- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihetsiketsehana 10 Tao Bangkok Saika Nahahongana Ny Governemanta

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Nampisento [1] kely ny fihenjanana politika misy ao amin'ny firenena ny fampitsaharan'ady [2] vetivety nisy teo amin'ny mpanaofihetsiketsehana manohitra ny governemanta sy ny hery mitam-piadian'ny governemanta ao Thailand.

Mihoatra ny 100.000 ny mpanao fihetsiketsehana no nirotsaka teny an-dalamben'i Bangkok tao anatin'izay roa herinandro izay mitaky ny fialan'ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra izay ampangain'izy ireo ho saribakolin'ny zokiny lahy, ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra fotsiny. Nihongana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2006 i Thaksin saingy mbola nandresy tamin'ny alalan'ny fifidianana ihany ny antokony. Sesintany moa izy rehefa nomelohin'ny fitsarana tao an-toerana ho nanodikodina volam-panjakana.

Saingy mbola lavitry ny hifarana ny krizy politika satria noho ny fanoavana ny Mpanjaka Bhumibol Adulyadej izay mankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany tamin'ny 5 desambra ihany no nisian'izay fitsaharana vetivety izay. Ny Mpanjaka no olona fanta-daza hajaina indrindra any Thailand.

Lalana iray hamahana olana ny krizy misy ankehitriny ny fomba fihetsiky ny hery politika isan-karazany taloha rehefa manozongozona ny firenena ny fihetsiketsehana nisy tahaka izao. Ny fihetsiketsehana tamin'ny 2008 [3] sy 2010 [4] indrindra no mety hanazava ny antony mahatonga ny antoko politika lehibe ao Thailand tsy mety mahavaha olana amin'ny fomba milamina ny tsy fitovia-keviny.

Tsy antony mivantana nahatonga ny fanesorana ny governemanta voafidy ireny fihetsiketsehana ireny saingy nanana anjara lehibe tamin'ny fanimbana ny maha-ara-drariny ny fitondrana misy ao an-toerana.

1. Aogositra 2008. Nibodo ny Lapan'ny Governemanta ny Mavo Akanjo. Tamin'ny 2008 ny People's Alliance for Democracy (PAD=Firaisan-kinan'ny Vahoaka ho amin'ny Demokrasia) na ny Mavo Akanjo no nahasahy nidina an-dalambe [5] nandritra ny volana maro hanerena ny fialan'ny Praiminisitra Samak Sundaravej izay ampangain'izy ireo ho akaiky an'i Thaksin. Noraisin'ny PAD ny loko mavo ho lokon'ny hetsi-panoheran'izy ireo ho fanajana ny Mpanjaka.

Nahavita nibodo [6] ny Lapan'ny Governemanta ny PAD tamin'ny Aogositra. Nitohy hatramin'ny Septambra ny fihetsiketseha-panoherana raha nahavita nanelingelina ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalamby sy ny seranam-piaramanidin'i Phuket ny vondrona.

Yellow Shirts occupying the Government House. Photo by Craig Martell, Copyright @Demotix (8/30/2008) [7]

Nibodo ny Lapan'ny Governemanta Ny Mavo Akanjo. Saripikan'i Craig Martell, Copyright @Demotix (30/8/2008)

2. 24 Novambra 2008. Nohodidinin'ny Mavo Akanjo ny Lapan'ny Parlemanta. Lasa lavitra kokoa ny PAD tamin'ny Novambra rehefa nohodidininy [8] ny Lapan'ny Parlemanta.

3. 25 Novambra 2008. Nobodoin'ny Mavo Akanjo ny Seranam-piaramanidin'i Bangkok roa lehibe. Nataon'ny PAD tsy nihetsika [9] ny zotram-pifamoivoizana ao amin'ny firenena tamin'ny fibodoana [10] ny seranam-piaramanidina roa lehibe tao Bangkok. Niala [11]tao amin'ny seranam-piaramanidina ny PAD rehefa afaka havaloana rehefa nandidy ny hanafoanana ny antoko politika mitondra ny fitsarana tampony, ka izany no nanery ny praiminisitra hametra-pialana. Taty aoriandriana, nahintsan'ny fitsarana tsy hitondra ny raharaham-panjakana indray ny mpiara-dia amin'i Thaksin. Ny lahatsary [12] eto ambany no mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana nibodony seranam-piaramanidina Iraisampirenena Suvarnabuhmi ao Bangkok:

4. Desambra 2008. Fitsanganan'ny Mena Akanjo. Ny fandresen'ny PAD no nitarika ny fijoroan'ny Mena Akanjo [13] izay naka ny loko mena [14] hiavahany fotsiny amin'ireo Mavo Akanjo. Sady tsy elatra havia ara-politika ry zareo no tsy manohitra ny fitondram-panjaka fa mpanohana an'i Thaksin ny maro amin'izy ireo. Nanohitra tamin'ny heriny manontolo ny governemantan'ny Praiminisitra Abhisit Vejjajiva izay ampangain'izy ireo ho tsy ara-dalàna ry zareo.

