- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoatora: #Ruraleando, Bilaogy Iray Mametraka Ny Maha-olona Eo Amin'ny Lafiny Fitsaboana

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Hevitra, Mediam-bahoaka

[Mifandray amin'ireo pejy amin'ny teny Espanola avokoa ireo rohy rehetra, raha tsy misy ny filazana mifanohitra amin'izany]

Mifandray amin'izao tontolo izao ny mponina any Patután, Cotopaxi [1][en] any amin'ny sisin'i Ekoatora amin'ny alalan'ny bilaogy iray: #ruraleando [2]. Tsy tonga an-tsain'ireo marary izay mitsidika io Klinika Fitsaboana ao amin'ny Paroasy io angamba fa isanandro aorian'ny ora hiravàny dia mamoaka, tsy amin-tahotra na manao sivana ny tenany, ireo olana sy ezaka eo amin'ny rafitry ny fitsaboana, i Denisse Calle (@niches13 [3]), sady mitantara izay niainany nandritra ny nirotsahany ho mpitsabo any ambanivohitra. Ataony izany satria fantany izay resahany: manontany izy, manadihady, manandrana ary manome vahaolana.

Raha mitsidika ny #ruraleando [2]ianao, mety hijanona ianao ka hamaky ny momba ny andro faha-112 [4], rehefa nihaona tamin'i Doctor Calle i Segundo, olona iray mandrongony manaraka fitsaboana izay tonga niaraka taminà aretin-tsinay, ary feno tsikitsiky rehefa nomena fahafahana vaovao hiarina indray amin'ny fiainana.

Misy koa ny tantaran'ilay marary iray 29 taona [5] izay manana tahanà siramamy ambony be, izay, taorian'ny nahatongavany tao amin'ny toeram-pitsaboana hanao fitiliana dia notenenina tsotra fotsiny fa tsy marary izy, ary tokony hiverina efatra andro taorian'izay– sady tsy nisy fitiliana natao na iray aza!

Anatin'io lahatsoratra io ihany, nitantara ny fifanenany tamin'i Marlon, ankizy iray manan-kilema  mila fikarakarana manokana, izay tonga tao amin'io klinika io ary niala voly tamin'ny hiran'ny Pink Floyd.

Tantara andavanandro ireo, diso iombonana loatra ka toa zary mahazatra.

Mampianatra antsika hijery lavitra noho ny fitsaboana amin'ny maha-asa azy ity bilaogy ity, asa izay tsy mifantoka intsony amin'ny marary, fa mifototra amin'ny fanomezam-panafody sy fitiliana ara-pahasalamana tsy misy farany. Mahakasika antsika ny fangirifiriany raha mitaratra ny singa maha-olombelona eo amin'ireo olan'ny vondrom-piarahamonina.

 

 

Imagen tomada de #ruraleando [6]

Denisse miaraka amin'i Génesis, iray amin'ireo marary tsaboiny. Sary nalaina tao amin'ny #ruraleando [6], ary nampiasaina teo ambany lisansa Creative Commons (CC BY-SA 3.0 EC)

Noho io bilaogy io, afaka nifandray tamin'ireo solontena nasionaly misahana ny Fahasalamana i Denisse [7] ary nilaza tamin'izy ireo ny zavatra ilaina nefa toa tsy hita, toa tsy tsapa na koa tsy iainana raha tsy lasa ampahany amin'io zava-misy andavanandro io ry zareo.

Amin'ny alalanà sosokevitra ho anà fandaharam-potoana fanofanana amin'ny fitsaboana vonjimaika [8]taorian'ny nanampiany olona iray niharan'ny lozam-pifamoivoizana tanatinà toerana sarotra dia sarotra, afaka nifampiresaka tamin'ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisitry ny Atitany [9]izy. Tao anatin'ny lahatsoratry ny bilaogy iray [10], manazava ilay mpitsabo fa:

Un hombre inmóvil sobre el asfalto, gente (20 personas) alrededor, 2 policías… y nadie, NADIE! se acercó a siquiera tocarle el pulso… me arrodillé y cuando iba a tocarlo, la policía me dijo “qué va a hacer? no lo puede tocar, no le puede hacer nada!” a lo que le respondí SOY MÉDICO!, entonces me autorizó hacerlo…  Sí! suena absurdo! autorizarle a alguien auxiliar a un desconocido que ha sufrido un accidente, mientras tu le preguntas a la gente sobre si vio el vehículo que atropelló a la persona, por dónde se fue, de qué color era. 

Lehilahy iray, tsy mihetsika eo ambony tara, voahodidin'andian'olona miisa 20 sy mpitandro  filaminana roa… ary tsy misy na iray aza, NA IRAY AZA, nanatona na dia hitsapa ny fitempon'ny fony fotsiny aza… Nandohalika teo anoloany aho ary rehefa handeha hitsapa azy indrindra aho, no nanontany ahy ny mpitandro filaminana hoe: “Inona ity hataonao? Tsy afaka mikitika azy ianao, tsy afaka manao n'inona n'inona aminy ianao!” izay novaliako hoe “MPITSABO AHO!” ary nanome alalàna ahy ry zareo. Eny! Tsy araka ny tokony ho izy izany! Ny fanomezanano làlana olona iray hitsabo olona tsy fantatra niharan-doza, raha manontany ireo olona manodidina ianao sao mba nisy nahita ny fiara nandona ilay olona, na ny nalehany na koa ny lokony.

Tamin'ny Jolay, nahazo fanasàna [11] handray anjara aminà Seminera Lehibe Iraisam-pirenena ”Retos Actuales de la Salud Pública en Ecuador y Vigilancia Ciudadana de las Políticas Públicas y Servicios de Salud” [12] [Fivoriambe-Atrikasa Iraisam-pirenena “Sedra misy ankehitriny eo amin'ny Fahasalamam-bahoaka ao Ekoatora sy ny Fanarahamason'ny Vahoaka ny Politikam-panjakana sy ireo Tolotra Ara-pahasalamana”], ary Maripankasitrahana Nobel eo amin'ny lafiny Fitsaboana i Denisse, i Thomas Südhof [13] [en] aza dia namaly [14] mihitsy ny iray tamin'ireo fanontaniany avy amin'ny BBC [15].

Tamin'izany fomba izany, lasa tena izy tsikelikely ilay nanomboka tamin'ny nofinofy. Hatramin'ny namoahany ny lahatsoratra voalohany indrindra ny Febroary 2013 [16], i Denisse dia nanoratra mikasika ny faniriany ny mba “haneho fa manomboka any ambanivohitra ny fiovàna ara-pahasalamana; raha toa ka ampianarina reo zavatra heverina ho bitika indrindra sy tsy dia ilaina loatra aza ny vondrom-piarahamonina, mety hahavita fanovàna goavana ianao”.