Ao Japan, Mametraka Ireo Mpialokaloka Ho Eny Alohan'ny Sehatra Ny Fandaharan'ny Radio Sy Ny Loza Voajanahary

Nanmin Now

Katsuya Soda, mpanentana aminà onjampeo, miresaka amin'ny mpihainon'ny Radio Cafe, radiom-paritra iray any  Kyoto. Fampiasàna nahazoana alàlana

“Hitanao, hafa ny eto. Azo antoka tsara sady milamina kokoa eto Japana,” hoy ilay vehivavy namako. Nampiditra taminy ny hevitra fonosin'ny Global Voices aho: fahenoana tantara avy any amin'ny lafy lavitry ny tany, satria “miresaka izao tontolo izao”

Notohizany hoe : “Tsy dia misy ilàn'ny olona eto loatra hoe hizara karazana fomba fijery toy itsy na iroa, indrindra rehefa tsara antoka ny fiainanao noho ny fanarahanao ny fenitra”

Amin'ny lafiny iray dia marina ny azy. Tsy dia mila mandrakariva miasa saina amin'izay mitranga any rehetra any ny olona monina ao Japana. Maneho ny toy ity ny lohateny vaventin'ireo gazety: ao anatin'ny vaovao hariva alefa ho an'ny vahoaka, 7% monja amin'izany no vaovao iraisam-pirenena. Mpikaroka iray izay nanara-maso ny fandefasana vaovao [ja] nandritra ny fe-potoana naharitra telo volana no nahatsikaritra fa mitontaly roa minitra, na 0.7 % amin'izy rehetra, no natokana hitaterana izay zavatra mba mikasika ny tanibe Afrikana.

Tsy dia raharahain'ireo Japone loatra izay mitranga any ivelan'ny nosiny, afa-tsy ny hoe i Korea Avaratra manao andrana nokleary, na zavatra manana ny lanjany  mifandraika amin'ilay firenena matanjaka, Etazonia. Ary hasambarana ny tsy fahalalàna, hoy ny fitenin-dry zareo azy.

olom-pirenena Japone iray tsy niombon-kevitra tamin'izany i Katsuya Soda, izay mino fa isan'ny mikiky mangina ny zavatra rehetra ao Japana ny tsy fahafantaran'ny olona ny raharaha iraisam-pirenena. Tamin'ny Febroary 2004, nanomboka ny Nanmin Now! [ja] i  Katsuya, fandaharana iray ao amin'ny fampielezampeo iresahana ny olan'ireo mpialokaloka, izay mandeha ao amin'ny radiom-paritra iray ao Kyoto. Manomboka amin'ny fampidirana ataon'i Katsuya amin'ny fitenim-paritra ao Kyoto ny fandaharana: “Fotoana izao ho an'ny Nanmin Now!, Fandaharana iray mitatitra tahaka ny filazàna ny toetr'andro ny vaovao momba ireo mpialokaloka 

Talohan'ny naha-sehatra fanehoan'ny olona hevitra ny Aterineto sy ny media sosialy, dia ny onjampeo FM tsy mahataka-davitra, na an'ny vondrom-piarahamonina, no hany fomba fampitàna vaovao azon'ireo izay naniry hizaha olana tahaka ny zava-manjo ireo mpialokaloka, tamin'ny alàlan'ny onjampeo any amin'ireo tanàna tranainy tahaka an'i Kyoto

“Tamin'izany fotoana izany, tsy dia mbola nomena toerana tahaka izay misy azy ankehitriny ny vaovao avy ao amin'ny aterineto,” hoy i Katsuya. “Nihevitra aho fa zava-dehibe ny manome vaovao amin'ny alàlan'ny fitaovana iray izay mahazatra ny tsirairay. Kely raha ny isan'ireo tratry ny radiom-paritra, saingy toerana iray ipetrahan'ny fitokisana kosa izy, satria voafehin'ny lalàna hizara vaovao ny onjampeo”

Miaraka amin'ny Nammin Now!, ny nofinofin'i Katsuya dia ny hitatitra vaovao mikasika ireo mpialokaloka, mba hahatonga ny olan'ireo mpialokaloka ho zavatra iray ao an-tsain'ireo Japone mpiray tanindrazana aminy. Tonga tao aminy ny aingam-panahy hamorona ilay fandaharana, taorian'ny namakiany boky iray nosoratan'i  Sadako Ogata, Kaomisera Ambonin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana Ny Mpitsoa-ponenana – United Nations High Commissioner for Refugees (UNHCR). “Nampianatra ny lanjan'ny andraikitry ny media sy ny fifandraisana maharitra izy io, ary dia tonga tao an-tsaiko ny hevitra hizara ny toetr'andro,” hoy i Katsuya. “Nanapa-kevitra aho hanomboka fandaharana iray ato amin'ny onjampeo izay hitatitra tsy mitsahatra tahaka ny filazàna toetr'andro ny olan'ireo mpialokaloka ”