5. Avrily 2009 Songkran Mainty. Songkran, ny Taombaovao Thai no lasa ‘Songkran Mainty’ [15] ho fanondroana ny fifandonana mahery vaika nisy teo amin'ny miaramila sy ny mpanohitra manao fihetsiketsehana. Nampiasa ny paikadin'ny Mavo Akanjo ihany koa ny Mena Akanjo ho fanelingelenana ny fitondram-panjakana. Nidina matetika teny an-dalambe ry zareo tamin'ny 2009 hisian'ny fifidianana vaovao. Ny lahatsary eto ambany ity mampiseho ny Mena Akanjo naka fifehezana [16] ny fiara mifono vy izay anvoaka rehefa nambaran'ny governemanta ny Firenena latsaka an-katerena:

6. Marsa 2010 Fihetsiketsehana Nisian-drà mandriaka. Nahetsiketsika olona mihoatra ny 100.000 teny an-dalambe ny Mena Akanjo. Ary ‘nandriaka ny rà’ [17] tamin'ny fihetsikesehana rehefa nandraraka ra tamin'ny tranobem-panjakana ny mpanao fihetsiketsehana. Ny sombin-dahatsary [18] eto ambany mampiseho ny fivoriana lehibe nataon'ny Mena Akanjo:

7. Avrily 2010 Famoretana ny Sakana Najoro ho fanoherana. Nahavita nibodo ny faritra maro tao Bangkok ny Mena Akanjo. Nanangana lasim-pihetsiketsehana tao an-tanàna ry zareo ho fanerena ny fialan'i Abhisit. Roa volana taorian'ny fihetsiketsehana an-dalambe, noterena hiparitaka ry zareo rehefa nandrava [19] ny barazim-pihetsiketsehana ny miaramila. Nandrakitra an-tahirin-kevitra [20] ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny miaramila teo amin'ny tetezan'i Phan Fa i Tony Joh.

8. Mey 2010 Fanafihana Farany nataon'ny miaramila tamin'ny lasim-panoherana. Niaka-danja [21] ny herisetra tamin'ny 19 Mey nandritra ny bemidina fanafihana farany nataon'ny miaramila izay nampitombo ny gidragidra an-dalambe [22], rotaka sy fandrobana. Nodoran'ny mpanao fihetsiketsehana voatery niala ihany koa ny fanorenana maro tao an-tanàna. Maro no maty [23] ary mihoatra ny 400 no naratra nandritra ny fifandonana. Voampanga ho nanao heloka bevava namono olona i Abhisit sy ny manampahefana ambony sasantsasany tao amin'ny tafika noho ny baiko fandravana ny fihetsiketsehana.

Red Shirt protest barricade. Photo from @potapotypoter [22]

Barazaim-pihetsiketsehan'ny Mena Akanjo. Saripika avy amin'i @potapotypoter

9. Novambra 2013 Fihetsiketseham-Panoherna ny Tolo-Dalànan'ny Amnistia. Resy nandritra ny fifidianana parlemantera tamin'ny 2011 ny antokon'i Abhisit ka i Yingluck Shinawatra no nisolo toerana azy. Vao haingana ramatoa no nanohana Tolo-dalànan'ny Amnistia [24] izay lazain'ny mpitsikera ho ‘manadio’ ny heloky ny anadahiny. Notsipahin'ny Antenimieran-doholona ny fepetra saingy tsy nanakana ny herim-panoherana hanao fihetsiketsehana lehibe tao an-drenivohitra izany tamin'ny volana lasa teo.

Fitantarana mivantana….avy any Siam. Feno vondron'olona eny rehetra eny. Torohevitra ny hidify ireny toerana ireny.

10. Desambra 2013 Hetsi-panoherana an'i Thaksin. tranom-panjakana maro no nobodoin'ny mpanao fihetsiketsehana izay nanameloka [30] ny fitohizam-pahefan'i Thaksin ao amin'ny fitondram-panjakan'i Yingluck. Tian-dry zareo ny hialan'i Yingluck sy ny hananganana ny Filakevi-Bahoaka. Ity lahatsary [31] eto ambany ity no mampiseho ny haben'ny fihetsiketsehana tao Bangkok tamin'ny 24 novambra, fihetseiketseha-panoherana lehibe indrindra hatramin'izay.