Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

06 Desambra 2013

Tantara tamin'ny 06 Desambra 2013

Mpirotsaka An-tsitrapo Avy Any Amin'ireo Tanàna Nidonan'ny Rivomahery Tao Filipina Mizara Tantara Efatra Mety Hampirotsa-dranomaso Anao

Razana tsy mbola voahangona, sisam-paty miandry fanampiana, arabe rakotry ny poti-javatra. Ireo no sasany tamin'ny zavatra hitan'ny mason'ireo mpirotsaka an-tsitrapo tany amin'ireo faritany nidonan'ilay rivomahery tao Filipina

Karaiba: Veloma Farany, Nelson Mandela

Nandona mafy tokoa ny fanambaràna ny fahalasanan'i Nelson Mandela. Nizara ny eritreriny ireo bilaogera any amin'ny faritra sy ireo mpampiasa ny media sosialy, mikasika ny fahalasanan'ilay olona iray endrika maharitry ny fanoherana am-pilaminana teto amin'izao tontolo izao.

Ekoatora: #Ruraleando, Bilaogy Iray Mametraka Ny Maha-olona Eo Amin'ny Lafiny Fitsaboana

Ny #Ruraleando dia bilaogin'i Denisse Calle, Ekoatoriana iray mpitsabo izay, noho ireo traikefany nandritra ny taona nonenany tany ambanivohitra, dia mamolavola vahaolana mikasika ny rafitra ara-pahasalamana eo amin'ny firenena.

Voafidy Hampiantrano Ny “Expo2020″ i Dubai!

Dubai no voafidy hampiantrano ny Fampiratiana Ara-barotra Manerantany "World Expo trade" amin'ny 2020. Mankalaza izany ny tontolon'ny Twitter.

Tarana-Boanjo, Foto-Boanemba… Voasambotra Ny Zanakalahin'ny Mpitarika Ny Fanoherana Kyrgyz

"Tarana-Boanjo, Foto-Boanemba" no lohahevitra tena nalaza tany amin'ny ankamaroan'ireo fanehoankevitry ny mpisera anaty aterineto taorian'ny nisamborana ny zanakalahin'ilay politisiana Kyrgyz mahabe resaka, noho ny fiampangàna azy ho nangalatra.

Loharanon'Angovo 5 Tsy Tsara Trandraka Ao Afrika

Mbola mizaka matetika loatra ny olan'ny fampifandimbiasana fanapahan-jiro ny ankamaroan'ireo firenena ao Afrika, izay manakana ny firosoana ara-toekareny. Kanefa tsy ny loharanon'angovo akory no tsy misy. Ity ny lisitr'ireo loharanon'nagovo izay tena tsy tsara trandraka ao Afrika ao