Vovonana Erantany Momba Ny Demaokrasia 2013 Mikatsaka Fampifandraisana Ny Olom-pirenena Sy Ny Andrim-panjakana

WFD plénière

Vovonana Erantany Momba ny Demaokrasia 2013, Strasbourg : fivoriambe itambarana. Sary: Suzanne Lehn

Nifarana tao Strasbourg ny 29 Novambra 2013 teo ny andiany faharoa amin'ny Vovonana Erantany momba ny Demaokrasia. Roa andro sy tapany, ny 27 hatramin'ny 29 Novambra, nanaovana fivoriambe mafonja “tanàty efitrano” tao amin'ny Filankevitr'i Eoropa, nentanin'ireo manampahaizana samihafa, nisy fisoratana anarana ho an'ny olon-tsotra, ary fandaharam-potoana iray “ivelan'ny trano” nandritry herinandro iray mahery, natao tany aminà toerana samihafa tao an-toerana no toa nametraka ity hetsika ity ho ao anatin'ny tontolo sy ny tetiandron'ny “renivohitr'i Eoropa”. Talohan'ny fanokafana dia nanontany tena ny Rue 89 Strasbourg hoe:

Fihetsiketsehana ampolony maro, olon-tsotra 1700 (800 tamin'ny 2012) andrasana mandritra ny fivoriana anaty trano, diplomaty, mpiasa ambony eoropeana sy avy ao Strasbourg, ary raha kely indrindra dia olona 700 ka hatramin'ny 800 mandritra ny fivoahana ivelan'ny trano. Ireo rehetra ireo no andaniana tetibola mitentina 1,2 tapitrisa euros miampy ny 300 000€ an'ny tanànan'i Strasbourg teo aloha « natodika» ho aminà raharaha hafa mandritry ny taona, izay mifantoka bebe kokoa amin'ny vanim-potoanan'ilay Vovonana.

Le panel du Lab 18 - Photo Suzanne Lehn

Vahinin'ny Lab 18 – Sary : Suzanne Lehn

Raha toa ny Vovonana voalohany tamin'ny 2012, nanandratra ny lohahevitra “Ny demaokrasia eo am-perinasa : miatrika ny lasitra tranainy sy ny zava-baovao iainana”, noravahan'ny fanantenana avy amin'ny lohataona arabo sy natrehan'ireo olona manan-kaja manerantany, ny an'ny taona 2013 kosa, fanokafana natrehan'ny Sekretera Jeneralin'ny Frankofonia Abdou Diouf sy ilay mpanoratra Amine Maalouf, dia naka endrika teknika kokoa tamin'ny zavatra noresahany, “Hamerina handràry ny demaokrasia : hampifandray ny andrim-panjakana amin'ireo olom-pirenen'ny vaninandro dizitaly”, ka tao anaty fanomànany, lohahevitra 4 notsinjaraina ho “Labs” 21 no nangonin'ireo manampahaizana manokana amin'izany ary nofantenana efa am-bolana maro.

Hany vehivavy solontenan'ny Global Voices nanatrika tao aho, mipetraka tsy lavitry ny Lapan'i Eoropa, ary ireo “Labs” tena nahasarika ahy no homarihako etoana :

Démocratie liquide - Lab 1 Photo Suzanne Lehn

Démocratie liquide – Lab 1 . Sary :Suzanne Lehn

- Ho solon'ny demaokrasia ahitàna ny hery rehetra ve ? Lab 1 : Démocratie liquide, narahan'ny fanolorana nataon'ny Parti Pirate alemana; Lab 3 : Manainga ny fifanakalozan-kevitra iarahan'ny daholobe ary manangana fomba fijery ifampizaràna mikasika ny hoavy, indrindra ho an'ireo tanora (Filipina, Frantsa) 

- Démocratie 2.0 : Lab 9 : Fanairana rehefa fifidianana, niarahana tamin'ireo Keniana namantsika avy ao amin'ny iHub

- Mitantana miaraka amin'ny olom-pirenena 

- Misaina ny hoavy : Lab 17 : Mamorona sarimihetsika, mamorona fiarahamonina, niarahana tamin'ny tetikasa Tunisie 4.0 Nesselfen ; ary ny tiako indrindra, Lab 18 Ny “vahaolana fanaovana gazety” amperinasa, natrehan'ireo, ankoatry ny sasany, bilaogera bengladeshi Shahidul Alam sy ilay kiobàna mpanohitra, Guillermo Fariñas. Raha tsorina dia be olona tao.

Avy eo dia nofintinina ho fotoam-pivoriana itambarambe anankiroa ireo rehetra ireo, narahana fifidianana izay  hetsika hovelabelarina, raharaha iray toy ny namboamboarina ihany satria nihodinkodina teo amin'ny 70 sy 80 % teo ireo fankatoavana. 

Mba hampitàna ny vaovao, noforonina ny pejy Facebook iray sy ny tenifototra #CoE_WFD tao amin'ny Twitter (mitovy amin'ny tamin'ny Vovonana 2012 ihany). Ny tranonkalan'ny Filankevitr'i Eoropa no nampakatra ireo lahatsary sy saripikan'ireo fivoriana (eto sy eto), ary namorona ny “google-groups” hanarahana ny resadresaka.

Un dessinateur participait à chaque Lab - Photo Suzanne Lehn

Misy mpanao sary hatrany nadray anjara isaky ny Lab tsirairay – Sary: Suzanne Lehn

Ho hita ao amin'ny bilaogy Mediapart ny fandrakofana amin'ny antsipirihany ireo fivoriana amin'ny ankapobeny – isan'izany ireo kaonferansa natao tany ivelan'ny efitrano fivoriana.

