- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanentanana Hanendrena Ilay Mpikatroka Saodiana Amin'ny Loka Nobel Hoan'ny Fandriampahalemana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Nampahafantarina ny fanentanana [1] hanaovana izay hanendrena ilay gadra mpiaro ny zon'olombelona Saodiana Dr Abdullah al-Hamid [2] ho amin'ny loka Nobel-n'ny fandriampahalemana 2014 ary nahasarika ny maro tao amin'ny tontolon'ny Twitter izany.

Faritan'ny fanentanana toy izao manaraka izao ny kendreny:

In addition to expanding the international support for our candidate, we aim to distribute his vocation to the world to be remembered as one of those who lived for the good of their nation disregarding their prosperity, quiet life and even their freedom.

  Ankoatra ny fanitarana ny fanohanana iraisampirenena ho an'ny kandidantsika, ny tanjontsika dia ny hizara ny fanomezam-pahasoavany ho an'izao tontolo izao mba hotsaroana ho isan'ireo niaina hanasoa ny fireneny tsy ijerena ny hareny, ny fiainany milamina eny fa na ny fahalalahany ihany koa aza

alhamid4nobel

Anisan'ny endrika fanta-daza indrindra ao amin'ny reformista i al-Hamid. Niasa tao amin'ny fanjakana tsy refesi-mandidy Saodiana, niaro am-pilaminana ny fandraisan'anjaram-bahoaka amin'ny raharaha politika izy nandritra ny 20 taona ary manameloka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny Minisitry ny Atitany. Hatramin'ny taona 1994, efa im-pito nosamborina izy ary in-telo nahazo sazy an-tranomaizina noho ny fiampangana azy ho nitarika ny vahoaka haneho hevitra, ka nahazoany sazy an-tranomaizina 11 taona farany teo tamin'ny 9 Martsa 2013. [3] Nanomboka teo, mbola any am-ponja izy hatramin'izao.

Nandray anjara tamin'ny fanendrena azy ihany koa i Tawakkul Karman [4], mendrika tamin'ny loka Nobel hoan'ny fandriampahalemana 2011. Mpikatroka Waleed Abulkhair nisioka [ar] hoe: 

Misaotra an'i Tawakkul Karman nanaiky ny fanendrena an'ny Dr. Abdullah al-Hamid amin'ny Loka Nobel hoan'ny Fandriampahalemana.

Mpisolovava an'i al-Hamid, Abuzlaziz al-Hussan nisioka hoe:

Tsy nahatonga azy hanao herisetra ny herisetra nataon'ny governemanta taminy. Nikiry hatrany tamin'ny tolona milamina manohitra ny fibodoam-pahefana izy. Nahatontosa ny fandresena izy tao amin'ny fonja misy azy.

Naneho ny fanohanany ilay Saodiana mpikatroka ny zon'ny vehivavy, Manal al-Sharif:

Manohana ity diezy ity aho (teny ifankafantarana) : [Loka] Nobel-n'ny fandriampahalemana ho an'i al-Hamid

Mpanoratra Waleed al-Khodhairi nisioka momba ny maha-zavadehibe ny fanendrena:

Ny maha-zavadehibe ity loka ity amintsika amin'ny maha-fiarahamonina antsika dia ny hampahafantatra amin'izao tontolo izao olo-manga izay nanao sorona ny tenany hoan'ny rariny sy ny fitovian-jò mandritra ny taona maro ao am-ponja.

Mpanoratra Abdullah al-Malki nisioka momba ny fikatrohan'i al-Hamid:

Nanjary olo-manga ho an'ny tanora i Dr. al-Hamid amin'ny tolona sivika milamina izay tsy miditra amin'ny endrika herisetra rehetra.