Tafaraikitra teo amin'ny solosainy ireo olona manerana ny tontolo Arabo, indrindra ao Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny Alarobia 27 Novambra, maminany avy hatrany handre ny vokatra farany tamin'ny fifidianana hamaritra izay ho mpandresy eo amin'ireo tolotra mpifaninana avy ao Brezila, Tiorkia ary Rosia hampiantrano ny Fampiratiana Ara-barotra manerantany amin'ny taona 2020.
Maro ireo nanontany ny antony nahatonga an'i Dobaï nifaninana tamin'ny Fampiratiana. Karl Sharro nisioka hoe:
I don't know why Dubai wants #Expo2020 every day in Dubai is an Expo.
— Karl Sharro (@KarlreMarks) November 27, 2013
Tsy fantatro izay itadiavan'i Dubaï ny # Expo2020, Fampiratiana (Expo) foana ny ao Dubaï isan'andro .
Nampiany am-piesoesoana hoe:
Dubai deserves to win this. It will allow it to break away from its traditional subtlety and do something outlandish for a change. #Expo2020
— Karl Sharro (@KarlreMarks) November 27, 2013
Mendrika handresy amin'izany i Dubai. Hahafahany miala amin'ny haranita-tsainy nentim-paharazana sy hanao zavatra hafahafa tsy mahazatra ho amin'ny fanovana.
Saika ny rehetra no nilokaloka fa i Dubaï no handresy, satria mahafantatra ny zavatra miavaka ho atolotr'ity tanàna miavaka ity amin'ny Expo 2020, lohahevitra “Mifandray Ara-tsaina, Manangana ny Hoavy” izay nisongadina tao amin'ny lahatsariny nalefa tao amin'ny Youtube.
Ny vokatra tamin'ny fihodidina voalohany tamin'ireo vato 165 dia, Dubaï 77, Ekaterinburg ao Rosia 39, Izmir ao Tiorka 33 ary São Paulo ao Brezila 13.
Tonga indray avy eo ny voka-pifidianana tamin'ny fihodinana faharoa, Dubaï nahazo vato 87, Ekaterinburg ao Rosia nahazo 52 ary Izmir ao Tiorka no nihintsana.
Nilaza ny valim-pifidianana tamin'ny fihodinana fahatelo farany teo amin'i Dubaï sy Ekaterinbourg ao Rosia izay nivoaka tamin'ny 8:30 hariva ora tao Emirà Arabo Mitambatra , fa i Dubaï no mpandresy izay nahazo vato 116 tamin'ireo vato 165, ka nitarika ny fandreseny.
Nankalaza am-pireharehàna ny fandresen'ny DubaiExpo2020 ny delegasion'ny Emirà Arabo Mitambatra ao Paris.
Pic: Moment of victory as #Expo2020 hosting bid results announced in favour of #UAE #Expo2020 #DubaiExpo2020 pic.twitter.com/JpuxztZGX0
— Dubai Media Office (@DXBMediaOffice) November 28, 2013
Pikantsary: Fotoam-pandresen'ny voka-pifidianana satria ny Emirà Arabo Mitambatra #UAE no hampiantrano ny #Expo2020 #DubaiExpo2020 pic.twitter.com/JpuxztZGX0
Nisioka amim-pireharehana sy nankasitraka ireo rehetra izay nanampy tamin'ny fahombiazan'ny DubaiExpo 2020 ny Andriana Cheikh Mohammed bin Rashid Al Maktoum, Filoha-lefitra sy Praiminisitry ny Emirà Arabo Mitambatra ary mpitondra ao Dubaï , hoy izy nilaza:
Dubai #Expo2020 will breathe new life into the ancient role of the Middle East as a melting pot for cultures and creativity
— HH Sheikh Mohammed (@HHShkMohd) November 27, 2013
Hiaina rivo-baovao ao anatin'ny andraikitra taloha ao Afovoany-Atsinanana ho fifangaroana ara-poko amin'ny kolontsaina sy ny famoronana i Dubaï #Expo2020
Nanasongadina ny dikan'ny lohahevitra ny lahatsoratra bilaogy DUBAI Gets EXPO 2020 an'ny Foibe Cheikh Mohammed Bin Rashed hoan'ny fifankahazoana ara-Kolontsaina (SMCCU):
Dubai’s theme Connecting Minds, Creating the Future, lies at the heart of who Dubai is. It is not a new story, but a continuing story, of a village in the desert, at a crossroads connecting peoples and cultures, exchanging not limited to material goods but ideas, cultures and philosophies. From the first Bedouin tribes to arrive in the region, to our recent migration of people from all over the globe who truly call Dubai home, our city is, through its visionary leadership a portrait of what the future can be in this region.
