘it always seem impossible until it's done.’ #NelsonMandelaQuotes pic.twitter.com/mSKP0LBrRX
— melike futtu (@bilendikcebilen) December 6, 2013
« Toa tahaka ny zavatra tsy azo tanterahina mandra-pahavitany »
The brave man is not he who does not feel afraid, but he who conquers that fear.- Nelson Mandela, Long Walk To Freedom, 1994
— JHB STUDENTS (@JHBSTUDENTS) December 6, 2013
« Tsy izay tsy mahatsiaro tahotra no atao hoe olona mahery fo, fa ireo izay mandresy izany tahotra izany. »
“Honour belongs to those who never forsake the truth, even when things seem dark and grim.”-Nelson Mandela 1969 #RIP
— ANC_LECTURES (@ANC_LECTURES) December 6, 2013
« Ny voninahitra dia ho an'ireo izay tsy mba miala mihitsy amin'ny marina, na dia toa ao anatin'ny aizina sy ny sarotra aza. »
Momba ny fahafahana:
“For to be free is not to merely cast off one's chains, but to live in a way that respects and enhances the freedom of others. “#RIPMandela
— Angisiwe Mafumana (@Angi_M_) December 6, 2013
« Ny atao hoe afaka dia tsy ny mamaha fatotra olona iray ihany; fa miaina am-panajana sy manamafy ny fahalalahan'ny hafa. »
Momba ny fanabeazana:
“Education is the most powerful weapon which you can use to change the world.” ~Nelson Mandela RIP.
— Chris (@Valandir) December 6, 2013
« Ny Fanabeazana no Fitaovam-piadiana mahery indrindra ahafahanao manova izao tontolo izao. »
Momba ny fanagadrana:
“It is said that no one truly knows a nation until one has been inside its jails.” ― #NelsonMandelaQuotes
— RISE NETWORKS (@Risenetworks) December 6, 2013
« Lazaina fa tsy misy olona mahafantatra tsara ny firenena iray raha mbola tsy tao anatin'ny fonjany. »
Momba ny adidy:
“When a man has done what he considers to be his duty to his people & his country, he can rest in peace” ~ Nelson Mandela #RIPNelsonMandela
— Melv73™ (@Melv73) December 6, 2013
« Raha nahatontosa izay sokajiany ho andraikiny eo amin'ny vahoakany sy ny fireneny ny olona iray , dia afaka handry am-piadanana izy. »