- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Basy Volamenan'ny Parlemanta Rosiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Akon'ny RuNet
Image mixed by Kevin Rothrock.

Sary nafangaron'i Kevin Rothrock.

Indray andro dia nilaza [1] ilay mpitondra teny fahiny tao amin'ny Parlemantan'i Rosia, Boris Gryzlov  [ru] fa tsy toerana “hanaingàna ady politika” akory ny Duma. Mijery an'ireo saintsarin'antoko politika sy saribakoly izay nibodo ny fanaovan-dalàna tao Rosia tato anatin'ny folo taona farany, teboka iray no notsoahan'i Gryzlov. Ao Kremlin sy ireo ministera federaly no tena atao ny ady politika ao Rosia, toerana ahitàna ireo karazan'ankolafy sy fitsitokotokoana samihafa mifaninana hifehy sy hametraka ny dindony amin'ireo mpitantana ny governemanta. Kanefa io tsy entina hilazàna fa hoe tsy misy mihitsy ny fifandirana ao amin'ny Duma. Ohatra ny Talata lasa teo, 3 Desambra 2013,  noporofoin'ny solombavambahoaka roa fa mbola manana ady sasantsasany tavela ao anatiny ao ny Duma Rosiana, rehefa tonga hatrany amin'ny fifamelezana totohondry tao an-dalantsaran'ny parlemanta izy ireo.

Tsy mbola mazava ny anton'ny fifampikasihan-tànana, satria samy manana ny tantara lazainy ny roa tonta mpifanandrina. Ny solombavambahoaka Alexey Zhuravlyov nilaza fa nipoaka ny ady rehefa injay ilay mpiray asa aminy, Adam Delimkhanov, nametraka ho teo anoloany ny raharahan'ilay tsangambato iray vaovao fanomezam-boninahitra vehivavy Chechen iray maty novonoin'ny andian-tafika imperialy Rosiana tamin'ny taonjato faha-19 [jereo ny lahatsoratry [2]ny Global Voices tany aloha]. (Nitaraina mikasika io tetikasa io i Zhuravlyov, nitaky [3] [ru] tamin'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana mba hanadihady ilay mpitarika ny Chechen, Ramzan Kadyrov, noho ny fitarihana fitakiana fisarantsarahana.) Delimkhanov no nanainga ny totohondriny voalohany, araka ny filazan'ilay ramatoa mpitondra tenin'i Zhuravlyov. Tsy niato ny fifamelezana  raha tsy injay nilatsaka avy any anaty akanjon'i Delimkhanov tany ny basy poleta milokom-bolamena. Samy tsy misy te-haneho hevitra mikasika ny fiampangan'i Zhuravlyov, na i Delimkhanov na ny biraony.

Nakarin'i Alexey Navalny tao amin'ny bilaoginy ilay tantara, ary nanamarika izy hoe [4] [ru] :

Эта ГосДума должна быть распущена. Часть депутатов должна быть отдана под суд, часть – в цирк, часть – в поликлинику (на опыты).

Tokony horavàna ity Duma ity. Tokony ho entina eo anatrehan'ny fitsaràna ny sasany amin'ireo solombavambahoaka, ny sasany any amin'ny toerana fampialàna voly (cirque), ary ny sasany any amin'ny toeram-pitsaboana (hanaovana fanandramana)

i Valery Amirov, bilaogera, nilaza [5] [ru] fa nokendren'i Delimkhanov mihitsy mba tsy ho any amin'ny toerana misy kamerà mihodina tsy miato no hitrangan'ilay fifanatrehana.

Iray amin'ireo mpamaky an'i Amirov no naneho hevitra toy izao [6] :

На улице гопник с кавказа поведением ни чем не отличается от “своего” депутата, один в один, ни культуры, ни разума. Отсюда вопрос можно ли их допускать в общество нормальных людей, если даже депутат “кавказец” по сути обыкновенное быдло.

Tsy misy maha-samihafa azy amin'ireo Kavkaz rehetra ny fitondrantenan'ity solombavambahoaka  [Delimkhanov] ity . Iray ihany izy rehetra—samy tsy misy manana kolontsaina sy atidoha. Araka izany, ny fanontaniana dia ny hoe afaka ny handefitra amin'izy ireny ve ny fiarahamonin'ny olona salama saina, na dia efa hita izao aza fa tena jilahimboto tsotra izao ny solombavambahoaka avy any Kaokazy ao amin'ny Duma.

Alfred Koch nivazivazy hoe [7] :

Я думаю, депутаты должны стреляться. В прямом эфире. У Соловьева в “Поединке”. Почему? Ну, во-первых, это красиво…

Heveriko fa tokony hanao “iray sy iray” ireo solombavambahoaka ireo. Mivantana amin'ny fahitalavitra. Ao amin'ny [seho anaty TV] “Iray sy iray”  an'i Soloviyev. Nahoana? Ka izao, voalohany indrindra, mahafinaritra ity izy…

Vladimir Varfolomeev koa nihevitra fa tokony hatao ny “iray sy iray”:

Tokony hanao “iray sy iray” tena izy ny solombavambahoaka Delimkhanov sy Zhuraleov. Mielanelana dingana 20. Dia izay mivoaka mandresy no afaka mijanona ao amin'ny Duma. Rariny izany

Mandritra izany, i Kirill Shulika (LJ's Viking_Nord [9]) nahita ilay tranga ho toy ny ohatra hafa fotsiny ihany amin'ireo “fanomezan-dàlana malalaky” ny Kremlin ho an'ny olon'i Kadyrov :

Если Журавлев говорит правду, а, скорее всего, так оно и есть, то Делимханов должен был немедленно лишен полномочий депутата. А Кремлю, который пестует всю эту шпану, надо задуматься. Она свои порядки устанавливает не только в Грозном, а даже уже в здании российского парламента. Если сойдет им это с рук, завтра они всех женщин в Думе в хиджабы оденут.

Raha milaza ny marina i Zhuravliev (ary toa tahaka izay no izy), dia tokony hoesorina amin'ny fahefany maha-solombavambahoaka azy avy hatrany i Delimkhanov. Ary mila miverina mandini-tena i Kremlin, izay manohana ireny tontakely ireny. Ry zareo [avy any Kaokazy] dia miaina araka ny lalàny, tsy ao Grozny ihany fa na dia hatrany anaty lalantsaran'ny parlemanta Rosiana aza. Raha vitavita foana toy izany ny amin-dry zareo, rahampitso dia ho vitany ny hampisalotra hijab ny vehivavy rehetra ao amin'ny Duma

Mety ho nanisy sira be loatra angamba i Shulika, saingy ny ahiahiny dia fitaratry ny fahatsapan'ny maro ao Rosia mikasika ny dindo apetrak'i Kadyrov. Miha-matahotra ireo Rosiana hoe nomen'i Kremlin fahalalahana hanao izay tian-dry zareo hatao i Kadyrov sy ny tariny, na io any Tchétchénie, na manerana ny firenena. Ary isak'izay mihetsika dia toa misy manampahefana Chechen manao tsinontsinona ny lalàna fotsiny izao, mitombo ny tsy hafalian'ny olona. Mandra-pahoviana i Kremlin no hinia tsy hijery an'ireny tranga ireny ka hihevitra fa tsy mandrora mitsilany rehefa feno ny kapoaka?