
Antsoina hoe “Revolision'ny Kiririoka” ny hetsika fanoherana ny governemanta ao Bangkok satria mitsoka kiririoka ireo mpano hetsi-panoherana mba hanehoany ny tsy hafaliany. Sary an'i Camille Gazeau, Fizakàmanana @Demotix (11/29/2013)
Nokendren'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ao Thailand ny hibodo ny Tranoben'ny Governemanta sy trano sivy hafa mbola an'ny governemanta ihany mba handrodanana ny fitantanan'ny praiminisitra Yingluck Shinawatra. Nivoatra izany taorian'ny nahafatesanà iray sy naharatràna marobe tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana nandritry ny fifandonana teo amin'izy ireo sy ny mpomba ny governemanta.
Nobodoin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny trano maro an'ny governemanta tao amin'ny faritra natokana hisy ireo tranon'ny governemanta ireo saingy ny 01 desambra dia maro tamin'izy ireo no niparitaka mba handeha hibodo birao hafa sy foiben'onjampeo an'ny governemanta. Ny tenifototra #bangkokprotests tao amin'ny Twitter no tena nanampy tamin'ny fanjohiana ireo hetsika.
Mety ho nivoaka velona i Yingluck tamin'ny fifidianana-fitsipaham-pitokisana tao amin'ny parlemanta saingy mbola ho ela vao ho tapitra ny fihenjanana ao an-drenivohitra. Takian'ireo mpanao hetsi-panoherana ny hialàny eo amin'ny fitondràna satria izy voampanga ho saribakolin'ny zokiny lahy, ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra. Nailiky ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2006 i Thaksin. Any an-tsesintany izy taorian'ny niampangàn'ny fitsarana iray tao an-toerana azy ho nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.
Ny hamafin'ireo hetsi-panoherana ny 01 desambra dia mampahatsiahy ny hamafin'ny krizy tamin'ny 2008 fony nibodoan'ireo mpanao hetsi-panoherana ny seranam-piaramanidina sy ireo fotodrafitrasa hafa tena ain-dehibe tao Bagkkok.
Nametrahan'ny polisy tariby mandratra mba hanakànana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra amin'ireo trano an'ny governemanta sy ireo tobin'onjam-peo.
หน้าช่อง 5 อีก_าพ เมื่อเวลา 11.54น. วันนี้ จากเฟซอี๊ด pic.twitter.com/0hAjMx3lwO
— Nalinee Siriked (@Nalinee_PLE) December 1, 2013
Mpianatra iray nanao hetsika no naratran'ny pitiky ny grenady
จะจะ!นักศึกษาโดนาะเก็ดระเบิด เข้าหน้าเมื่อเช้า pic.twitter.com/i3ChFPxzFQ
— เอกชัย ผดุงเกียรติ (@tumtv9) December 1, 2013
Notifirin'ny polisy tamin'ny entona mandatsa-dranomaso ihany koa ireo mpanao hetsi-panoherana nandritry ilay hetsika ny Alahady maraina teo:
ภาพตำรวจยิงแก๊สน้ำตา โดยชยานนท์ ปรานีต #NationTV http://t.co/7PdSWcglcM
— chalieo khongtug (@man_Rw) December 1, 2013
Protestors preparing buckets of water at gov house in preparation for tear gas. Police have warned them this morning that gas will be used
— George Thaivisa (@georgebkk) December 1, 2013
Ireo mpanao hetsi-panoherana manomana rano amin'ny tavy eo amin'ny tranon'ny governemanta mba hiomanana amin'ny entona mandatsa-dranomaso. Nampitandrina azy ireo ny polisy fa hampiasa entona mandatsa-dranomaso
This water has some chemicals in it, it burns the eyes and the skin like tear gas. Just tried myself, argh
— Alessandro Ursic (@aleursic) December 1, 2013
Misy akora simika miaraka amin'io rano io, mandoro ny maso sy ny hoditra toy ny entona mandatsa-dranomaso. Nanandrana mihitsy aho, argh
Maro no nahatsiaro maivana nandre fa hoe nanapa-kevitra ny hanafoana ny famoriam-bahoaka io Alahady maraina io ireo Lobaka Mena mpanohana ny governemanta, izay efa manampy betsaka amin'ny fisorohana ny fifandonana eo amin'izy ireo sy ny mpanao hetsi-panoherana. Nifamory tao amin'ny kianjaben'i Rajamangala ry zareo Lobaka Mena
http://t.co/0jgxg8Flk1 view away from stage 2hrs ago @ #Redshirts rally @ stadium #TEPCam
— John Le Fevre (@photo_journ) November 30, 2013
http://t.co/0jgxg8Flk1 tazan-davitra avy eo an-tsehatra, famoriam-bahoakan'ny @ #Redshirts tao @ stadium #TEPCam ora roa laza izay
In the Rajamangala Stadium after dispersal of the red shirts via @Phop_NTV: 08.33 ราชมังคลา หลังมวลชนเสื้อแดงทยอยกลับ pic.twitter.com/QiHuaMo3EU
— Aim_The Nation (@Aim_NT) December 1, 2013
Tao amin'ny kianjaben'i Rajamangala taorian'ny nanaparitahana ny Lobaka Mena, avy amin'ny @Phop_NTV : 08.33 ราช มั ง คลา หลัง มวลชน เสื้อ แดง ทยอย กลับ pic.twitter.com/QiHuaMo3EU
Geez they “called off” the red shirt rally like 15 minutes ago and the stadium is already empty….that's fast!
