Ilay Mpisolo Vava Tsetsena sy ilay Kolonely Rosiana Maty

Colonel Budanov and the lawyer who defended his alleged killer. YouTube screenshots.

Kolonely Budanov sy ny mpisolovava izay niaro ny olona voalaza fa namono azy. Sary pika teo amin’ny YouTube.

Ny herinandro lasa teo, nanambara ny Komity misahana ny Fikarohana tao Rosia fa nanomboka nanadihady mikasika ny raharaha Murad Musaev izy ireo, mpisolovava iray izay miasa momba ny fiarovana ireo Tsetsena amina raharaha avo lenta, voalaza fa nividy vavolombelona iray tao amin’ny sampam-pitsarana. Manamafy ilay vavolombelona fa nanome vola 15.000 roubles (manodidina ny 500 dolara) azy mba hanao vavolombelona hosoka nandritra ny fitsarana ilay voalaza ho namono ny Kolonely Budanov tamin'ny volana Febroary 2013.

Boudanov, izay nigadra nandritra ny 9 taona noho ny fakàna an-keriny sy famonoana tovovavy Tsetsena iray nandritra ny ady (nolazainy fa mpitifitra maty hanina io vehivavy io), nisy namono tamin'ny taona 2011, fotoana fohy taorian’ny nivoahany. Lehilahy Tsetsena iray, Youssoup Temerkhanov, no voasambotra ary voalaza ho efa nikonokonona ny famonoana azy valo taona mialoha. Niaro an’i Temerkhanov i Musaev, izay voaheloka ary voasazy 15 taona antranomaizina (tsy misy fanamelohana ho faty any Rosia). Nurdi Nuhazhiev, Mpiaro ny zon'olombelona ao Tsetsena no niaro an’i Musaev [ru] rehefa nibaribary ilay tantara mikasika ny kolikoly, ary dia tsy heno intsony izany raha tsy taorian'ny fanambàrana nataon’ny mpanao fanadihadiana indray. 

24 ora latsaka taty aoriana, nizara ireo sary misy an’i Musaev sy Markin teo amin’ny kaontiny Instagram [ru] ny filoha Tsetsena Ramzan Kadyrov, sady niaro an’i Musaev (nampiasa Instagram avo lenta ho toy ny vovonana bilaogy i Kadyrov) hoe:

Многие аналитики полагают, что СК не понравилось, с каким упорством Мусаев защищал обвиняемого в убийстве Юрия Буданова человека, а также с каким усердием он выступает и на других громких процессах […]

Mpandalina maro no mino fa tsy tia ny fizirizirian'i Musaev tamin'ny niarovany ilay voaheloka tamin'ny famonoana an’i Louri Boudanov, sy ny fahavitriany tamin'ireo raharaha lehibe hafa ny Komisiona Mpanadihady […]

Mbola nanohy miahiahy mikasika ny fandraisana andraikitry ny Komity Mpanadihady i Kadyrov amin'ny fanadihadiana ireo heloka an'ady nataon'i Budanov, izay tena marobe tokoa:

[…] следствие до сих пор не предприняло ничего для того, чтобы установить все преступления Буданова и дать им предусмотренную законом правовую оценку. Вместо этого, из него до сих пор определенные силы пытаются сделать героя.

[…] hatreto, tsy mbola nisy zava-bitan’ireo mpanadihady mikasika ireo vono olona nataon’i Boudanov sy ny fandinihana azy ireo ara-dalàna. Indrisy ary fa miezaka manandratra azy foana ireo hery sasany.

Mihetsika noho ny tsy fahafaliany i Alexei Navalny toy ny efa fataony, mikasika ny habetsahan’ny famatsiam-bola mankany Tsetsena, sady manondro ny fitsarana Rosiana ho sady momba ny atsy sy aroa raha vao mikasika an’i Tsetsena, ary mananihany ny satro-borin-drazan'ny Tsetsena:

Официальные лица этого государства, которых мы по какому-то недоразумению называем “российскими госслужащими” проводят этот принцип ясно и открыто: любые юридические действия в отношении граждан чеченской национальности должны осуществляться: в первую очередь, с учётом того, что они чеченцы; во вторую очередь, с учётом того, из какого они селения, кто их называет “братуха” и “красаучик” и носят ли они на голове круглую шапочку.

Ireo tompon’andraikim-panjakana, izay antsointsika mpitari-bato vilam-bava “Mpiasam-panjakana Rosiana” dia mifikitra mafy sy tsy an-kiambahamba amin'izao fitsipika izao: ny asam-pitsaràna rehetra manohitra ny olom-pirenena Rosiana manana zom-pirenena Tsetsena dia tokony hovitaina: voalohany indrindra, tsy tokony hohadinoina fa Tsetsena izy ireo; faharoa, tsy tokony hohadinoina ny tanàna niaviany, izay miantso azy ireo hoe “rahalahy” na “bandy milay” ary jerena raha manao ilay satro-bory kely iny izy.

Nandritra izany fotoana izany dia nanontany tamin’ireo mpamaky azy [ru] ny mpanao bilaogy iray Sergei Nikitski, mikasika ny eritreretin'izy ireo momba an’i Boudanov izay manana endrika sarotra alàna sady mbola inoan'ny maro fa voaheloka tsy fidiny. Angamba tsy mahagaga raha 42% no nieritreritra fa “mpamonjy” izy, raha 20% no nilaza fa “niharan’ny zava-misy izy”. 16% monja no nilaza an’i Boudanov ho “mpamono olona”, ary 10% nilaza fa “lehilahy” tsotra izy. Ireo 9% ambiny kosa nilaza fa tena sarotra ny hilazàna azy. Tao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra dia maro no nilaza fa te-hifidy roa izy ireo, sady “mpamonjy” no “niharan’ny zava-misy”. 

Tsikera iray nanamarika fa [ru]:

Обвинения в надругательстве с Буданова были сняты судом. Кадыров пишет о законе и справедливости, и тут же лжёт, умышленно или по незнанию.

Nofoanan'ny fitsaràna ireo fiampangàna an'i Budanov ho nanolana. Manoratra lalàna sy fahamarinana i Kadyrov, no sady mandainga, na fanahy iniana izany na tsy nahy.

…Izay novalian'ny mpitsikera iray hoe:

Что вы хотите от малограмотной обезьяны?

Inona no andrasanao avy amina gidro dondrona?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.