Hatramin'ny niantombohan'ilay fandaharana, efa nitafatafa tamin'olona maherin'ny 500 i Katsuya mikasika ny lohahevitra momba ny olan'ireo mpialokaloka. Ilay fandaharana izay enina minitra no faharetany dia mandeha rehefa Sabotsy

Ny teny hoe mpialokaloka—“nanmin” amin'ny Japone)— dia tsy miseho matetika amin'ny lohateny vaventin'ireo vaovao Japone. Latsaky ny 50 isan-taona eo ihany no mpialokaloka eken'i Japana (39 no nekeny tamin'ny 2010), na dia faharoa amin'ny habetsahan'ny famatsiambolan'ny UNHCR manerana izao tontolo izao aza no azony. Isa kely faran'izay mahazendana io ho anà firenena nosy kely iray tòny sy milamina. Ny sasany amin'ireny mpitady fialokalofana ireny no misedra fahasarotana ao Japana, tahaka ny fandroahana na famonjàna. Ho an'ny Japone, ny olan'ny mpialokaloka dia zavatra mitranga any amin'ny faritra hafa, mahantra eto ambinin'ny tany. “Tahaka ny hirifiry tsy nolalovany izany,” hoy i Katsuya, “tsy hoe fotsiny elanelana ara-batana fa tena ara-tsaina ihany koa. Mihevitra ny tsy ho isan'izay ho mpialokaloka velively ireto izy.”

Ny iraka efain'ny Nanmin Now! dia ny hiantoka fa “ny ankizy rehetra eto an-tany dia ho afaka hatory anaty trano azo antoka,” ao an-tsaina indrindra amin'izany ireo toerana tahaka ny firenena sasantsasany ao Afrika, Afganistans, ary Myanmar, izay tena loharanon'ireo mpialokaloka. Fa taorian'ny horohorontany Martsa 2011 tao Japana anefa, sy ny zava-doza nitranga tao amin'ny toby nokleary famokarana herinaratra tao Fukushima Daiichi izay nanaraka tato aoriana, dia nanjary niasa loha momba ireo ankizy ao Japana i Katsuya.

Nanimba trano fonenana 126.583 [ja] ilay loza voajanahary ary, tao Fukushima fotsiny, olona 160.000  no tsy maintsy nafindra toerana nesorina tamin'ny trano nonenany. Olona 100.000 ankehitriny no miaina anaty fonenana vonjimaika ao Fukushima, ary 60.000 hafa no miparitaka manerana an'i Japana.

Taorian'ny horohorontany, nanatevina laharana ny andiany iray i Katsuya nametraka foiben'onjampeo vonjimaika tany amin'ny faritra iray niharan'ilay loza voajanahary mba hampitàna ireo vaovao maika. Taorian'ny nanisahan'ny governemanta ny fetran'ny fahazakana tàratra [ja] ho an'ireo ankizy ho 1 hatramin'ny 20 millisieverts, tonga tamin'ny fiheverana ny olona sasany tao Japana hoe nampidi-doza azy ireo ny mpitondra azy, ary nanjary nihetsiketsika fatratra niaraka tamin'ireo olona nesorina tao Fukushima i Katsuya.

“Rehefa nifanerasera tamin'ireo nesorina avy amin'ny faritra manana tahanà taratra avo be aho,” hoy i  Katsuya , “ dia nanomboka nahita karazana fitoviana teo amin'ireo olona nesorina tao Fukushima sy ireo mpialokaloka: izy roa ireo dia samy miatrika ny herisetran'ny rafitra avokoa. Tsy maintsy nandao ny tranony tao Fukushima satria nisy ny loza nokleary tao. Ny fomba nametrahana ilay toby nokleary dia toy ny fanjanahantany avy ao anatiny ihany, izay tsy maintsy eken'ireo vondrom-piarahamonina tsy mahazo avara-patana”

Ho an'ny vahoaka Japone, ny horohorontany tamin'ny 2011 sy ny loza tao Fukushima dia nitondra ny olan'ireo mpialokaloka ho eo an-tokonam-baravaran-dry zareo, izy roa ireo izay samy manamarina sy manamafy ny asa nataon'i Katsuya efa ho 10 taona maninjitra izao.

Nanmin now! mandeha ao amin'ny FM79.7MHz, foibenà radiom-paritra iray ao Kyoto, sy azo kitihana ao anaty aterineto araka ny izay ilàna azy. Ny boky voalohany nosoratan'i Katsuya Soda [amin'ny fiteny Japone]  Tolokevitra avy aminà Onjampeonà Vondrom-piarahamonina anaty Vanim-potoana iray mety hahatonga ny tsirairay ho mpialokaloka―Fampifandrohizana Ireo Feo Avy Ao Fukushima dia azo alaina [ja] ao amin'ny Amazon.co.jp.

Keiko Tanaka dia teratany Japone iray mpankafy ny fandraisana andraikitra amin'ny media, fampielezampeo ary kolontsain'ny tanora.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.