- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandrava an'i Filipina i Haiyan

Sokajy: Mediam-bahoaka
Typhoon survivors in Ormoc, Leyte paint a HELP sign. Photo from Facebook of Katreena Bisnar [1]

Nanoratra “HELP” teo an'arabe ireo velona tany Ormoc, Leyte eo arabe amin'ny loko ny hoe  HELP sign on the road. Sary : Katreena Bisnar tao amin'ny Facebook

 

Aleo tsy ho antsointsika intsony hoe loza voa-janahary ny tranga tahaka izao. Tsy voa-janahary izao raha mbola miady amin'ny famongorana ny fahantrana sy mikatsaka ny fandrosoana ny olona ary resin'ny rivodoza izay heverina fa mahery vaika indrindra namely ny firenena. Tsy voa-janahary izao rehefa nolazain'ny Hairaha antsika fa mety hiteraka rivodoza mahery vaika ny fiakaran'ny hafanana. Tsy voa-janahary izao rehefa tena novàn'ny zanak'olombelona ny toetr'andro. 

- [2]Yeb Sano, Lehibe mpisolotenan'ny governemanta Filipina niteny tany amin'ny Fihaonana an-tampon'ny Firenena Mikambana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Polona [2]

Namely ny nosy afovoan'i Filipina, ka nahatonga onja toy ny tamin'ny tsunami izay nahafaty olona maherin'ny 4.000 [3]tao anatin'ny indray mipi-maso ilay rivodoza mahery vaika sady mpandrava Haiyan, ny 8 Novambra 2013. An'arivony kosa ireo tavela teo amin'ny tany malalaka [4] izay tranony fahiny.

Taorian'ny fandalovan'i Haiyan, antsoin'ny ao an-toerana hoe Yolanda, ela ihany vao tonga tany amin'ireo toerana niharan-doza ny fanampian'ny governemanta, singanina amin'izany ireo nosy lavitry ny faritra noravan'ilay rivo-doza any Visayas [5]. Any, mbola mivalampatra eny amin'ny arabe ny faty ary maro ireo tompon-trano no nanjary tra-boina mangataka sakafo.

Isan'ireo faritra rava ny faritanin'i Leyte sy Samar. Mponina maherin'ny 11 tapitrisa no niharan'ilay rivo-doza, araka ny nolazain'ny Firenena Mikambana. [6] Fara-fahakeliny dia trano 80.000 no ravan'ilay rivo-doza ary maherin'ny 582.000 ireo tsy manan-kialofana hoy ny vinavinan'ny governemanta Filipiana farany [7]

Jereo ny adihevitray , “Miandry fatratra Rano, Sakafo ary Fanampiana ireo tra-boinan'ilay Rivodoza Haiyan. Ahoana no fomba hanampiantsika azy ?” [8] voarakitra ao amin'ny Google Hangouts tamin'ny 15 Novambra 15 2013 tamin'ny 4 ora hariva GMT. [9]

Ny fanadihadiana

Nov 17 Nahoana Ny CNN No Nahazo Dera sy Laza Tamin'ny Fitantarany Ny Rivodoza Tao Filipina [10]
Nov 15 Fomba Hanampiana Ireo Tra-Boina Tamin'ny Rivodoza Tao Filipina [11]
Nov 13 Philippine,Fanontanian'ireo Sisam-patin'ny Rivodoza: ‘Aiza Ny Mpitondra Antsika ?’ [12]
Nov 12 SARIPIKA : Miandry Fanampiana Fatratra Ireo Sisam-Patin'ny Rivodoza Mahery Vaika Ao Filipina [13]
Nov 11 SARIPIKA [13]: Tanàna Ravan'ny Rivodoza Tao Filipina [13]
Nov 10 SARIPIKA [13]: Nandrava ny Afovoan-tanànan'i Filipina Ny Rivodoza Mahery Vaika Haiyan [13]

Ny velaran'ilay Loza

The govenrment's disaster mitigation and response map. The red areas are the most affected provinces in the Visayas. [14]

Sarin-tany mampiseho ireo faritra niharan-boina, nataon'ny Governemanta Filipiana. Ny faritra mena no faritany tena voa mafy ao amin'ny vondro-nosy Visayas.

Ahoana no ahafahanao manampy
Nandrafitra ny lisitr'ireo vondrona [15]izay afaka mandray fanampiana iraisam-pirenena ny governemanta Filipiana. Maro amin'ireo fikambanana sy sekoly [16]Filipiana no manaiky ireo karazana fanampiana rehetra. Azo alefa amin'ny iTunes [17] sy ny finday [18]koa ary ireo fanampiana ireo. Tsy maka saram-pandefasana [19]ny Western Union hatramin'ny faran'ny volana.

Mitady olona akaiky anao ve ianao ?
Novàna handray ny fiantraikan'i Haiyan sy ny asa famonjena ny tranon-kala ofisialin'ny [23] governemanta Filipiana. Ireo izay manan-kavana na namana tsy hita dia afaka mangataka fanampiana amin'ny Google Person Finder [24] sy ny vokovoko mena Filipiana miaraka amin'ny famaritana ny bikany [25]. Etsy an-daniny dia navoakan'ny governemanta ny lisitr'ireo olona maty [26]tany amin'ny faritany [27]nandritra ny fandalovan'ilay rivodoza.

Twitter
Araho ny @mongster [28]| @planphilippines [29]| @atomaraullo [30]
Tenifototra:#yolandaph [31]| #Haiyan [32]| #reliefph [33]

Bitsiho ny momba ny “#yolandaph “ [34]

Azonao atao ny mifandray amin'i  Mong Palatino, Tonian-dahatsoratray any Azia Atsimo Atsinanana [35]raha misy tantara, hevitra na loharanom-baovao hanampiana an'ity pejy ity.