— Dave Oliver (@daveoli) December 1, 2013
Mba lalina izany “nofoanan-dry zareo” toa 15 minitra monja talohan'ny ora nifanomezana ilay famoriam-bahoaka ary vetivety monja dia foana sahady …. tena haingana be!
Nokianin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny fitongilanan'ireo mpampahalala vaovao nahazatra izay nentin'izy ireo nampiasaina hanamarinana ny fiezahan-dry zareo haka ireo tobin'onjampeo :
A rare development: Complaints by anti-govt. supporters that the mainstream TV channels are biased.
— Piriyathep K (@PKinbangkok) December 1, 2013
Fivoaran-draharaha tsy fahita firy: Fitarainan'ireo mpanohana ny hetsika manohitra ny governemanta fa hoe mitongilana ireo fantsom-pahitalavitra mahazatra
All this fighting over ‘ideology’ sprouted by a bunch of raving hypocrites. Not even ORIGINAL and masses fall for it.
— Nikky (@Nikky_Bangkok) December 1, 2013
Izao ady rehetra momba ny ‘fotokevitra’ izao atosik'ireo andian'olona mpihatsaravelatsihy lozan-tany. Tsy mba ORIZINALY akory kanefa dia roboka ao daholo ny rehetra
For those that keep asking why anti-government protesters are “storming” Dusit Zoo in #Bangkok, it is because police are stationed there
— Richard Barrow (@RichardBarrow) December 1, 2013
Ho an'ireo izay mbola manohy manontany ny antony “anafihan'ireo” mpanao hetsi-panoherana manohitra ny governemanta ny Valam-biby Dusit ao #Bangkok, dia satria ao no mitoby ireo polisy
Further reports this morning tho from Ramkhamhaeng Uni saying shots being fired. #Thailand
— Zoe Daniel (@seacorro) December 1, 2013
Tatitra misimisy kokoa io maraina io avy amin'ny Ramkhamhaeng milaza hoe nisy tifitra nirefotra tany #Thailand
With a large and very loud crowd headig to Labour Ministry. Sea of Thai flags. Protesters heading in several directions.
— Jonathan Head (@pakhead) December 1, 2013
Ahitàna andian'olona betsaka sy matanjaka mitanjozotra ho any amin'ny Ministeran'ny Asa. Mandeha amin'ny zotra samihafa ireo mpanao hetsi-panoherana.
Niaiky ny governemanta fa nanohintohina ny fanaovana asam-bahoaka nanerana ny firenena ireo hetsi-panoherana :
Raha toa ny governemanta niatrika tamim-pahamalinana fatratra ireo hetsi-panoherana mba hisorohana ny fahavoazana, mbola vitany ihany koa ny niatrika ny fanohizana ny asa fitantanana ny fanjakàna sy ny fampihàrana ny lalàna
Na dia nidonan'izany aza ny sasany tamin'ireo masoivohom-panjakana manao asam-bahoaka, manana drafitra fiatrehana ny hamehana ny governemanta mba hiantohana ny hisian'ny tolotra ampy sy feno ho an'ny vahoaka.