Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

09 Desambra 2013

Tantara tamin'ny 09 Desambra 2013

Malek Jandali, mpitendry piano Syriana : “Mila fahalalahana ny tena zava-kanto”

Matahotra izay mety hanova ny fanahin'ny olombelona ny mpanao didy jadona, ka lasa manenjika ny artista sy ny manampahaizana, hoy ny mpihira syriana Malek Jandali.

SARIPIKA: Toeram-pahatsiarovana 5 Ao Santiago, Chile

Mitari-dalana antsika amin'ireo torana manan-tantara sy misy tsangambato mifandraika tamin'ny fanonganam-panjakana miaramila nitranga tany Chile sy ny fiantraikan'izany tao an-drenivohitra Santiago ny bilaogera Lillie Langtry.

Rehefa Tapitra Ve Ny Ainy Vao Ho Afaka Madiodio Ilay Voaibe Rosiana Khodorkovsky?

Akon'ny RuNet

Efa voalahatra hivoaka ny fonja amin'ny taona hoavy i Mikhail Khodorkovsky, voaibe ao Rosia faran'izay mangidy hoditra sady gadra politika malaza, saingy misy ankehitriny ireo famantarana fa mety hiatrika vesatra heloka bevava vaovao izy [ru] alohan'ny hahafahany hifoka rivotra madio

Nahazo Hatramin'ny $100.347 Hampafana Kokoa An'i Syria Mampalahelo Anaty Ririnina

Nihoatra ny $100,000 ny vola voaangona tamin'ny fanentanana virtoaly “Manarata volombava, Ataovy Mafana Ny Zaza Syriana Iray”. Jereo ato ahoana ny fomba hamonjenao ny zaza Syriana amin'ity ririnina ity.

Tsy Sampan-Teny Ny Tenin-Teratany

Rising Voices

Nanangana fandaharana'asa hanova ny fomba fisainan'ny olona hihevitra ny tenin'ireo teratany ho fiteny iray mahaleotena ny tranombokim-pikarohana Juan de Córdova ao Oaxaca.