Ao anatin'ity podcast ity [amin'ny fiteny Anglisy], mpianatra 5 samy bilaogera, néerlandais, alemana… no mizara ny fihetsehampony. Ao anatin'ny resaka “fivoriana ivelan'ny efitrano”, nanontanian'ny fahitalavitra Arte miteny frantsay sy alemana i Alexey Sidorenko, mpanoratra ato amin'ny Global Voices mikasika ny fahalalahana mizara vaovao ao Rosia.  

Vovonana eo ihany, niarahana tamin'ireo mpandray anjara avy amin'ny kaontinanta rehetra. Saingy zara raha misy ifandraisany amin'ny saritaka namorona ny Vovonana sosialy iray erantany, na dia nisy aza ny  Foaran'ireo Hetsika Demaokratika natao tao amin'ny faritry ny Filankevitr'i Eoropa, izay midika fa voatokana ny fahafahana nanatrika azy, nahavory tranoheva maro an'ireo sampana maro samihafa nampiranty ny fandraisany andraikitra nandritra ny fivoriana. Ny “tany ivelany“, izay ny tanànan'i Strasbourg no nandrindra azy, dia nampisehoana tamin'ireo mponin'i Strasbourg sy ireo mpitsidika ny fandaharam-potoana iray mizara maromaro, misy kaonseritra, fetin'ny sarimihetsika, fifanakalozan-kevitra na fampihaonana nokarakarainan'ny Reporters sans Frontières, ny gazety Le Monde, France Culture… Izany eo ihany, fa toa ny hamatsy ny fampisaintsainana sy ireo tolokevitry ny Filankevitr'i Eoropa, amin'ny asa maha-mpiaro ny demaokrasia azy, no iray amin'ireo tanjona nokinendrin'ilay hetsika. Ireo eoropeana “tanora mpitarika”, manaraka ny fiofanana omen'ny tambajotran'ireo Sekoly Fianarana ny Politika Eoropeana an'ny Filankevitr'i Eoropa, dia nandray anjara mavitrika tamin'ireo fivoriana ireo.
 
Ny gazety Frantsay-Alemana Eurojournal manamarika, somary arahany eso, manao hoe :
Omaly, taorian'ny nifaranan'ny FMD indrindra, narehitra ny jiro mirentin'ny Tsenan'ny Noely. Milay. Fa mbola niverina indray, marobe ireo mpandray anjara no nalahelo tamin'ny tsy nisian'ny vokatra mivaingana andrasana tamin'ny hetsika toy izao izay misora-tena ho manerantany ary anefa manana tsara ny otrika rehetra hahatongavana amin'izany. Raha toa mantsy ka mba nampiseho hambom-po naniry hahita fahombiazana nisinisy kokoa irao mpikarakara an!.
 
Ny bilaogy “Décrypter la communication européenne” no mandika ireo hevi-baventin'ilay Vovonana niainga avy aminà antontan-kevitra natao hosaintsainina amin'ny Vovonana Erantany momba ny Demaokrasia 2013 : “Fitrandrahana ny tranonkala mba ho fitaovana hisian'ny demaokrasia : làlana vaovao handalinana sy hampiharana ny demaokrasia dizitaly” [pdf] izay namintina hoe :
Rehefa atambatra, dia miroso hatrany ny revolisionan'ny demaokrasia dizitaly eoropeana, fa tsy hoe mampifanohitra ireo « herin'ny fivoarana » mahatokynycyber amin'ireo « mihemotra» tsymanampanantenana.ny.cyber, ny tsipika manasaraka dia miankina voalohany indrindra amin'ireo olom-pirenena sy ireo andrim-panjakana mikirakira na tsia ny Aterineto, ho toy ny fitaovana miasa ho an'ny demaokrasia.  
 
"E-toile" sur la façade du Palais de l'Europe

“E-toile” eo ampihaviana ao amin'ny Lapan'i Eoropa, noho ny fisian'ilay Vovonana. Sary : Suzanne Lehn

Nahatratra fahamatorana ve ny Vovonana Erantany momba ny Demakorasia tamin'ity andiany faharoa ity? Natsangan'ny Filankevitr'i Eoropa, antokon-draharaha iray mbola sahirana mitady ny toerany/lazany? ary ny tanànan'i Strasbourg, ireo antokon-draharaha frantsay hafa, an'ny fanjakana na faritra sy departemanta zara raha hita tao. Nanan-karena ny fandraisana anjara sy ny adihevitra, na teo aza ny hoe fivangongoany tao anaty fotoana tery dia tery – tapak'andro indroa hanaovana famelabelarana “labs” izany tsy ho ampy velively hijerena afa-tsy roa amin'ireo iraika ambiniroapolo), ny fikarakaràna, mahomby sy mitondra hevi-baovao, miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ireo mpankanto, mazava loatra, dia nandeha taminà hafainganam-pandeha avo tokoa, saingy adinodino ny lafiny fifaneraserana sy maha-olona – raha tsy ohatra angaha ka hoe nasitrika tanatin'ireny takariva “winstub” malazan'ny renivohitr'i Alsace sy Eoropeana ireny ?

Femmes et démocratie - Forum Mondial de la Démocratie de Strasbourg 2013

Vehivavy sy Demaokrasia – Vovonana Erantany momba ny Demaokrasia, Strasbourg 2013

Ny sary rehetra nalain'i Suzanne Lehn tao amin'ny Vovonana Erantany momba ny Demaokrasia 2013 dia hitanao ao amin'ny Flickr (licence CC).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.