- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#GVMeetup: Famerenana Mamorona Tontolo Virtoalin'ny Global Voices Amin'ny Fifanatrehana Mivantana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Latina, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Ejipta, Kambodza, Kenyà, Makedonia, Paortiogaly, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, GV Face

Namaky ny tantarany sy nanaraka azy tao amin'ny Twitter nandritra ny taona maro ianareo, nefa mba efa nahita ireo mpanoratra sy mpandika tenin'ny Global Voices  mitati-baovao momba ny firenenareo ve?

Tamin'ity ririnina ity izahay dia nanomboka ireo ‘fihaonana’ mivantana ofisialy eran-tany tarihana sy hamorain'ireo mpikambana ao amin'ny Global Voices, izay mipetraka sy mahafantatra ireo vondrom-piarahamonina ao anatinà firenena enina.

Ary efa eny antsasa-dàlana izahay!

Hizara traikefa amin'ny alalan'ny fitondrany ny asa virtoalin'ny Global Voices, ny herijika ary ny fitiavana, ho an'ireo mpanatrika tena lavitry ny aterineto any anatin'ny fireneny izy ireo.

Any Karachi, Kampala, Kairo ary Skopje dia ampolony ireo mpandray anjara efa nahita ireo mpikambana ao amin'ny GV izay nanamora ny fifampianarana (peer learning) sy ny fizaram-pahaizana eo amin'ny sehatry ny mediam-bahoaka. Ary vonona ireo mpanohana ny #GVMeetup [1] hampihetsika an'ireo mpanatrika any Porto sy Phnom Penh amin'ny manaraka!

Tsidiho ny pejin'ny hetsika ao amin'ny Google + [2] raha mila fanazavana fanampiny.