Matetika no voatsikera ilay fiangonana kristiana Pantekotista mitambatra Yoido Full Gospel, fiangonana lehibe indrindra any Korea Atsimo sy maneran-tany, noho ny firotsahan'ny filoha mpanorina Cho Yong-gi sy ny fianakaviany amin'ny raharaha mahamenatra. Fantatra tamin'ny herinandro lasa teo ny fiarahan'i Cho amin'olon-kafa ivelan'ny fanambadiana sy ny fanodikodinana ny volan'ny fiangonana, ankoatra ny fisian'ny fanodinkodinana sy ny fangalaran-ketra izay vao natao vaindohan-draharaha tamin'ity taona ity.
Nanazava sy nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mba hivoizana sy hanavaozana ny antsipiriam-baovao ary hanome porofo ny momba ilay heverina fa zava-dratsy nataon'i Cho ny vondron'ireo zokiolon'ny fiangonana izay zatra niaraka tamin'io filoha mpanorina io. Midangana dia midangana ny tontalim-bola nolazaina tao amin'io valan-dresaka io – mihoatra kelin'ny 100 tapitrisa dolara Amerikana, ary ny tena mahamenatra dia ny 1,4 dolara tamin'io voalaza fa nomena an'i Jeong, mpihira vavy any Frantsa izay voalaza fa niaraka an-tsokosoko tamin'i Cho.
Manindrona ireo tsikera natao an'ilay mpitandrina hita ao amin'ny tontolon'ny Twitter Koreana, na avy amin'ny Kristiana izany na ny tsy Kristiana.
조용기먹사 퇴진촉구 현재 기자회견장 모습입니다. (펌) pic.twitter.com/xfdWRGli2h
— 아리솔#바람소리 (@ksk204913) November 14, 2013
Sary tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety miantso ny mpitandrina Cho Yong-gi mba hametra-pialàna. ( nalaina taminà bitsika hafa) [ Tsy hita ny bitsika niandohana]
조용기 목사가 순복음교회의 돈 수천억원을 빼돌리고, 불륜관계에 있는 성악가 정아무개씨의 입을 틀어막기 위해 15억원을 줬다 합니다. 이게 목사가 할 일입니까? 사이비 교주가 할 일입니까? http://t.co/lQW1R6YIEJ
— 자로 [시국선언] (@zarodream) November 14, 2013
Voalaza fa nanodina an-tapitrisa maro tamin'ny volam-piangonana ny mpitandrina Cho Yong-gi ary ambonin'izay dia nomeny 1,5 tapitrisa won Koreana [ 1,4 tapitrisa dolara Amerikana] koa Ramatoakely Jeong — mpihira izay niarahan'i Cho an-tsokosoko — mba hampanginana azy. Aminao ve zavatra tokony hataonà mpitandrina na hataonà mpitondra fivavahana izany ?
순복음교회 장로들이 조용기 부자의 수천억대 횡령을 폭로했지만, 문제는 다수의 교인들이 여전히 조목사를 신격화하면서 아무렇지도 않게 생각한다는 것. 한국교회의 부패는 목회자뿐 아니라 신자들에게 책임이 있음.
— 백찬홍 (@mindgood) November 14, 2013
Nambaran'ireo zokiolona tao amin'ny fiangonana Full Gospel fa nanodikodina volam-piangonana an-tapitrisa i Cho sy ireo zanany lahy, nefa dia mbola ataon'ny ankamaroan'ireo mpivavaka ho karazana andriamanitra kely ihany i Cho, fa tsy ahoany izay zava-miseho. Tsy ireo mpitarika fiangonana ihany no tokony homena tsiny noho ny kolikoly ao amin'ny fiangonana Koreana fa ireo mpivavaka izay tsy mandray andraikitra ihany koa.
@john6311:천국에서는 한국돈이 쓸모가 없답니다.
@john6311: Tsy ilaina any an-danitra ny won Koreana.
헌금하고 천국 가려는 호구들 조용기만 천국만들어 줬네요.ㅋㅋ RT @jhem91: 은퇴하면서 퇴직금 2백억, 그 후에도 월급으로 다달이 7500만원씩 수령, 누구냐구요? 조용기목사 랍니다. 큰 은혜 받으셨네^^. 그돈 갖다 바친 모지리들은 뭡니까?
— 정의석 (@samuel6210) November 15, 2013
Ireo solafa izay mividy ny làlany mankany an-danitra amin'ny fanaovana rakitra ho an'ny fiangonana– ataon-dry zareo lanitra ho an'i Cho Yong-gi ity tany ity.
RT @jhem91: nandray 20 lavitrisa won [18,7 tapitrisa dolara Amerikana] ny mpitandrina Cho Yong-gi ho ‘vola fisotroan-drononony’ ary avy eo nandray fanampiny karama 75 tapitrisa [ 71 000 dolara Amerikana ] isam-bolana. Tena voatahy izy. Ary inona no mba manjo ireto adalabe namatsy izany volany izany ?
기독교 지도자들이 썩을대로 썩은것 같아 참으로 애석하다 옛날 중동 지역에서 근무당시 존경했던 조용기 목사 였건만 하나님을 믿는 사람 으로써 마음이 무겁다
— 정의.진실.용기상식. (@a83396258) November 15, 2013
Tena mampalahelo ahy mihitsy ny mpitondra fiangonana manao kolikoly ambadiky ny finoana. Malahelo tokoa aho amin'ny maha-Kristiana sy olona zatra manaja ny mpitandrina Cho Yong-gi tamin'ny niasako tany amin'ny tany Arabo.
“조용기 목사, 퇴직금 200억 몰래 수령 5년간 특별선교비 총 600억 챙기기도” http://t.co/T2SC6qm5Jv 교회의 대형화는 돈의 축복이지 하나님의 축복은 아닌 듯 하다 돈이 흘러 넘치는 교회엔 타락도 흘러 넘치는 것 같다^^
— 제니스 (@futurism2121) November 15, 2013
Nomena 20 lavitrisa won [ 18,7 tapitrisa dolara Amerikana] tamin'ny vola fisotroan-dronono ny mpitandrina Cho Yong-gi, tsy nambara ny mpiangona ny masom-bola marina, ary avy eo nandray 60 lavitrisa won [ 56 tapitrisa dolara Amerikana] tamin'ny volam-piangonana izay nafenina tamin'ny hoe ‘iraka manokana’ (naely) nandritra ny dimy taona. ‘Fiangonana miroborobo’– tsy noho ny fitahian'Andriamanitra anefa fa noho ny fitahiana tsotra avy amin'ny vola, ary ao amin'ny fiangonana izay mitobaka ny vola dia tondraka ihany koa ny kolikoly.