Ny lohahevitra “Mifandray ara-tsaina, Manangana ny Hoavy” dia akaiky ny hoe iza i Dubai. Tsy tantara vaovao izany, fa tantara mitohy, ao amin'ny tanàna kely an-tany foana, ao amin'ny fiholànan-dalan'ny olona sy ny kolontsaina, fifanakalozana tsy voafetran'ny harena mivaingana fa ny hevitra, kolontsaina ary ny filôsôfia. Tamin'ny foko Bedouin voalohany tonga tao amin'ny faritra, tamin'ny fifindramonintsika farany teo nataon'ireo olona manerantany izay tena miantso an'i Dubai ho tanindrazana, ny tanànantsika dia sary mikasika izay mety hoavin'ity faritra ity amin'ny alalan'ny fijeriny mahay mitantanana .
Nitombo ny fankalazana tao amin'ny tanàna nandresy, raha nambara fa i Dubaï no mpandresy hampiantrano ny Expo 2020 ary nazavain'ny afomanga mamirapiratra tsara ny Burj Khalifa, tranobe avo indrindra manerantany sy harem-pirenen'i Duba. Celebrations were in full swing in the winning city as Dubai was announced the winner to host Expo 2020 and the Burj Khalifa, the tallest building in the world and Dubai's landmark, was spectacularly lit up with fireworks.
Muath Al Wari nisioka am-pireharehana hoe:
No biggie, just my hometown partying #DubaiExpo2020 pic.twitter.com/6xcEVQ66WU
— Muath Al Wari (@MuathAlWari) November 27, 2013
Tsy ratsy loatra, fa mba mandray anjara amin'ny #DubaiExpo2020 fotsiny ny tanàna nahaterahako
Raha nankalaza ny fandresena mendrika azy ireo mponina ao Dubaï, maro kosa ireo niahiahy ny mety hiakaran'ny vidim-piainana noho ny fandresena amin'ny Expo2020, tahaka an'i Bahrainita Ammar Al Aradi izay nisioka hoe:
#Expo2020, 20% increase in rent, 20 extra minutes stuck in traffic per trip, 20 new Salik gates, 20 dirham increase in your salary. #Dubai
— ammaro (@ammar456) November 27, 2013
#Expo2020, hiakatra 20% ny hofan-trano, miampy 20 minitra ny fitohanan'ny fiara isaky ny mandeha, vavahady Salik 20 vaovao, hiakatra 20 dirhams ao amin'ny karamanao. #Dubaï
Niakatra avy roa heny ny hafalian'ny Émirà Arabo Mitambatra satria mifanandrify amin'ny fankalazana ny Fetim-pirenena faha-42, Tamin'ny 2 Desambra izany.
Na dia ny Doodle Google aza mba nankalaza ny fandresena ihany koa!
Google celebrates the win #DubaiExpo2020 pic.twitter.com/aaywc7QMi5
— Latifa MR Al Maktoum (@LatifaMRM) November 27, 2013
Mankalaza ny fandresena #DubaiExpo2020 ny Google
Mahafinaritra avokoa ny Fampiratiana rehetra …. fa ny ao Dubai no hampitolagaga indrindra!